5 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)
4 jona 2023 — Alahady, Ny Trinite Masina — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)
♦ Hotanterahana anio, eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana ny Fetim-pirenena... ♦ Andrasana anio, ny fampakarana fampanoavana an'i Nambinina Raherimampianina, izay voasambotra nandritra ny hetsika notarihan'i Doris Rakoto Samuel teny Analakely, ny alarobia teo... ♦ Mbola manamafy ny ahiahiny amin'ny mety hisian'ny krizy eto amin'ny firenena, ny antoko UNDD...
♦ Mbola voatazona eny amin'ny Zandary i Nambinina Raherimampianina, tao aorian'ny nisamborana azy. Naneho ny heviny ny Vovonana Gasy Leo, misy azy... ♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny krizy goavana eto amin'ny firenena indray, ny antoko UNDD, manoloana ny savorovoro misy amin'izao. Pitik'afo mety hiteraka krizy ny toe-draharaha pôlitika, hoy ny antoko... ♦ Mitaraina ireo mpianatry ny CNTEMAD Antananarivo, noho ny fomba fitsarana ny taratasim-panadinana sy ny fanomezana ny naotin'ny mpiadina. Nanao hetsika fanairana teny Behoririka izy ireo androany, manoloana izany olana izany...
Bokin’i Tôbia (Tôb. 12, 1. 5-15. 20)
Tamin’izany andro izany,
niantso an-janany hankeo aminy i Tôbia ka nanao taminy hoe:
“Inona no homentsika ity lehilahy masina
nanaraka anao tany amin’ny dianao?”
Dia nantsoin’i Tôbia mianaka izy,
nentiny nitokana ka niangaviany mba hankasitraka ny handray
ny antsasak’izay rehetra nentiny.
Tamin’izay ity Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo
nanao taminy hoe:
“Misaora an’Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy,
eo anatrehan’ny manana aina rehetra,
noho ny famindram-pony nataony taminareo.
Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka,
fa mendrika hoderaina kosa ny manambara
sy mampiely ny asan’Andriamanitra.
Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara,
ary ny fiantrana dia saro-bidy noho ny volamena aman-drakitra.
Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana,
ary izy no manala ny fahotana,
ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay.
Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa
no fahavalon’ny tenany.
Indro àry hasehoko anareo ny marina,
ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo.
Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty,
raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro,
ary nandevina azy nony alina,
izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo.
Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra,
dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao.
Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao,
sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony.
Izaho no Rafaela, Anjely,
anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo.
Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’izay naniraka ahy,
fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra,
aelezo ny asany mahagaga rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo Tôb. 13, 2. 6. 7. 8
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny Fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra.
Ary tsy misy olona
izay afaka amin’ny tanany!
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!
Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny Fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’ity firene-mpanota:
Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 38-44)
Tamin’izany andro izany,
izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany:
“Mahìna amin’ny mpanora-dalàna,
izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba,
sy ny arahabaina eny an-kianja,
ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga,
mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana.
Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny,
kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena,
ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”
Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa,
dia nijery ny fandatsaky ny olona tao,
ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be.
Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa,
ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy.
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe:
“Lazaiko marina aminareo
fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra
tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra;
satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany,
fa izy kosa nandatsaka izay ilainy,
dia izay rehetra nananany sy ivelomany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Efa eo am-pamolavolana ny drafitra nasiônaly ho an'ny fitsinjaram-pahefana ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, taorian'ny fankatoavana ny antotan-taratasy nasiônaly momba ny fitsinjaram-pahefana miabo... ♦ Olona miisa 1.400.000 no nahazo kara-panondrom-pirenena sy soram-piankohonana, nandritra ny hetsika faobe nanaovana izany manerana ny nosy... ♦ Tsy ekena ny famotehana ny tanora malagasy ka miara-miasa amin'ny Ministeran'ny Tanora ireo Ministera maromaro sy fikambanana maro, amin'ny ezaka atao tsy hiparitahan'ny Rôrô. Efa mihena ankehitriny ny fiparitahan'ity zava-mahadomelina ity... ♦ Niantso ny fanampian'ny tafika ny tompon'andraikitry ny Faritra Nouvelle-Ecosse noho ny firongatry ny doro ala...
Bokin’i Tôbia (Tôb. 11, 5-17)
Tamin’izany andro izany nandeha isan’andro nipetraka teo amoron-dalana i Annà,
tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo.
Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy
dia indry izy tazany tamy mbola lavitra,
ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka
nilaza tamin’ny lahy nanao hoe:
“Indry tamy ny zanakao.”
