♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Monseigneur Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin'ny fitantanana pastoraly ny Diôsezin'i Taolagnaro noho ny fahatrarany ny fetra-taona ary notendren'i Papa handimby azy i Mopera Luc Olivier Razafitsimialona, économe ao amin'ny Seminera zokiny Masindahy Joany Batista, vohitsoa Fianarantsoa... ♦ Nahatratra 6,2 miliara ariary ny vola nogiazan'ny sampan-draharaha misahana ny fandrakofana ny harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI... ♦ Haharitra 6 herinandro ny fanamboarana ny lalàna eny Ankadimbahoaka miazo ny fasan'ny Karàna ary Anosizato, nanomboka omaly ny asa fanamboarana, tanterahin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy...

♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin'i Tolagnaro. Notendren'ny Papa handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona... ♦ Amperin'asa nanomboka androany ny paikady hiatrehana ny asa hotanterahana amin'ny taona 2024 hatramin'ny taona 2028, ho an'ny Sampan-draharaha misahana ny fandrakofana ny harena azo tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na ny ARAI... ♦ Nanomboka andraony ny fanamboarana ny làlana eny amin'ny fasan'ny karana, ao Antananarivo Renivohitra...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 40, 1-5. 9-11)

Amboary ny lalan’ny Tompo.

Hoy ny Andriamanitrareo:

“Ampionony, ampionony ny vahoakako”.

Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema,
ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany,
voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.
Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an’efitra, ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika.
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra;
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny”.

Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao
izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy,
ianao izay mitondra ny vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema;
manandrata feo, fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’ny Jodà hoe:

“Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra, amin’ny heriny;
ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy?
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pi. 3, 8-14)

Manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika.

Ry hava-malala,
izao zavatra iray loha izao no aoka ho fantatrareo:
amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona,
ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany,
fa miandry anareo amim-pandeferana Izy,
mba tsy hisy very na dia iray aza,
fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ho avy toy ny mpangalatra ny andron’ny Tompo,
ary amin’izany andro izany,
ny lanitra hirimorimo mankarenina,
ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo,
ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao,
ho toy inona no tokony ho fahamasinan’ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,
amin’ny fiandrasana sy fanafainganana ny hiavian’ny andron’ny Tompo,
izay hahamay sy hahalevona ny lanitra,
ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra?
Eny, araka ny fampanantenany,
dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao isika,
izay hanjakan’ny fahamarinana.
Amin’ny fiandrasana izany,
dia ataovy izay tratry ny ainareo,
mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro
ary mihavana tsara,
no hahitan’ny Tompo anareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia, Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)

Ahitsio ny alehan’ny Tompo.

Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.
Araka izay voasoratra ao amin’i Izaia Mpaminany hoe:

“Indro Aho maniraka ny Anjeliko eo alohanao,
izay hamboatra ny lalanao;
injay misy feo miantso any an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo,
ahitsio ny alehany”,

dia niseho tany an’efitra i Joany Batista
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka.
Ary nandeha nanatona azy ny tany Jodea rehetra
sy ny mponina rehetra tao Jerosalema,
ka nataony batemy tamin’ny onin’i Jordany ireo,
rehefa niaiky ny fahotany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany,
fehikibo hoditra no nanaovany,
ary valala sy tantely remby no fihinany;
ary izao no notorìny:

“Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho,
ka tsy mendrika hiondrika,
hamaha ny fehikapany akory aho.
Izaho nanao batemy tamin’ny rano,
fa Izy kosa hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.

Ny famporisihana ny lahika hikatroka amin'ny politika dia nisongadina tao amin'ireo hafatra an-taratasy avy amin'ireo Eveka. Ohatra : 26 marsa 1972 "Ny Eglizy sy ny fivoarana eto Madagasikara" izay mandrisika ny lahika hiaro sy hampitombo hatrany ny soa iombonana sy ho fampivoarana ny tanindrazana. 2 desambra 1973 : "Ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena" izay manazava ny anjara andraikitry ny Eveka mikasika ny politikam-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny hafatry ny Eveka tamin'ny 27 jolay 1980 dia nanasongadinany ny fanjakan'ny baranahiny vokatry ny tsy fanajana ny zon'olombelona sy ny fitsipahana ny soatoavina ara-panahy. Hoy ny kardinaly : ny antson'Andriamanitra manokana ho an'ny lahika dia ny manabe voa ny Fanjakan'Andriamanitra eo amin'ny fandraharahana ny zavatr'izao tontolo izao ho araka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Ho filohan'ny FFKM indray ho an'ny taona 2024 ho avy io ny Pastora Dr Denis Rakotozafy. Anisan'ny asa miandry ireo mpitarika ny fanohizana ny fikatsaham-bahaolana manoloana ny toe-draharaha pôlitika eto amin'ny firenena... ♦ Voatazon'i Madagasikara ny kalitaon'ny Cacao tsara indrindra eran-tany. Namoaka ny lisitr'ireo firenena mitaàna ny famokarana kalitao tsara indrindra an'io vokatra io ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana izany... ♦ Mitaraina ireo mpiaro ny tontolo iainana fa henjehina mafy izy iero, noho ny fiarovany ny harena voajanahary. Mpisintona lakolosy momba ny fiarovana ny tontolo iainana miisa 3 no norahonana na nogadraina tao anatin'ny taona vitsy izao...

Mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary dia ilaina ny fanaovana jeri-todiky ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Ny tontolo iainana no miantoka ny fiainantsika olombelona. Ny tontolo iainana dia harena voajanahary : tany, rano, vato, olombelona, zava-maniry, biby an-tanety sy anaty rano... I Madagasikara dia manana harena voajanahary betsaka ara-tontolo iainana. Fototry ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana sy fandalinana natao, mba afahana mamaritra izay tokony hatao dia io ilay atao hoe politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana... 

♦ Mikaikaika amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ny maro amin'izao fotoana izao. Hampandeferina ireo karazana haitraitra amin'ny fandaniam-bola fa ny sakafo sy ny hofan-trano no laharam-pahamehana hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana... ♦ Mikasa ny hirotsaka ho fidiana ho ben'ny tanàna an'Antananarivo ny mpanolontsaina monisipaly Hilda Hasinjo Ravelonahiana. Fihemorana no hita ao Antananarivo renivohitra tao anatin'ny 4 taona hoy izy... ♦ Teratany vahina 10isa no voasambotra tany amin'ny reniranon'i Kamoro Maevatanàna noho ny fitrandrahana volamena an-tsokosoko. Mitohy ny fanadihadiana azy ireo, hahafantarana ny tena atidoha, hoy  ny Ministeran'ny Harena ankibon'ny tany...

♦ Velon-taraina amin'ny fidangan'ny vidim-piainana ankehitriny, ny olona nanaovan'ny RDB fanadihadiana. Tsy mahatody iray volana intsony ny karama raisina, hoy izy ireo, ka tsy maintsy mikaroka asa hafa hanampiana ny misy... ♦ Tsy mamaha ny olan'ny sôsialim-bahoaka, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjfa MCI, ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2024. Ambany avokoa ny tetibola natokana ho an'ireo departemanta misehatra amin'ny sôsialy... ♦ Tokony halalaka amin'ny fanendrena ireo minisitra handrafitra ny governemanta vaovao, ny Filoha voafidy, Andry Rajoelina, hoy ny antoko Freedom...

♦ Feno 75 taona omaly ny Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ary araka ny Làlan'ny Eglizy, dia efa nametraka ny taratasy fametraham-pialany izy... ♦ Soa ara-panahy hamelona antsika no andrandraina amin'ny taon-jobily, hoy ny hafatry ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-85 taonan'ny SASEM, ny sabotsy teo... ♦ Mila miomana sy mandamina ny trano ho amin'ny fahatongavan'ny Mpamonjy isika, hoy ny Papa François, tamin'ny vavaka Angélus...

9 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...