♦ Hampahafantarin'ny vaomieram-pirenena mahaleon-tena mikarakara ny fifidianana na ny CENI amin'ity tolak'andro ity ny lisitra ôfisialin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy na ny RAL 2024... ♦ Maro amin'ny zaza sy ankizy any amin'ny Distrikan'Ampanihy-Andrefana no tsy mbola nahazo vaksiny fanefitry ny "polio" mihitsy, antony nanaovana ny hetsika fanombohana ny fanaovam-baksiny faobe 2024 tany amin'ity distrika ity... ♦ Nankatoavin'ny fitsarana atsy Afrika-Atsimo ny famerenana an-tanindrazana ireo teratany Malagasy roalahy nigadra tany an-toerana noho ilay raharaha fanondranana volamena milanja 73 kilao... ♦ Nihaona manokana tamin'ireo pretra efa zokiolona tao amin'ny Bazilika iray, ny Papa François...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 1-11)
Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra,
ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra
toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany:
sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara
nipetraka teo amboniny tsirairay avy,
ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra
sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,
araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.
Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema,
avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra,
nony nahare izany izy ireo,
dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy,
fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe:
“Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo?
Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy
miteny ny fitenin-drazantsika avy;
dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia,
Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta,
ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma,
na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo,
dia ahoana no samy mandre azy ireo
milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga
ataon’Andriamanitra isika rehetra?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34
Isaory ny Tompo, ry fanahiko
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.
Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy;
ny fofon’ainao alefanao: àry izy,
ka indro mihavao ny endriky ny tany.
Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo.
Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo!
Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko:
ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal 5, 16-25)
Ry kristianina havana, izao no lazaiko:
mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo.
Fa ny nofo manam-pilàna mifanohitra amin’ny an’ny fanahy,
ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo:
koa mifanohitra izy roroa,
hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Raha tarihin’ny fanahy anefa ianareo,
dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
Ary miharihary ny asan’ny nofo:
dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy,
fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana,
fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,
fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana,
sy ny zavatra toy izany.
Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa nolazaiko fahiny koa,
fa izay manao izany dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao:
fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy,
hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onony;
tsy misy izay lalàna mikasika an’ireo.
Izay an’i Kristy Jesoa
dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàndratsiny
tamin’ny Hazofijaliana.
Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy;
fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana.
Aleloia.
Evanjely masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 26-27 ; 16, 12-15)
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo,
Izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray,
dia Izy no hanambara Ahy.
Ary ianareo koa hanambara,
satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo...
Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho,
nefa tsy zakanareo ankehitriny;
fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana,
dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra,
satria tsy hiteny ho Azy Izy,
fa izay rehetra ho reny no holazainy,
ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
Hanome voninahitra Ahy Izy,
satria handray ny avy amiko,
ka hanambara izany aminareo.
Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko;
ka izany no nanaovako hoe:
Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo.
Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony ianareo;
ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita Ahy ianareo,
satria mankany amin’ny Ray Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nomelohin'ny PAC na ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, asa anterivozona 10 taona ireo olona telo tsy niatrika ny raharaham-pitsarana azy notanterahina ny alatsinainy teo, mahakasika ny raharaha tambi-karama teo anivon'ny orinasa JIRAMA... ♦ Hifarana ôfisialy amin'ity tapak'andro maraina ny 15 mey ity manerana ny distrika 120 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RAL 2024... ♦ Ny kianja ao an'i Pretoria any Afrika-atsimo no nosafidian'ny federasiôna Malagasy ny baolina kitra, hanaovana ny fihaonan'i ekipam-pirenena Malagasy amin'i Comores sy Mali amin'ny fifaninana hiatrehana ny Mondial 2026... ♦ Vokatry ny ady eo amin'i Israël sy Hamas : olona maherin'ny 450.000 no voatery nafindra toerana...
♦ Namory ireo mpikambana anatin'ny rafitra tsy maharitra ho an'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny CENI androany. Nampahafantarina nandritra izany ny fizotran'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Hotanterahana ny 14 sy 15 nôvambra 2024, etsy amin'ny CCI Ivato ny CEO Business Forum. Maherin'ny 25 ireo firenena handray anjara... ♦ Tombanana hisy andro ratsy hiforona ao avaratry ny nosy amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vina avy amin'ny Météo Madagasikara...
♦ Entina amintsika amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Afaka niditra teny amin'ny Kianja 13 mey ihany ny fikambanan'ny Hetsika Mai 72 androany, na tsy nahazo lalana avy amin'ny Préfet aza... ♦ Niakatra teny amin'ny PAC androany, ireo olona valo voarohirohy tamin'ny raharahan'ireo sokatra sy gidro tratra tany Thailande...
♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...
♦ Tsy navela hanaterana fehezam-boninkazo teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny maraina teo. Tsy nahasakana ireo mpikamban'ny "hetsiky ny 13 mey" tonga teny an-toerana anefa izany... ♦ Tale teo aloha 36 isa eo anivon'ny JIRAMA no miatrika fitsaràna eny amin'ny PAC androany. Vesatra hanenjehana azy ireo amin'izany ny fandraisana tambin-karama mihoam-pampana izay misy tafakatra 1 miliara Ariary... ♦ Niitatra tamin'ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ilay tranga fitifirana tovolahy tetsy Antalamohitra-Ambohibao ka nisy ireo naratra... ♦ Noesorin'i Vladmir Poutine ny Ministry ny Fiarovana Rosiana, Sergueï Choigou. Fanesorana no fanovàna tampoka ireo mpikamban'ny governemanta, alina...
♦ Napetraka ho Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, araka ny fomban'ny Eglizy omaly, i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa... ♦ Mirongatra ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana sy hazo sarobidy amin'izao manakaiky fifidianana izao. Tranga efatra no niseho tato ho ato, hoy ireo Fiaraha-monim-pirenena 73, raha nanao fanambaràna ny sabotsy teo... ♦ Tafakatra hanao "Mondial" diviziôna fahatelo ny ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny baolina lavalava. Lasan'i Afrika atsimo ny tompondakan'i Afrika, nandritra ny lalao teny Andohatapenaka omaly tolak'andro... ♦ Mbola mitohy ny fanafihana ataon'ny tafika israeliana any amin'ny Faritra Gaza. Teratany palestiniana 20 isa no namoy ny ainy tany Jabalyia, vokatr'izany omaly...
♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
♦ Telo taona sy tapany an-tranomaizina. izay no sazy navokan'ny fitsaràna britanika ho an'ny tale kabinetran'ny filohan'ny repoblika teo aloha Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Didim-pitsarana noho ny raharaha kolikoly nanenjehana azy... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny orinasa iasany manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana ao amin'ny OMNIS ireo mpiasa. Nisy omaly ny fivoriambe niarahan'ny mpiasa tamin'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny JIRAMA ny fampiharana ny vidin'ny tena izy amin'ny jiro sy rano hoy ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Miantso an'i Israël hanajanona ny fanafihana ataony ao Rafah faritra atsimon'i Palestine ny firenena tandrefana...
♦ Velona ahiahy amin'ny ho aviny, manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana misy eo anivon'ny OMNIS, ireo mpiasa... ♦ Tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra miisa 142 no tafiditra miasa amin'ireo orinasa samihafa vokatry ny tetikasa Pro-Agri-Youth, izay tanterahan'ny OIT eto Madagasikara... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny orinasa Jirama ny fampiharana ny vidiny tena izy amin'ny jiro sy ny rano, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco