♦ Voafaritra ny paikady ho fanatsarana ny fifandraisana ho an'ny ivon-toerana tantanan'ny Saleziana Don Bosco, momba ny fampianarana sy ny fanofanana araka'asa ho an'ny tanora... ♦ Miroso mankany amin'ny taona fotsy ankehitriny ny fahanginan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nakaton'ny SECES ny vavahadiben'ny Oniversiten'Antananarivo androany... ♦ Mangataka fihaonana amin'ny Kômity mpikarakara ny lalaon'ny Nosy ny Taxi-Moto, manoloana ny fanesorana ny toeram-piantsonana misy azy ireo...

♦ Tanora mafana fo, vontom-pinoana, mitory ny Evanjely: io no hafatra napetrak'i Mgr Désiré Kardinaly Tsarahazana, Arsevekan'i Toamasina, nandritra ny Eokaristia Masina fanirahana ireo tanora, namaranana ny JMJ faha-3 ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nifarana ny alahady lasa teo ny fankalazana ny ivon'ny faha-50 taonan'ny Vondrom-bavaka Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, natao tany amin'ny Diôsezin'i Mahajanga. Tao anatin'izany ihany koa no nanatontosana ny Fihaonambe Nasiônaly faha-15 sy ny fankalazana ny faha-10 taona nisian'ny "Croisade" sampana tanora eo anivon'ity Vondrom-bavaka ity...

♦ Voafidy ho sekretera nasiônalin'ny antoko PSD ny mpitarika ny Mihava Tour Siteny Randrianasoloniaiko. Miantso azy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena ny sekretera nasiônaly teo aloha Eliana Beazaza... ♦ Olona 7 isa no maty, 20 mahery no naratra izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin'ny lalam-pirenena faharoa (RN2), omaly tolokandro tao Marovoalavo Beforona, Distrikan'i Moramanga... ♦ Baolina kitra, norombahan'ny ekipa voafantin'Antananarivo ny amboaran'ny filohan'ny Repoblika tamin'ity taona 2023 ity. Resin'izy ireo tamin'ny isa 01 noho 00 ny ekipa voafantin'i Toamasina, omaly...

♦ Namarana ny fitsidihana nataon'ny SADCOPAC na ny biraon'ny kômity mopitantana avy eo anivon'ny SADEC, teto Madagasikara,omaly ny fihaonana tamin'ny mpanao gazety... ♦ Hitondra tombontsoa ho an'ny mpandraharaha sy ny firenena Malagasy ny handraisantsika anjara amin'ilay hetsika "Agrivest" sy ny tsenabe ara-toekarena sy ara-barotra atao any Israely... ♦ Mangataka fihaonana mivantana amin'n filoham-pirenena ny sendikàn'ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Sampana Antananarivo... ♦ Manetsika ny miaramilany any amin'ny manodidina an'i Taiwan indray, androany, ry zareo sinoa, taorian'ny fandalovan'ny filoha lefitra Taiwanais LAI CHING tany Etazonia...

Ny 99% amin'ny olona dia misy tandra avokoa, ary ny faritra rehetra amin'ny hoditra dia mety hisy azy daholo. Ny tandra dia tasy amin'ny hoditra izay mety ho : miloko mainty na manga na volontsokola, mivohitra, malama, maniry miaraka amin'ny volo. Ny mahatonga ny tandra dia fivangongon'ny sela "mélanocyte" manome loko ny hoditra. Ny tandra dia misy karazany roa : ireo nentina hatrany ambohoka "hamatra", ireo azo mandritra ny fitombona. Antony mampisy azy : toetr'andro mafana, fikorontanan'ny tsirimpanentana. Raha misy fiovana ny hendriky ny tandra dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo hoditra : mety mihoatra ny 20, mihova ny hendriky ny sisiny na ny lokony, mitombo ny habeany...

Ny fanaintainana vokatry ny goty dia tsy tanty ; azo tsaboina ny goty izay mifototra amin'ny fanalana fanaintainana sy fampidinana ny tahan'ny "acide urique" ao amin'ny vatan'ilay marary. Ny mpitsabo ihany no afaka mamaritra ny tena aretina mahazo ny olona iray, ilaina ny fitandremana amin'ny sakafo. Samihafa ny goty sy ny arthrose, ity farany dia manaitaina isaky ny manetsika ny vanin-taolana : lohalika, valahana, laton-tanana ; ankoatra io dia ny fahararian'ny lalan-dra madinika mamelona ny fo...