I Tôbia izany, dia nilazan-dRafaela hoe:
“Rahefa tonga any an-trano ianao,
ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin’izay dia misaora Azy,
vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy;
ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony,
satria fantatro fa hisokatra eo no ho eo ny masony
ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao,
sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.”
Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana,
nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao,
nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra.
Dia nitsangana ity ray jamba, ka rafitra nihazakazaka,
fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy
handeha hitsena an-janany.
Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy,
ary toraka izany koa no nataon’ny vadiny,
dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady.
Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo dia nipetraka.
Niaraka tamin’izay, nalain’i Tôbia ny aferon-kazandrano,
ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy.
Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy,
dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody
nanomboka niala avy ao amin’ny masony.
Noraisin’i Tôbia izany,
nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy,
dia nahiratra niaraka tamin’izay izy.
Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo
dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy.
Hoy i Tôbia:
“Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely,
fa nofaizinao aho dia nositraninao indray;
ary indro mahita an’i Tôbia zanako aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 2. 7. 8-9a. 9bd-10
Izaho midera ny Tompo,
raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro,
raha mbola misy koa!
Ilay manome rariny
ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo nampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa nampiviona kosa ny olon-dratsy;
Tompo manjaka mandrakizay,
ny Andriamanitrao, ry Siôna.
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 35-37)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly
dia niteny nanao hoe:
“Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna
fa i Kristy dia zanak’i Davida?
Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe:
‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe:
mipetraha eo ankavanako Ianao
mandra-panaoko ny fahavalonao
ho fitoeran-tongotrao.’
Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy,
ahoana no maha-zanany Azy?”
Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Tôbia (Tôb. 6, 10-11a ; 7, 1. 9-17 ; 8, 4-10)
Tamin’izany andro izany, dia hoy i Tôbia tamin’ny anjely:
“Aiza no tianao hialantsika sasatra?”
Ary hoy ny anjely namaly azy:
“Eto misy lehilahy anankiray atao hoe Ragoela,
iray foko amam-pianakaviana aminao,
manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.”
Dia niditra tao amin-dRagoela izy ireo,
ka noraisiny tamin-kafaliana.
Nony avy niresaka teo izy ireo,
nampamono ondralahy iray i Ragoela
sy nampanamboatra sakafo lehibe
dia nanainga azy ireo hipetraka hisakafo.
Fa hoy i Tôbia:
“Tsy hihinana na hisotro eto aho anio,
raha tsy ekenao aloha ny fangatahako,
ka omenao toky aho fa homenao ho vadiko i Sarà zanakavavinao.”
Nivadika ny fon-dRagoela nandre izany teny izany,
satria fantany ny nanjò azy fito lahy vadin’io, izay nanatona azy,
ka raiki-panahiana sahady izy,
fandrao dia hidiran-doza toy izany koa ity.
Mbola tao anatin’izany fisalasalana izany izy,
ka mbola tsy namaly ny fangatahan’i Tôbia,
no hoy ity anjely taminy:
“Aza matahotra ny hanome ny zanakao vavy
ho vadin’ity tovolahy ity,
fa tsy maintsy ho anjara vadin’io matahotra an’Andriamanitra io izy,
ka izany no tsy nahazoan’ny hafa rehetra nanana azy.”
Dia hoy i Ragoela tamin’izay:
“Tsy misalasala aho,
fa efa noraisin’Andriamanitra teo anatrehany ny vavaka aman-dranomasoko;
ary mino aho fa Izy no naniraka anareo ho atý amiko,
mba hanambadian’ny zanako vavy ny havany araka ny lalàn’i Môizy.
Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy.”
Dia nalainy ny tanana havanan’ny zanany vavy
nataony teo amin’ny tanana havanan’i Tôbia ka hoy izy:
“Homba anareo anie ny Andriamanitr’i Abrahama,
ny Andriamanitr’i Isaaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba,
hanakambana anareo anie Izy,
ary hampidina ny tso-dranony feno aminareo.”
Rahefa izany, naka taratasy izy,
dia nosoratany ny fanambadian’izy ireo.
Vita izany, vao nandroso nanao fihinanam-be
tamim-pisaorana an’Andriamanitra izy ireo.
Avy eo i Tôbia kosa namporisika an-drazazavavy nanao taminy hoe:
“Mitsangàna, ry Sarà,
aoka hivavaka amin’Andriamanitra isika anio
sy ampitso ary rahafakampitso;
Andriamanitra no hiraisantsika mandritra ireo andro telo ireo;
rahefa afaka ny alina fahatelo
dia ho velona ao amin’ny fanambadiantsika isika.
Fa zanaky ny olo-masina,
ka tsy mahazo miray araka ny fanaon’ireo firenena
tsy mahalala an’Andriamanitra.”
Dia nitsangana izy ireo ka niara-nivavaka tamin-kafanam-po
mba hanomezany azy ny fahasalamana.
Hoy i Tôbia:
“Ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
hisaotra Anao anie ny tany aman-danitra,
ny ranomasina, ny loharano sy ny ony,
mbamin’ny zava-boaary rehetra ao aminy.
Ianao no nanao an’i Adama, tamin’ny fota-tany,
sy nanome an’i Eva ho vadiny.
Ary ankehitriny, ry Tompo,
fantatrao fa tsy mba ny hanarana ny filàn’ny nofoko
no angalako an’ity zanakavavin’i Israely ity ho vadiko,
fa noho ny faniriako te-hamela taranaka
izay hidera ny Anaranao amin’ny taona rehetra ihany.”
Ary hoy i Sarà:
“Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay,
enga anie ho tratra antitra ho salama tsy marofy izahay roroa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny Lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao;
ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao!
Ny zanakao: solofon’oliva
manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra iainanao!
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy;
ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa
sy nanontany Azy hoe:
“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”
Ary i Jesoa namaly azy hoe:
“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia ity:
Mihainoa, ry Israely: ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra,
sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.
Izany no didy voalohany.
Ary ity no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”
Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy:
“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra,
ary amin’ny hery rehetra ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra
sy ny fanatitra hafa rehetra.”
Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:
“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”
Ary hatramin’izay,
dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Malalaka ny fanaovana pôlitika sy ny famoriam-bahoaka saingy tsy maintsy misy ny fepetra arahina mba hitandroana ny fandriam-pahalemana hoy ny Ministry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Tsy nisy intsony ny tomban'ezaka momba ny pôlitikam-pirenena teto Madagasikara, taorian'ny nidiran'ny valan'aretina Covid-19 teto amin'ny nosy... ♦ Niisa 8 ireo raharaha voatery namoahana tsy fahafahana mivoaka an'i Madagasikara na ny "IST", araka ny tatitra navoakan'ny PAC omaly... ♦ Hihaona anio ireo Ministry ny raharaham-bahiny avy amin'ny vondrona BRICS, izay ahitana ireo firenena miisa 5 : Brésil, Rosia, Inde, Chine ary Afrika-atsimo...
♦ Nitana ny teny nomeny, ka nidina teny amin'ny Kianja 13 mey androany, Rakoto Samuel Doris, vadin'i Malama. Afaka nody izy raha voasambotra kosa ny mpiara-dia aminy iray... ♦ Niisa valo irao raharaha namoahana tsy fahazoan-dalana mivoaka an'i Madagasikara na IST, araka ny tatitra nataon'ny PAC androany... ♦ Olona iray isaky ny 4 segondra no maty, vokatry ny fifohana sigara, maneran-tany. Mbola antony voalohany mahafaty ny fifohana sigara, saingy azo sorohana izany...
Bokin’i Tôbia (Tôb. 3, 1-11. 24-25)
Velon-tsento i Tôbia ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe:
“Marina Ianao, ry Tompo,
marina avokoa ny fitsaranao,
antra sy hitsiny aman-drariny ny lalànao rehetra.
Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho,
aza valianao ny ratsy nataoko,
ary aza tsiahivinao ao amin’ny fahatsiarovanao ny fahotako sy ny an’ny razako.
Fa tsy nankatò ny didinao izahay,
ka natolotra ho amin’ny fandrobana,
ho amin’ny fahababoana, ho amin’ny fahafatesana
sy ho amin’ny fihomehezana ary ho amin’ny fandatsana
eo amin’ny firenena rehetra nanelezanao anay.
Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao,
satria tsy nitandrina ny didinao tamin’ny nataonay izahay,
sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao.
Koa amin’izao, ry Tompo ô,
ataovy izay sitra-ponao amiko,
ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko
fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona.”
Tamin’izay andro izay ihany koa,
tany Ekbatàna, tanànan’ny Meda,
dia nandre, ny fanebahan’ny iray amin’ny ankizivavin-drainy azy,
i Sarà zanakavavin-dRagoela.
Fa lehilahy fito no samy efa namoahana azy ho vadiny
nefa nisy demony anankiray atao hoe i Asmôdea namono an’ireo,
raha vao handeha taminy izy.
Ka raha niteny an’ilay ankizivavy iny izy,
noho izay hadisoany anankiray izay,
dia izao no navalin’io azy:
“Aza ahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany ianao na oviana na oviana,
ry ilay mpamono vadinao;
tadiavinao hovonoina aho
toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao.”
Raha nandre izany teny izany i Sarà
dia niakatra tany an’efitranon’ny tranony ambony rihana,
ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro;
fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin’Andriamanitra tamin-dranomaso
mba hanafaka azy amin’izany fahafaham-baràka izany.
Indray nekena teo anatrehan’ny voninahitr’ilay Andriamanitra ambony indrindra
ireo fitalahoana roa ireo.
Ny Anjely masin’ny Tompo, i Rafaela,
no voairaka hanasitrana an’i Tôbia sy i Sarà,
fa ny vavak’izy ireo dia indray notononina teo anatrehan’ny Tompo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 24, 2-4a. 4b-5ab. 6-7. 8-9
Ianao, ry Andriamanitro, no ifefeko:
tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko!
Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra;
ny mpivadika tsy amin’antony no ho azon-kenatra.
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy;
ny soritrao, ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo;
ny baikonao mazava, manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 18-27)
Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina
izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
izao no nosoratan’i Môizy ho antsika:
Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny,
dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy.
Ary nisy olona fito mirahalahy,
ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba.
Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy;
toraka izany koa ny fahatelo.
Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa.
Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy.
Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo,
iza no ho vadin-dravehivavy,
fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Moa tsy diso hevitra va ianareo
noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina
sy ny fahefan’Andriamanitra?
Fa rahefa tafatsangana ny maty,
dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty,
moa tsy mbola novakìnareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy,
amin’ilay misy ny voaroy,
izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama,
Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?’
Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.
Koa diso lehibe loatra ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Tôbia (Tôb. 2, 10-23)
Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony i Tôbia,
ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny,
dia niretaka teo ambody rindrina; ka nosintonin-tory.
Mbola natory teo izy no nisy tain-tsidintsidina mbola mafana nilatsaka avy any amin’ny akaniny,
teo amin’ny masony roa ka tonga jamba izy.
Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany,
mba ho atao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany,
toy ny an’i Jôba lehilahy masina.
Fa satria hatramin’ny fahazazany, no natahorany an’Andriamanitra,
sy nitandremany ny didiny mandrakariva,
dia tsy mba nanana alahelo tamin’Andriamanitra izy,
tamin’izany azon-doza tonga jamba izany;
fa naharitra tsy azo nohozongozonina tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra izy,
nisaotra Azy isan’andro nandritra ny andro niainany.
Toy ny nanebahan’ireo loham-pirenena an’i Jôba, lehilahy sambatra,
no nanarabian’ireo havana aman-tsakaizan’i Tôbia ny fitondran-tenany,
nataony hoe:
“Fa zary inona ity fanantenanao,
tamin’ny nanaovanao fiantrana sy nandevenanao ny maty?”
Nanarin’i Tôbia izy ireo, nataony hoe:
“Aza miteny toy izany fa zanaky ny olo-masina isika,
ka ilay fiainana tsy maintsy homen’Andriamanitra
an’izay tsy mitsoaka na oviana na oviana amin’ny firaiketam-po aminy
no antenaintsika.”
I Annà vadiny nandeha isan’andro, nanenon-damba,
ary izay mety ho azony, tamin’ny asan-tanany dia nentiny niverina hiveloman’izy ireo.
Toy izany no sendra nandraisan-dravehivavy zanak’osy,
ka nentiny tao an-trano.
Nony nandre ny fibarareok’ilay zanak’osy ny lahy, dia nanao hoe:
“Jereo, fandrao zanak’osy nangalarina izany,
ka avereno amin’ny tompony,
fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin’ny halatra isika,
na dia mikasikasika izany akory aza.”
Izay, dia novalian’ny vavy an-katezerana hoe:
“Miharihary fa foana tokoa ny fanantenanao;
izany no vokatry ny fiantranao?”
Izany sy ny toy izany no teny fikizahany azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 7bd-8. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Ny fony mitombina matoky ny Tompo;
ny fony tsy matahotra fa mandry fehizay,
ny masony mibandrina ny rafilahiny.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra,
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia,
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 13-17)
Tamin’izany andro izany,
naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa
mba hamandrika Azy amin’ny teniny,
ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona,
satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao,
fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina.
Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara:
handoa izahay sa tsy handoa?”
Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy?
Itondray denie iray Aho hozahako.”
Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy:
“Sarin’iza, sy anaran’iza io?”
— Hoy iretsy hoe:
“An’i Sezara.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara,
ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”
Dia nigagan’izy ireo Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco