6 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)
5 desambra 2023 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 10, 21-24)
♦ Lany ho Filoham-pirenena hitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny 5 taona ho avy indray, Andriamatoa Rajoelina Andry, araka ny didy navoakan'ny HCC... ♦ Olona 10 hatramin'ny 15 isan-kerinandro no manao ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/SIDA, eny amin'ny Hôpitaly Befelatanana... ♦ Mbola nisy asan-dahalo nitranga tany amin'ny Distrikan'i Mandoto tamin'ity herinandro ity, na dia efa any an-toerana manao hetsika manokana aza ny mpitandro ny filaminana...
4 desambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11
♦ Ho hentitra anio ny fitandroana ny filaminana eny Ambohidahy, mandritra ny famoahan'ny HCC ny voka-pifidianana ôfisialy, tamin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Efa naneho ny tsy fankasitrahany izay voka-pifidianana ho avy eo, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena. Miantso fitoniana kosa etsy ankilany ireo Loholona maro an'isa eny Anosikely... ♦ Mbola tsy nampitovy hevitra ireo Solombavam-bahoka ny LFI 2024, izay lany tsy nasiam-panitsiana sy fanovana teny Tsimbazaza, omaly...
♦ Namoaka fanambarana milaza ny hitohizan'ny tolona efa natombony, mba hahatongavana any amin'ny fifidianana tena izy, ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena... ♦ Lany tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny LFI 2024... ♦ Tara adiny roa sy sasany ny fanombohan'ny fifidianana ny Biraon'ny Holafitry ny Infirmiera eto Madagasikara, ho an'Anjozorobe...
3 desambra 2023 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)
Ny tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fandresena ny SIDA, hatramin'ny taona 2030. I Madagasikara dia isan'ireo firenena nanaiky ny hiady amin'ny aretina VIH/SIDA, ary misy ireo dingana tratrarina hatramin'ny taona 2030. Ny daty ny 1 desambra dia andro iraisam-pirenena natokana hanamarihana ny ady amin'ny SIDA, Ankino amin'ny fiaraha-monina ny fitarihana ny ady amin'ny VIH/SIDA. Io andro io dia hanentanana ny olona momba ny ady amin'ny SIDA, fisintonana ny sain'ireo tompon'andraikitra mikasika ny dinga efa vita manoloana ny ady, fanohanana ireo olona efa mitondra ny tsimok'aretina sy fahatsiarovana ireo efa matin'ny aretina...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 63, 16b-17, 19b ; 64, 2b-7)
Ianao ry Tompo, no Rainay,
Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay.
Nahoana izahay, ry Tompo ô,
no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?
Miverena,
noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!
Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina,
dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Endrey raha midina Ianao
dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!
Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa,
manao toy izany, ho an’ny manantena azy,
afa-tsy Ianao.
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,
izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.
Fa izao,
tezitra Ianao, ary meloka izahay;
— sady efa ela no toy izany —:
hovonjena va izahay?
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;
ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto.
Malazo toy ny ravina avokoa izahay,
ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,
nifoha mba hifikitra aminao.
Fa nafeninao taminay ny Tavanao,
ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay.
Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao;
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
tanimanga izahay,
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
asan-tananao avokoa izahay rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19
Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena,
mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.
Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 3-9)
Ry kristianina havana,
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo,
noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy,
tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo,
dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,
dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo
amin’ny fahasoavana rehetra,
hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Eny, mahatoky Andriamanitra
izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Mitandrema, miambena, ary mivavaha,
fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana:
tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny,
ka nandao ny tranony,
ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy,
dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.
Koa miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano,
na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
fandrao tonga tampoka izy
ka tratrany matory ianareo.
Ary izao lazaiko aminareo izao,
dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
2 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 15-27)
Izaho Daniely, nitebiteby ny saiko tao anatiko,
ary nahatsiravina ahy ny fahitan’ny lohako.
Nanatona ilay anankiray tamin’ireo nitsangana teo aho,
dia nanontany azy izay mba marina tokoa ny momba izany rehetra izany,
ka niteny tamiko izy nilaza ny hevitr’izany:
“Ireo biby lehibe ireo, izay efatra no isany,
dia mpanjaka efatra hitsangana avy amin’ny tany;
nefa ireo Olo-masin’ny Avo indrindra no handray ny fanjakana
sy hahalasa ny fanjakana ho azy mandrakizay alaovalo.”
Tiako ho fantatra marina tamin’izay,
ny amin’ilay biby fahefatra, izay hafa noho izy rehetra,
mahatsiravina indrindra,
vy ny nifiny, varahina ny hohony,
nihinana sy nikepokepoka izy ary nohoseny tamin’ny tongony ny sisa tsy laniny;
sy ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany,
mbamin’ilay tandroka iray hafa nisandratra,
ka nisy telo no nitsingidina teo anoloany,
dia ilay tandroka nana-maso, nanam-bava nilaza zava-dehibe,
ary niseho ho lehibe noho ny namany.
Nijery aho ka indro niady tamin’ireo Olo-masina,
sy naharesy azy ireo ilay tandroka,
mandra-pahatongan’ilay Anti-dahy
izay nanomezana ny fitsarana an’ireo Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy nahatongavan’ny fotoana hahazoan’ireo Olo-masina ny fanjakana.
Izao no nolazainy tamiko:
“Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra hisy eto an-tany,
hafa noho ny fanjakana rehetra,
hihinana ny tany rehetra, ary hanosihosy azy, sy hanorotoro azy.
Ireo tandroka folo dia milaza mpanjaka folo hitsangana amin’izany fanjakana izany;
hisy iray koa hitsangana manarakaraka azy ireo;
ho hafa noho ireo talohany, ary hanongana mpanjaka telo.
Hanao teny manohitra ny Avo indrindra izy,
sady hampahory ny Olo-masin’ny Avo indrindra,
sy hamoron-kevitra hanova ny fotoana aman-dalàna,
ary hatolotra ho eo an-tanany ireo olo-masina
mandra-pahatapitry ny fetr’andro iray, sy fetr’andro roa,
ary ny antsasaky ny fetr’andro.
Ary hatao ny fitsarana,
ka hesorina aminy ny fizakana
mba handravana azy sy handevonana azy mandrakizay.
Ary ny fanjakana sy ny fahefana
amam-pahalehibeazan’ny fanjakana etý ambanin’ny lanitra rehetra,
homena ny vahoakan’ny Olo-masin’ny Avo indrindra;
fanjakana mandrakizay ny fanjakany,
ary hanompo azy sy hanoa azy ny fanjakana rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Dan. 3, 82 sy 83. 84 sy 85. 86 sy 87
Isaory ny Tompo, ry zanak’olombelona;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Aoka i Israely hidera ny Tompo,
aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpisoron’ny Tompo;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry mpanompon’ny Tompo;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay!
Isaory ny Tompo, ry fanahy amam-panahin’ny marina;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry Olo-masina sy ianareo manetry tena ao am-po;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo fandrao vesaran’ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana
ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo;
ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e!
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa
ny olona rehetra mitoetra eto ambonin’ny tany izany.
Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva
mba ho mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo,
ka hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
1 desambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco