♦ Nanatitra taratasy teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana androany, ny Ray aman-dreny ara-drazana mijoro. Nambaran'izy ireo fa nisy hosoka sy tsy fanarahan-dalàna maro tamin'iny fifidianana izay ho Filoham-pirenena lasa teo iny... ♦ Nodinihina tanatin'ny asam-baomiera teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny volavolan'ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024... ♦ Nitombo ny tahan'ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka sy mahery vaika any Faritra Atsimo-Atsinanana, tao aorian'ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai sy Emnati, hoy ny Governoran'ny Faritra...

30 nôvambra 2023 — Masindahy André, Apôstôly — Fety — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 6, 12-28)

Naniraka ny anjeliny Andriamanitra nanakombona ny vavan’ny liona.

Tamin’izany andro izany,
dia avy nirodorodo ny olona ka nahita an’i Daniely nivavaka
sy niantso an’Andriamanitra Tompony;
dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy
ny amin’ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe:

“Moa tsy nanoratra lalàna ianao
fa na zovy na zovy mivavaka amin’andriamanitra na amin’olombelona,
afa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka,
dia hatsipy ao an-davaky ny liona?”

Namaly ny mpanjaka nanao hoe:

“Marina tokoa izany,
araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovàna.”

Dia niteny indray izy ireo,
ka nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe:

“I Daniely anankiray amin’ireo babo avy amin’i Jodà anefa, ry mpanjaka,
namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao;
fa manao ny fivavahany intelo isan’andro.”

Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany;
raikitra tao am-pony ny hanafaka an’i Daniely,
ka mandra-pilentiky ny masoandro izy,
nitady hamonjy azy ihany.
Fa nirodorodo nankao amin’ny mpanjaka ireo olona ireo,
ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe:

“Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô,
fa lalàn’ny Meda sy ny Persa
ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra
efa navoaky ny mpanjaka.”

Tamin’izay ny mpanjaka nanome teny
hitondra an’i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona.
Niteny ny mpanjaka,
ka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie,
no hanafaka anao!”

Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka,
ka nasian’ny mpanjaka fitomboka tamin’ny fanombohan-kaseny
sy ny fanombohan-kasen’ireo andriantompomenakeliny,
mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniely.

Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany
tsy nitendry hanina mandritra ny alina,
tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy,
ary lasa lavitra azy ny torimaso.
Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro
dia niarina ny mpanjaka,
ka nidodododo nankany an-davaky ny liona.
Nony mby teo akaikin’ny lavaka izy,
niantso an’i Daniely tamin’ny feo malahelo,
ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ry Daniely mpanompon’Andriamanitra velona ô;
nahavonjy anao tamin’ny liona va
ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva?”

Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniely:

“Ry mpanjaka ô,
velona mandrakizay anie ianao!
Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny
ka nanakombona ny vavan’ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo,
satria hita fa tsy manan-tsiny eo anatrehany aho,
sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka o!”

Faly dia faly ny mpanjaka ny amin’i Daniely
ka nasainy nesorina tao an-davaka i Daniely.
Dia nesorina tao an-davaka i Daniely,
ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy,
satria nino ny Andriamanitra Tompony izy.
Fa nandidy kosa ny mpanjaka,
ka ireo olona nilaza ratsy an’i Daniely
dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy
mbamin’ny vady aman-janany.
Ka mbola tsy nipaka tamin’ny vodilavaka akory
dia noraisin’ny liona,
ary notapatapahiny ny taolany rehetra.

Tamin’izay i Dariosa mpanjaka
nanoratra ho any amin’ny foko amam-pirenena rehetra
mbamin’ny samihafa fiteny,
izay monina eto ambonin’ny tany nanao hoe:

“Hitombo fiadanana anie ianareo!
Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan’ny olona
eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniely eran’ny fanjakako rehetra,
fa Izy no Andriamanitra velona,
maharitra mandrakizay,
ny fanjakany tsy mba ho rava,
ary ny fifehezany tsy hanam-pahataperana.
Manafaka sy mamonjy Izy
ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra
sy etý an-tany.
Izy no nanafaka an’i Daniely tamin’ny hohon’ny liona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 68. 69. 70. 71. 72. 73. 74

Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Ry ando aman’erika:
isaory ny Tompo!
Ry rano sy havandra:
isaory ny Tompo!

Fanala sy zavona:
isaory ny Tompo!
Antoandro sy alina:
isaory ny Tompo!

Mazava sy maizina:
isaory ny Tompo!
Ry raho-mamiratra:
isaory ny Tompo

Ry tany tontolo:
isaory ny Tompo!
Tongava hihoby:
isaory ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)

Nohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema,
dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
ka amin’izany,
izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra,
izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany,
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
satria izany andro izany no ho andro famaizana
sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany,
fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany,
ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý:
haringana amin’ny lela sabatra izy,
sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra,
ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema
mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily.
Hisy famantarana koa
eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona
noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Mitaky tsy misy fepetra ny hamoahana ireo gadra pôlitika ary miantso ny hisian'ny fifampidinihana an-databatra boribory eo amin'ireo mpisehatra pôlitika ny Federasiônin'ny gadra pôlitika eto Madagasikara... ♦ Ho tratra ara-potoana ny fandinihan'ireo loholona ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2024, efa talohan'ny fanatanterahana ny fifidianana mantsy no efa tonga teny lapa maitso an'Anosikely io volavolan-dalàna io... ♦ Nanome toro-marika ny Ministry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola hampiato ny fanapahana karama ho an'ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny filoham-panjakana mpisolo toerana...

Misy ny zo fototra 10 ananan'ny zanaka, takian'ny ankizy amin'ny mpanabe, ny ray aman-dreny ary ny fiaraha-monina. Ao anatin'ny 16 andro hiadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny maha lahy sy maha vavy isika, nanomboka tamin'ny 25 nôvambra teo. Mpiray tsikombatomba ny olona mahita herisetra anefa tsy mitoroka. Santionany amin'ny zo ireto : Zo hanana ankohonana izay hoe ray sy  reny niteraka ary ara-dalana, zo hanana anarana raha vao teraka izay hoe hanana kôpia, zo hitafy mifanaraka amin'ny toetr'andro... 

♦Manana fito andro manomboka anio ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana hitsarana ireo antontataratasin'ady voarainy mahakasika ny zotram-pifidianana sy vokam-pifidianana taorian'ny fahataperan'ny fe-potoana nandraisana izany alina... ♦ Hamory ireo mpisehatra samihafa handraisana andraikitra ho an'ny firenena eny amin'ny Motel Anosy anio ny antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy... ♦ Hampahafantatra ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2024 eny amin'ny antenimieram-pirenena amin'ity anio ity ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Maniry ny hitohizan'ny fampiatoana ny fanafihana ataon'ny Israeliana 2 na 4 andro fanampiny ny mpitondra any Hamas...

♦ Hifarana afaka adiny efatra sy sasany ny fandraisan'ny HCC ny fitoriana momba ny zotram-pifidianana sy ny voka-pifidianana... ♦ Hankatoavina eny Tsimbazaza amin'ity herinandro ity ny volavolan-dàlana hifehy ny teti-bolam-panjakana ho an'ny taona 2024... ♦ Mifandona ny lalàna sy ny kolontsaina malagasy, manoloana ilay fikasihan-tànana mpianatra nataon'ny Talen-tsekoly iray teny Ivandry, hoy ny "Observatoire de la jeunesse"...

♦ Nomarihina ny 26 nôvambra 2023 ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Radio Fanasina Morondava... ♦ Notokanana omaly ny EKAR Masindahy Jacques Berthieu ao Toamasina... ♦ Nanasa ny rehetra hitondra am-bavaka ny diany any Dubaï ny Papa François...

29 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 5, 1-6. 13-14. 16-17. 23-28)

Nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra.

Tamin’izany andro izany,
nanao fanasana lehibe i Baltazara mpanjaka,
ho an’ireo tompo-menakeliny arivo lahy:
ary nisotro divay teo anatrehan’ireo arivo lahy izy.
Nentanin’ny divay i Baltazara,
dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain’i Nabokôdônôzôra rainy,
teny an-tempoly izay ao Jerosalema,
mba hisotroan’ny mpanjaka aman-tompo-menakely
mbamin’ireo vadiny sy vaditsindranony.
Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin’ny tranon’Andriamanitra,
izay ao Jerosalema,
dia nisotro tamin’izany ny mpanjaka,
ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony.
Nisotro divay izy ireo ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy,
varahina sy vy, ary vato aman-kazo.

