Mba hampirindra ny fiainana ao an-tokontrano ao dia isan'ny fototra lehibe ny fametrahana sy fanaharana fitsipika izay mahakasika ny tsirairay mandrafitra ny atao hoe fianakaviana. Taloha dia toa-teny ny ray aman-dreny fa ankehitriny dia ny zanaka indray no mibaiko, ary teraka ho azy ny adiady. Ilaina ny mametraka fitsipika izay midika ho lamina harahina, io ihany koa no mari-pamatarana na mikendry soa iombonana ny mpikambana iray na tsia amin'ny hataony. Ny fitsipika dia : manampy ny rehetra, mampihena ny fifandirana, mampitombo ny fifanajana sy ny fifankatiavana, mampitodika amin'ny soa iombonana, manamafy ny fifampitokisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
3 janoary 2024 — Alarobia, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Tonga nofo ny Teny, ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 29-34)
2 janoary 2024 — Talata, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa, dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 19-28)
1 janoary 2024 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Fankalazana manetriketrika — Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 16-21)
Ny atao hoe fahendrena amin'ny Soratra Masina dia mahasahana zavatra maro : Fahaiza-manao "savoir faire", tsy mbola miresaka fitondran-tena fa resaka fahalalana sy hakingana ary fahaiza-manao ; fahakingana eo am-panaovana asa iray (1R 7, 14) feno fahendrena amam-pahiratan-tsaina sy fahakingana izy, mba hanao ny asa isan-karazany ; olon-kendry ; mahay mitondra tena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
♦ Mahazo laka indray ankehitriny ny tsy fandriampahalemana any amin'ny tapany andrefana amin'ny Faritry Vakinankaratra. Raim-pianakaviana iray no maty alina tao amin'ny kaominina Anjomahandramaritina noho ny fanafian'ny andihan-jiolahy miisa 50 lahy mirongo fitaovam-piadiana... ♦ Handray anjara amin'ny fifidianana Ben'ny tanona sy ny mpanolontsaina vinavinain'ny CENI hatao ny volana marsa 2024, ny antoko Humaniste Ecologiste, kaominina 12 no efa nahitan'izy ireo kandidà amin'izao fotoana izao... ♦ Nahazo fitaovana ara-pambolena nafarana avy any Japon hampiroboroboana ny sehatr'asa hataony eto Madagasikara ny tetik'asa ny Papriz ; notanterahana teny Nanisana ny lanonana fanolorana izany...
Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Handrasana anio ny fehin-kevitra farany amin'ny fihaonambe karakarain'ny Antenimiera Ray aman-dreny Foko Malagasy. Izy ireo izay mitaky ny hanoloana ny rafitra hitodràna ny firenena... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka ny volavolan-dalàna natolotry ny governemanta ahafahana mameno ny efatra amin'ireo tolo-kevitra lehibe miisa enina natolotry ny Vondrona iraisam-pirenena ho an'ny asa ara-bola na GAFI. Lalàna manova sy mameno ny andininy sasany amin'ny lalàna momba ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana... ♦ Tsy andraikitry ny rafitra vitsivitsy fotsiny ny fiantohana ara-tsakafo hoy ny FAO. Manentana ny isan-tokantrano hampiasa ny toerana misy hambolena...
♦ Mitaky ny hanoloana ny rafitra hitondrana ny firenena, ny Antenimiera Ray aman-dreny Foko Malagasy, izay mikarakara fihaonambe eto Antananarivo, mandritra ny roa andro... ♦ Nandany ny volavolan-dalana natolotry ny Governemanta, ahafahana mameno ny efatra amin'ireo tolokevitra lehibe miisa 6, natolotry ny Vondrona iraisam-pirenena, ho an'ny asa ara-bola na GAFI, manova sy mameno ny andininy sasany amin'ny lalàna momba ny ady amin'ny famotsiam-bola sy ny famatsiana asa fampihorohoroana, ny Solombavam-bahoaka...
31 desambra 2023 — Ny Fianakaviana Masina — Fety — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Boky Jenezy (Jen. 15, 1-6; 21, 1-3)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana,
ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao,
ary ho lehibe indrindra ny valisoanao”.
Fa hoy ny navalin’i Abrahama:
“Andriamanitra Tompo ô,
inona no homenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka,
ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezara avy any Damasy”.
Ary hoy i Abrahama:
“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako
no ho mpandova ahy”.
Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao”.
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe:
“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao,
ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”;
ary hoy izy taminy:
“Ho tahaka izay ny taranakao”.
Ary nino ny Tompo i Abrahama,
ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany...
Namangy an’i Sarà ny Tompo,
araka ilay efa voalazany,
notanterahin’ny Tompo tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy.
Nanana anaka i Sarà
ka tera-dahy tamin’i Abrahama tamin’ny fahanterany,
nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy.
Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy,
naterak’i Sarà taminy dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 104
Derao ny Tompo, antsao ny Anarany;
lazao ny vahoaka ny asany ambony.
Hirao Izy, antsao:
vetsoy ny asany mahavariana.
Ireharehao ny Anarany masina,
ny fon’ny mpitady Azy miravoa,
katsaho ny Tompo sy ny heriny,
tadiavo lalandava ny Tavany.
Tsarovy ny asany mahatalanjona,
ny fahagagany, ny fitsaràn’ny vavany,
ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny,
teny nomeny taranaka arivo,
niantohany tamin’i Abrahama,
nianiànany tamin’i Isaaka.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (He 11, 8. 11-12. 17-19)
Ry kristianina havana,
ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany...
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty...
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahy tokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy,
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema,
mba hatolotra ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:
“Ny lahy voalohan-teraka rehetra
dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo”,
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa,
na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro, nisy Iehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema;
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany,
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely
ary tao aminy ny Fanahy Masina,
sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”.
Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitsodrano azy ireo i Simeôna
ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe:
“Indro, ity Zaza ity,
no voatendry ho fandavoana
sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra —
mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”
Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray,
dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera;
efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy,
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny Tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadiankanina sy fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra,
ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo
ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22. 39-40)
Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema,
mba hatolotra ny Tompo.
Ary nony tanterak’izy ireo
ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fanabeazana dia mahasahana ny fivelaran'ny maha-olona manontolo ny tsirairay ka mikendry ny mba hananany fahafahana sy fahaizana ary fahombiazana eo amin'ny ara-batana,ara-haitao sy teknika, ara-tsaina sy ara-panahy. Ny fanabeazana dia natao hampitàna : fahalalana sy fahaizana mba handrafetana ny ho avy, fa indrindra, fampitàna fomba fiaina sy fomba fisaina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco