Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 12, 1-10)
Ry kristianina havana, mety ve ny mirehareha e?
Tsy mahasoa izany,
nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry
sy ny fanambaràna avy amin’ny Tompo.
Misy olona anankiray fantatro ao amin’i Kristy,
efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay,
nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo;
tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany:
Andriamanitra no mahalala.
Ary fantatro, fa io olona io, na tao amin’ny vatana izany,
na tsy tao amin’ny vatana, tsy fantatro,
Andriamanitra no mahalala,
dia nakarina tany am-Paradisa,
ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon’ny olombelona ambara;
ny amin’io olona io no hireharehako;
fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany.
Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik’adala,
fa ny marina ihany no holazaiko;
nefa hahatam-bava aho,
fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko,
na reny avy amiko.
Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho,
dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko,
dia anjelin’i Satana hamely tehamaina ahy,
mba tsy hireharehako.
Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo,
mba hanalany an’io amiko,
fa izao no navaliny ahy:
“Ampy ho anao ny fahasoavako,
sady amin’ny fahalemena indrindra no hiamparan’ny heriko.”
Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko,
mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko,
amin’ny fahafaham-baràka,
amin’ny fahaterena,
amin’ny fanenjehana,
amin’ny fahantrana,
noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 8-9. 10-11. 12-13.
Ny Anjely milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy!
Matahora ny Tompo ianareo masiny:
fa izay matahotra Azy tsy orin’inona.
Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana;
izay mitady ny Tompo, tsy orin-tsoa inona!
Avia, rey anaka, mihaino Ahy
hampianariko ny tahotra ny Tompo.
Iza no olona mankamamy fiainana
sy maniry hahita andro mahasambatra?
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 24-34)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tsy misy olona mahay manompo tompo roa,
fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany,
na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny.
Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Noho izany, izao no ataoko aminareo:
Aza manahy foana ny amin’ny ainareo,
dia izay hohaninareo na hosotroinareo,
na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo.
Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina,
ary ny tena noho ny fitafiana?
Jereo ny voro-manidina,
fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny,
fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy;
ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Ary iza aminareo, na dia manahy aza,
no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza?
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana?
Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha,
fa tsy mba miasa, na mamoly ireny;
kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza
dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha
izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso
tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana?
Noho izany aza manahy ianareo manao hoe:
Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay?
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 18. 21b-30)
Ry kristianina havana,
be no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho.
Izay sahin’ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa.
Hebrio va izy ireo? izaho koa;
Israelita va izy? izaho koa;
taranak’i Abrahama va izy? izaho koa;
mpandraharahan’i Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho,
eny mihoatra noho izy aho amin’izany,
dia amin’ny fisasarana manan-tombo,
amin’ny tranomaizina manan-tombo,
amin’ny kapoka manan-tombo lavitra,
amin’ny fahafatesana matetika.
Indimy aho, nokapohin’ny Jody inefapolo latsaka iray avy;
intelo nokapohina rotsa-kazo;
indray maka, notoraham-bato;
intelo, vaky sambo;
indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina.
Tany am-pivahiniana imbetsaka,
matetika no saiky nidiran-doza,
dia loza tamin’ny ony,
loza tamin’ny jiolahy,
loza tamin’ny iray firenena amiko,
loza tamin’ny jentily,
loza tao an-tanàna,
loza tany an’efitra,
loza tany amin’ny ranomasina,
loza tamin’ny rahalahy sandoka;
tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina,
tamin’ny fiaretan-tory matetika,
tamin’ny hanoanana aman-ketaheta,
tamin’ny fifadian-kanina matetika,
tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.
Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin’izany,
eo koa ny fiahiana isan’andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra.
Iza no malemy ka tsy malemy koa aho?
Zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho?
Raha mety ny mirehareha, dia ny amin’ny halemeko no hataoko rehareha.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 33, 4-5. 6-7
Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjìna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay
mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Aza mihary harena ho anareo ety an-tany
izay misy harafesina sy kalalao manimba,
ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra;
fa miharia harena ho anareo any an-danitra
izay tsy misy harafesina na kalalao manimba,
sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Ny maso no jiron’ny tena:
raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra;
fa raha ratsy kosa ny masonao,
dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra,
ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao,
fahamaizinana manao ahoana izany!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 1-11)
Ry kristianina havana,
enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo!
Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo.
Manana fahasaropiaron’Andriamanitra ny aminareo aho,
satria natolotro ho fofombadin’ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy,
mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy,
toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay,
na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo,
na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo,
dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.
Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo?
Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa,
araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra.
Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo,
ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo?
Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho,
mba hoentiko miasa aty aminareo.
Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza,
dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko.
Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo,
ary mbola hotandremako koa aza izany.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy,
marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaïa manontolo izany.
Nahoana àry?
Noho ny tsy fitiavako anareo ve?
Andriamanitra no mahalala.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana ny vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo,
fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Koa mivavaha toa izao ianareo:Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nankalazaina ny alahady 18 jona 2023 tao amin’ny Masera Notre-Dame du Cénacle - Amparibe, ny andro faha-57 maneran-tany ho an’ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Kristianina miisa 1138 no niroso tamin'ny Sakramentan’ny Fankaherezena tao amin'ny EKAR Distrika Betafo... ♦ Niverina nitarika ny vavaka Angélus, ny Papa François, ny alahady 18 jona 2023...
♦ Tontosa tamin'ny talata teo ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nankalaza ny faha-105 taona niorenan'ny sekoly ny tao amin'ny Lycée Masindahy Antoine Ankadifotsy, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny olomasina mpiaro azy ireo, ny talata teo... ♦ Hotontosaina ny 27 hatramin'ny 29 jona, ho avy izao, ny fiofanana izay fanaon'izy ireo isan-taona, no sady hankalazana ny faha-10 taona nisiany, dia ilay antsoina hoe "Formation à la Spiritualité Ignacienne", na ny FSI...
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-11)
Ry kristianina havana,
izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zava-drehetra ilainareo
no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany
araka ny voasoratra hoe:
“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”
Ilay manome ny mpamafy ny voa afafy sy ny hanin-ko haniny,
no hanome anareo koa ny voa afafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
dia hanan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo
sy hahafoy be amin-kitsim-po,
ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao,
ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa hataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany,
dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao
tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ary raha mivavaka ianareo,
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha hivavaka,
dia midira ao amin’ny efitranonao,
ka rahefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina,
dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 8, 1-9)
Ry kristianina havana, mampandre anareo izahay,
fa izao no fahasoavan’Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia.
Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy,
dia feno hafaliana izy ireo;
ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy,
dia nahafoy harena be tamin-katsaram-po izy.
Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany,
eny mihoatra noho izay zakany aza,
fa niangavy mafy taminay izy
mba hanana anjara amin’izany fanampiana ny olo-masina izany.
Koa sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin’ny Tompo aloha,
vao taminay koa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Izany no niangavianay an’i Tito
mba hanatanteraka izany fahasoavana izany aty aminareo,
noho izy efa hanomboka izany rahateo.
Aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra,
dia amin’ny finoana, amin’ny teny,
amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona,
ary amin’ny fitiavana anay,
no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity.
Tsy didy omeko anefa izany,
fa fanararaotako ny zotom-pon’ny sasany
hoenti-mitsapa ny hamarinan’ny fitiavanareo.
Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo,
mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 2. 5-6. 7. 8-9a.
Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr’i Jakôba;
sy mametraka ny tokiny amin’ny Andriamanitra Tompony.
Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka,
sy izay rehetra ao amin’ireny!
Ilay mitandrina mandrakariva ny fahamarinana,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo Mpiaro ny vahiny.
Tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy,
no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo:
Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin’izay mankahala anareo,
ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo,
dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy,
ary mandatsaka ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.
Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo,
inona no valisoa ho azonareo?
Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa?
Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo,
inona no mihoatra amin’ny ataonareo?
Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa?
Koa aoka ho lavorary ianareo
tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 6, 1-10)
Ry kristianina havana,
noho izahay mpiara-miasa amin’Andriamanitra,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana
ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy:
“Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho,
ary tamin’ny androm-pamonjena namonjy anao Aho”;
indro, ankehitriny ny fotoana tsara;
indro, ankehitriny ny androm-pamonjena
sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay,
mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay
araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra:
dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana,
amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana, amin’ny kapoka,
amin’ny tranomaizina, amin’ny tabataba, amin’ny fisasarana,
amin’ny fiaretan-tory, amin’ny fifadian-kanina;
ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy,
ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, tory teny marina,
ny herin’Andriamanitra, ny fiadian’ny fahamarinana,
na amin’ny ankavanana na amin’ny ankavia;
na omem-boninahitra na alam-baràka,
na ratsy laza na tsara laza;
honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina;
ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara;
sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona;
ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory;
ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva;
ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro;
ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo!
Mientàna, mihobia sy miantsà!
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho,
mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Efa renareo fa voalaza hoe:
Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 19, 2-6a)
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany amin’ny efitr’i Sinaia ny zanak’i Israely,
dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Môizy,
dia nantsoin’ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe:
“Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakôba
sy hambaranao amin’ny zanak’i Israely:
Hitanareo ny nataoko tamin’i Ejipta
sy ny nitondrako anareo tamin’ny ela-boromahery
ary ny nitarihako anareo ho aty amiko.
Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo
sy mitandrina ny fanekeko,
dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra,
satria Ahy ihany ny tany rehetra,
fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 99, 2. 3. 5.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.
Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin’ny taona rehetra ny fahamarinany!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 5, 6-11)
Ry kristianina havana,
fony mbola tsy nanankery isika,
dia maty tamin’ny fotoana voatendry i Kristy,
mba hamonjy ny ratsy fanahy.
Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina;
ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa.
Fa izao kosa no nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika:
fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy;
koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin’ny Rany izao,
dia tsy maintsy afany amin’ny hatezerana mihitsy.
Satria raha fony mbola fahavalo aza isika
nampihavanina tamin’Andriamanitra noho ny nahafatesan’ny Zanany,
mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy
noho ny fahavelomany tokoa.
Tsy izany ihany koa,
fa isika dia mifaly amin’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo:
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be
nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy,
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera,
dia Andre rahalahiny,
Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny,
Filipo sy Bartelemy,
Tômà sy Matio ilay poblikanina,
Jakôba zanak’i Alfe sy Tade,
Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay hirahin’i Jesoa
rehefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
‘Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra’.
Sitrano ny marary,
atsangano ny maty,
diovy ny boka,
roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...
Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diôsezy io. Notendren’i Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diôsezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava ankehitriny sady Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.
♦ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny katesizy ho an’ny fianakaviana sy ny fanatsarana ny fomba fampitana hafatra ny tombana nataon’ny pretra mpanolotra fandaharana eto amin’ny Radio Don Bosco ny talata 6 jona 2023... ♦ Miato hatramin'ny 18 jona 2023 ny asan'ny Papa François, noho ny antony ara-pahasalamana... ♦ Manentana ny mpino hivavaka ho an’ny famongorona ny fampijaliana, ny Papa François amin’ity volana jona ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco