29 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
28 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
27 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)
26 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
25 jolay 2023 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 20-28)
24 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)
23 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)
♦ Haverina rahampitso amin'ny 7ora sy 30min maraina ny taranja tantara sy jeografia amin'ny fanadinana Bakalôrea araka ny fanapahan-kevitra nandritra ny filan-kevitry ny ministra. Manana safidy malalaka ny mpiadina na hamerina izany na tsia. Hisy ny naoty fanampiny omena ny mpiadina rehetra amin'ny sokajy A1, A2, C sy D amin'ny adina tantara sy jeografia... ♦ Nodimandry omaly maraina ny Aomonie nasiônalin'ny Fivondronan'ny Eokaristikan'ny Tanora sy ny AFAFI eto Madagasikara, Mompera Andrianarisoa Odon Honoré... ♦ Hidina andalam-be ny RMDM hanohitra ny ambaran'izy ireo fa fisian'ny vahiny mitondra an'i Madagasikara, nanoloana ny resaky ny Filoham-pirenena momba ny zom-pireneny ny alahady teo...
♦ Nikorontana ny fizotry ny fanadinam-panjakana Bakalôrea, nanerana ny nosy androany tolakandro. Nihemotra ny adina Tantara sy Jeôgrafia, satria nosoloina ny laza adina efa vonona, noho ny ahiahy amin'ny fisiana "fuite de sujet"... ♦ Hidina an-dalambe ny RMDM, hanohitra ny fisian'ny vahiny mitondra ny firenena, manoloana ny resaky ny Filoha ny alahady teo, momba ny fanekeny fizakana zom-pirenena frantsay... ♦ Latsaky ny 77%, ny tahan'ny fahantrana eto Madagasikara ankehitriny, raha ny kajikajin'ny INSTAT. Vinavinaina ho 4% kosa, hoy ny avy amin'io Ivontoerana io, ny fisondrotry ny harin-karena faobe, amin'ity taona 2023 ity...
♦ Raha tsy misy ny fiovana dia rahampitso no hamoahan'ny CENI, ny rejistry ny fifidianana nasiônaly ka ho fantatra aorian'izay ny vokatry ny AUDIT nataon'ny tompon'andriakitra niaraka tamin'ny OIF... ♦ Amporisihina ireo mpandraharaha Japôney mba hampiasa vola eto Madagasikara ary hiara-hanangana ny antenimieran'ny varotra, iraisana amin'ny mpandraharaha Malagasy, mba hampivelatra bebe kokoa hatrany ny fiaraha-miasan'ny roa tonta. Andro faharoa amin'ny fikaonan-doha ny anio... ♦ Kendrena ho matihanina sy mendrika ary ho kanto tokoa ny seho ara-kolon-tsaina hatao amin'ny lanonam-panokafana ny lalaon'ny nosy ka tonga eto amintsika ireo tera-tany Sinoa matihanina, hanampy amin'izany...
Boky Eksaody (Eks. 24, 3-8)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga i Môizy nitantara tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra,
ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe:
“Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.”
Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo.
Dia nifoha maraina koa izy,
nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra
sy nanangana tsangambato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy,
ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany,
ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena
ary novakìny teo anatrehan’ny vahoaka izay namaly hoe:
“Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo.”
Dia nalain’i Môizy ny ra,
nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe:
“Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo
momba izany teny rehetra izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara!
Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe:
“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:
‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’
‘Ny fahavaloko no nanao izany‘, hoy ny navaliny.
‘Tianao va ny handehananay hiava azy?‘ hoy ireo mpanompony taminy.
‘Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana;
ary angony ho any an-tsompitra ny vary’.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)
Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto tamin’i Môizy nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro,
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.
Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.
Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro fahafito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga ianao.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 18, 8. 9. 10. 11
Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.
Maha-te haniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco