30 janoary 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 18, 9-10. 14b. 24-25a. 30 — 19, 3)

Ry zanako Absalôma, inay anie aho no maty nisolo anao!

Tamin’izany andro izany,
sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma.
Nitaingina mole i Absalôma
ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole,
dia voasingotry ny terebinta ny lohany,
dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy,
ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
Hitan’ity lehilahy anankiray izany
ka tonga izy nilaza izany tamin’i Jôaba nanao hoe:

“Indro hitako tafahantona amin’ny terebinta atsy i Absalôma.”

Dia nataony an-tanana ny lefona telo,
ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny Absalôma
no notsatohany tamin’ny fony.
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida.
Ary niakatra teo ambonin’ny manda ny mpitily,
ka nanopy ny masony, dia nahatazana,
ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka,
ka izy irery ihany.
Niantso ny mpitily nampandre ny mpanjaka.
Dia hoy ny mpanjaka:

“Mitanilà kely ary mitoera etsy àry ianao?”

Koa nitanila kely izy dia nitoetra teo.
Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe:

“Aoka ny mpanjaka Tompoko hihaino zava-baovao mahafaly,
fa nomen’ny Tompo anao androany ny rariny,
ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.”

Fa hoy ny mpanjaka tamin’ilay Kosita:

“Tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, Absalôma?”

Ary hoy ny navalin’ilay Kosita:

“Hanahaka iny zatovo iny anie ny fahavalon’ny mpanjaka Tompoko,
mbamin’izay rehetra mitsangan-kanisy ratsy anao!”

Tera-kovitra tamin’ny fientanampony ny mpanjaka,
ka lasa niakatra tany an’efitrano ambonin’ny vavahady,
dia nitomany;
sady nandeha izy no nitanisa hoe:

“Ry Absalôma zanako!
Ry zanako ô, ry zanako Absalôma ô!
Inay anie aho no maty nisolo anao!
Ry Absalôma zanako, zanako ô!”

Nisy olona tonga nilaza tamin’i Jôaba hoe:

“Indro fa mitomany migogogogo ny mpanjaka
noho ny amin’ny zanany.”

Niova fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandrenesana tamin’izany andro izany,
satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izany andro izany fa hoe:
Malahelo mafy ny amin’ny zanany ny mpanjaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 85, 1-2. 3-4. 5-6

Itongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio.

Mba henoy sy valio aho, ry Tompo,
fa dia ory sy mahantra re ’ty izaho.
‘Ty sakaizanao mifikitra aminao,
mba arovy sy tsimbino lalandava.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
‘Ty fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibon-kafaliana re ny foko.

Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo.
He! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy;
’zany antso sy talahoko reneso.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangana.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka tafita indray,
dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy.
Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaira,
ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy,
sady nihanta mafy taminy nanao hoe:

“Marary efa ho faty ny zanako vavy,
ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao,
mba ho sitrana sy ho velona izy.”

Dia nandeha niaraka taminy Izy,
ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.
Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona,
izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpanao fanafody maro
sy nandany ny fananany rehetra,
nefa tsy nihatsara velively,
fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza.
Nony nahare ny amin’i Jesoa izy,
dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony,
fa hoy izy:

“Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko,
dia ho sitrana aho.”

Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny,
ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy.
Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny tenany,
ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe:

“Iza no nanendry ny fitafiako?”

Ary hoy ny mpianany taminy:

“Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao
ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?”

Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany.
Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy,
ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy,
dia nilaza ny marina rehetra.
Ary hoy Izy taminy:

“Anaka: ny finoanao no nahavonjy anao;
mandehana amim-piadanana,
ary sitràna amin’ny aretinao.”

Raha mbola niteny i Jesoa,
dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga
ka nanao taminy hoe:

“Maty ny zanakao vavy,
ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?”

Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa
dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe:

“Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany.”

Ary tsy nisy navelany nanaraka Azy
afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.
Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo,
dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa.
Ary niditra Izy ka niteny tamin’ny olona hoe:

“Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany?
Tsy maty razazavavy, fa matory.”

Dia nihomehy Azy fatratra ny olona;
fa Izy kosa nandroaka azy rehetra,
dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka azy
niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy,
ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe:

“Talita, Komy, izany hoe:
Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy
ka namindra fa efa roa ambin’ny folo taona izy,
dia talanjona indrindra ny olona.
Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany,
ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Misehatra amin'ny famokarana vary manitra ireo tantsaha kaoperativa Vary Manitra Diégo II na ny KOVAMADI-II, ao Anivorano Avaratra Antsiranana-II. Miroborobo ny famokarana noho ny fampiofanana nokarakarain'ny Réseau SOA ho azy ireo.

Zava-tsoa ara-panahy ilaintsika krisitianina mivahiny eto an-tany ny Sakramenta, ary mankany amin'ny mandrakizay ny vokatr'izany.

♦ Hiaka-dapa indray, manomboka amin'ny alatsinainy 29 janoary 2024, ny Loholona sy ny Solombavam-bahoaka. Fivoriana tsy ara-potoana hanoloran'ny Governemanta ny fanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny fanjakana... ♦ Manohana an'i Madagasikara hanatsara ny masom-boly apemba sy ny voanjo ary ny bajiry ny Governemanta Amerikana. Faritra miisa enina eto amin'ny nosy no hanatanterahana izany, amin'ny alalan'ny tetikasa Apemba...

Raha te ho salama dia misy andraikitra tsy maintsy hanapahan'ny tena hevitra ny manatanteraka azy. Misy anefa tranga tsy vitan'ny tena irery fa tsy maintsy miankina amin'ny sehatra hafa.

♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hohamasinina ho Eveka ao amin'izany Diôsezy izany amin'ny alahady 28 janoary 2024... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana manaraka amin'ity taona ity, ny antoko MMM. Mametraka fepetra kosa anefa izy ireo momba izany... ♦ Mandry tsy lavo loha tanteraka ny mponina ao amin'ny Distrikan'Ankazobe, ato amin'ny Faritra Analamanga, manoloana ny fanafihan-dahalo mahery vaika...

Ny zokiolona dia mampahafantatra ny fototra, mampita lova-panahy sy lova-tsofina ; mitahiry sy mampahafantatra ny fototry ny vahoaka, mampitohy ny tantara. Izay manaja ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manaja an'Andriamanitra ihany koa. Fatorana mampitohy ny taranaka mifandimby ny zokiolona indrindray mampita traik'efa. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Olona efatra, izay vehivavy telo sy mpitandrina iray, no mbola eo am-pelatanan'ny dahalo mpaka an-keriny, ao amin'ny Distrikan'Ankazobe... ♦ Nalefa teny Tsiafahy ilay mpamily taxibe nahafaty mpitondra moto teny Mahamasina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana androany... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana ny antoko MMM, saingy manamafy ireo fepetra takiany, toy ny fanovana ny rafitra mpikarakara ny fifidianana...

29 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 15, 13-14. 30 ; 16, 5-13a)

Andeha isika handositra fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida, nanao hoe:

“Tafaraikitra amin’ny fanarahana an’i Absalôma
ny fon’ny lehilahy amin’i Israely.”

Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra
tao aminy tany Jerosalema:

“Mitsangàna, andeha isika handositra,
fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.
Andao faingana fandrao dia tampohiny isika,
ka ataony idiran-doza eto,
sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.”

Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida,
niakatra sy nitomany izy,
sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro;
ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha
ary nitomany teny am-piakarana.
Nony tonga tao Bahorîma ny Mpanjaka,
indro nisy lehilahy anankiray,
atao hoe Semeia, zanak’i Gerà,
iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola,
nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
ary nitora-bato an’i Davida
mbamin’ny mpanompon’i Davida mpanjaka rehetra;
ary ny vahoaka mbamin’ny lehilahy mahery kosa tamin’izay,
dia teo ankavanany sy ankaviany.
Izao no tenin’i Semeia nanozona azy:

“Mandehana any, mandehana any,
ry ilay mpandatsa-drà, ry olon’i Beliala!
Indro natsingerin’ny Tompo aminao ny ran’ny tamingan’i Saola rehetra
izay nosoloinao toerana mba ho mpanjaka;
natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana
ka indro fa idiran-doza ianao izao,
satria lehilahy mpandatsa-drà ianao.”

Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka:

“Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko?
Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!”

Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka:

“Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià!
Aoka hanozona izy,
satria raha ny Tompo no nanao taminy hoe:
Ozòny i Davida:
zovy moa no hanao aminy hoe:
ahoana no anaovanao izany?”

Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia
sy ny mpanompony rehetra:

“He, ny zanako naloaky ny kiboko aza itý
mitady ny aiko;
ka mainka io zana-Benjamina io!
Avelao izy hanozona,
fa didin’ny Tompo taminy izany.
Angamba hijery ny fahoriako ny Tompoko
ka soa no hataon’ny Tompo amiko
ho valin’izao ozona androany izao.”

Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7

Mitsangàna, ry Tompo! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa vonjen’Andriamanitra hono aho!

Kanjo, Ianao, ry Tompo no mpanao soa ahy,
voninahitro, mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny masina!

Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany
dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny;
ka vao niala tao an-tsambo kely Izy,
dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy.
Tany am-pasana izy io no nitoetra,
ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony
na dia tamin’ny gadra aza,
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany,
nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany,
ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy
no mirenireny na andro na alina,
sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato.
Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy
dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Moa mifaninona izaho sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra?
Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho,
aza dia mampijaly ahy”,

satria i Jesoa efa nanao taminy hoe:

“Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.”

Ary nanontany azy Izy nanao hoe:

“Iza no anaranao?”

Dia novaliany hoe:

“Lejiona no anarako,
fa betsaka izahay.”

Ary nifona dia nifona taminy izy
mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany.
Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,
ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe:

“Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy.”

Dia nekeny.
Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa,
ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina
ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo,
ka maty tao amin’ny ranomasina.
Dia nandositra ny mpiandry azy
ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha;
ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.
Nankany amin’i Jesoa izy ireo,
ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona)
nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina,
ka raiki-tahotra tery.
Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo
izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa,
dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny.
Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy,
dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy;
fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy:

“Andeha ihany mody any an-tranonao
any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao
sy ny namindrany fo taminao.”

Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy,
ary gaga ny olona rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

28 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahefatra Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...