♦ Nohatsaraina sy navaozina tanteraka ny seranam-piaramanidin'i Toliary ka lasa seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, ary notokanan'ny filoham-pirenena omaly... ♦ Ny renivohitr'i Toliary indray no nandray ny afon'ny lalaon'ny nosy omaly hariva, amin'ny 23 aogositra kosa izany no ho tonga eto Antananarivo... ♦ Niantso ny vahoaka sy ny mpanao politika hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra ny Vikera jeneraly ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina, nandritra ny lamesa fanokafana ny JMJ Diôsezy andiany fahatelo... ♦ Mandeha avokoa ny ezaka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena hamahana ny olana misy any Niger, taorian'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 26 jolay teo...

♦ Fotodrafitrasa fito no hotokanana na hatomboky ny Filohan'ny Repoblika any atsimo. Natombony tamin'ny fitokanana ny Lalam-pirenena faha-9 izany androany... ♦ Niantso ny vahoaka sy ny mpanao pôlitika hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra, ny Vikera Jeneralin'ny Diôsezin'i Toamasina, nandritra ny Lamesa fanokafana ny JMJ Diôsezy, andiany faha-3 tany Foulpointe... ♦ Natomboka androany ny atrikasa fakan-kevitra, hamolavolana ny pôlitikam-pirenena momba ny tontolon'ny asa lavitry ny loza sy ny aretina, eto Madagasikara...

♦ Tanora manodidina ny 2216 no miatrika ny JMJ andiany faha-3, tanterahan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina, nanomboka andraony hatramin'ny alahady 20 aogositra 2023... ♦ Fotoana fanamasinana ireo pretra sy diakra ny volana aogositra, nanatanteraka izany tamin'ny talata 15 aogositra 2023, ny tao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Diakra 6 mirahalahy ary pretra roa... ♦ Nanamarika ny 15 aogositra 2023, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiaraha-mifaly tamin'ireo Masera Filles de Marie de Saint Denis de la Réunion...

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 11, 29-39a)

Hatolotra ho sorona amin’Andriamanitra izay mivoaka ny trano voalohany indrindra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’ny Tompo ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy,
ary tonga hatrany Masfà, any Galaada:
ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.
Nivoady tamin’ny Tompo i Jefte nanao hoe:

“Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna,
dia ho an’ny Tompo ary atolotro ho sorona dorana
izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy,
rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho.”

Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte,
ary natolotry ny Tompo teo an-tanany ireny,
ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo,
sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo.
Dia voaetry teo anoloan’ny zanak’i Israely ny taranak’i Amôna.

Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte,
ka intý ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy,
nitondra amponga tapaka sy nandihy.
Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy,
tsy nisy lahy na vavy hafa.
Vao nahita azy i Jefte dia nandrovitra ny fitafiany, ka nanao hoe:

“Adray, anaka,
mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy,
fa efa niloa-bava tamin’ny Tompo aho,
ka tsy afa-mifody intsony.”

Dia hoy izy taminy:

“Dada ô, efa niloa-bava tamin’ny Tompo ianao,
ka ataovy amiko izay naloaky ny vavanao,
satria efa novalian’ny Tompo ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao.”

Ary hoy izy tamin-drainy:

“Itý no mba soa ataovy amiko:
Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana:
dia handeha ho any an-tendrombohitra,
ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin’ireo namako.”

Hoy ny navaliny azy:

“Ndeha àry.”

Dia navelany handeha roa volana izy.
Ka nandeha niaraka tamin’ny namany,
nitomany ny fahavirjiniany tany an-tendrombohitra izy.
Nony tapitra ny roa volana,
dia niverina tany amin-drainy izy,
ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 5. 7-8a. 8b-9. 10

Intý aho tamy, Tompo, hanao ny sitrakao.

Sambatra ny olona
manao ny Tompo ho tokiny,
tsy miherika
amin’ny rendrarendra sy ankosotra!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana.
Ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny Boky
ny momba ahy.
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko.
Eny, ato anatin’ny foko ny Lalànao.

Torìko ao am-piangonam-be
ny Fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo,
tsy akomboko ny molotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Antsoy ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray
nanao itý fanoharana itý hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:
Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy,
ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo.
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony;
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy nandoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:
Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana,
ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.
Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.
Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:
Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto,
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?
Fa sina ilay olona;
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:
Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidìna.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

24 aogositra 2023 — Masindahy Batelemy, Apôstôly — Fankalazana — Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 45-51)

23 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...