Tamin’izay,
dia nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra
tandrifin’ny fanaovan-jiro maro rantsana,
teo amin’ny lalotra sokay amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka,
ary hitan’ny mpanjaka ny tendron’ny tanana nanoratra izany.
Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny,
nivahavaha ny famavanin’ny andilany, ary niady ny lohaliny.
Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniely.
Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin’i Daniely hoe:

“Ianao va no ilay Daniely,
isan’ny babo avy any Jodà,
nentin’ny mpanjaka raiko avy any Jodea?
Efa reko ny aminao,
fa hoe ao anatinao ny fanahin’ireo andriamanitra
sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina
sy fahendrena mahagaga.
Ary izaho efa nandre ny aminao
fa mahay milaza hevi-javatra,
sy mahavaly fanontaniana sarotra ianao;
koa raha mahavaky io soratra io ianao,
sy mahalaza amiko ny heviny dia hampitafìna jaky,
hasiana rojo volamena ny vozonao,
ary ho mpifehy fahatelo eto amin’ny fanjakako ianao.”

Dia niteny i Daniely,
ka nanao, teo anatrehan’ny mpanjaka, hoe:

“Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao
ary omeo ny hafa ny fanatitrao.
Fa ny voasoratra hovakìko amin’ny mpanjaka ihany,
ary ny heviny hampahalalaiko azy koa.
Nitsangan-kanohitra ny Tompon’ny lanitra ianao,
nentina teo anatrehanao ny kapoakan’ny tranony,
ary nisotro divay tamin’izany ianao sy ny tompo-menakelinao
mbamin’ny vadinao sy ny vaditsindranonao,
noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahina,
vy sy vato aman-kazo izay tsy mahita,
na mahare, na mahalala na inona na inona akory;
fa ilay Andriamanitra tompon’ny fofon’ainao
sy iankinan’ny lalanao indray no tsy nankalazainao!
Dia tamin’izany no nanirahana io tendron-tanana io
avy amin’ny Anarany sy nandaharana izay voasoratra ao.
Ary izao no soratra voalahatra:

‘Mene, Mené, Tekel, ary Parsin!’

Ka izao no hevitr’ireo teny ireo:
Mené (voaisa):
nisain’Andriamanitra ny fanjakanao dia notaperiny.
Tekel (voalanja):
nolanjaina tamin’ny mizàna ianao, ka hita fa maivana.
Parsin (voazara):
hozaraina ny fanjakanao,
ka homena ny Meda sy ny Persa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 62 sy 63. 64 sy 65. 66 sy 67

Derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Masoandro amam-bolana:
isaory ny Tompo!
Ry kintan’ny lanitra:
isaory ny Tompo!

Ry andro aman’orana:
isaory ny Tompo!
E rivo-mahery:
isaory ny Tompo!

Hain’andro sy afo:
isaory ny Tompo!
Fanala sy hatsiaka:
isaory ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Ho halan’ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Hosamborina ianareo, hoenjehina,
hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina,
ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana
noho ny Anarako.
Izany no ho tonga aminareo,
dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo
ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo,
sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza,
mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo
dia hanolotra anareo koa,
ka hovonoiny ny maro aminareo,
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;
nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

28 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

♦ Anio amin'ny sisasak'alina no hifarana ny fandraisan'ny HCC ireo fitoriana momba ireo tsy fahatomombanana samihafa nandritra ny fifidianana farany teo. Fitoriana miisa 9 no efa voarain'izy ireo hatramin'ny faran'ny herinandro teo... ♦Nanjakàn'ny kolikoly sy ny vola ny fifidianana ny 16 nôvambra teo, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar. Namoaka ny fahitany iny fifidianana iny izy ireo ny sabotsy teo, taorian'ny namoahan'ny Ceni ny vokatra vonjimaika... ♦ Raisin'ny Randrana Sendikaly h fampitahorana ny nampiakarana fitsaràna ny mpitarika azy ireo ny herinandro teo. Milaza ny tsy hampihemotra azy ireo amin'ny fitakiana ho amin'ny tombontsoan'ny mpiasa anefa iny zava-nitranga iny...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...