♦ Hatomboka amin'ny fananganan-tsaina hiarahan'ny rehetra, sy ny firedonana ny hiram-pirenena, eny anoloan'ny lapan'ny tanàna Analakely rahampitso, ny fanamarihana ny faha-63 taona niverenan'ny fahaleovan-tena... ♦ Misy zavatra manjavozavo iniana apetraka anatin'ilay Fifanarahana momba ny fitsipi-pitondran-tenan'ny mpanao politika, izay nataon'ny FES sy ny fiaraha-monim-pirenena, dia ny fivoizana fifanarahana ara-politika hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Freedom, ka antony tsy nanaovany sonia izany... ♦ Fitaovana iray hanangonana ireo fampitam-baovao momba ny fitantanana sy ny ady amin'ny kolikoly ny SIIGAC. Arindra sy ampifanarahina ny asa ataon'ireo rafitra miady amin'ny kolikoly, miainga amin'ity fitaovana ity...
Fanombohan’ny Bokin’i Tôbia (Tôb. 1, 1a. 2 ; 2, 1-9)
I Tôbia dia avy amin’ny fokon’i Neftali
sy amin’ny tanànan’i Neftali anankiray.
Lasan-ko babo izy, tamin’ny andron’i Salmanazara, mpanjakan’ny Asirianina,
nefa na tany am-pahababoana tany aza izy,
dia tsy mba niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana.
Taty aorian’izany, tonga ny anankiray amin’ny fetin’ny Tompo,
ary nanomanana sakafo lehibe tao an-tranon’i Tôbia,
ka hoy izy tamin’ilay zanany:
“Mandehana ary mitondrà mankaty olona vitsivitsy iray foko amintsika,
izay matahotra an’Andriamanitra,
hiara-misakafo amintsika.”
Dia lasa ilay zanany;
nony niverina izy, dia nilaza taminy fa misy zanak’i Israely anankiray,
novonoin’olona,
ka mitsitra foana ao an-dalambe ao.
Nitsangana niaraka tamin’izay i Tôbia,
niala tamin’ny latabatra, navelany teo ny sakafo,
tsy nihinana izy na dia kely aza;
nony tonga tany amin’ilay faty izy,
nalainy io, dia nentiny nafenina tao an-tranony,
haleviny amim-pahamalinana, rahefa maty ny masoandro.
Avy nanafina io izy vao nisakafo, tamin-kovitra aman-dranomaso,
fa tsaroany ilay tenin’ny Tompo
nolazainy tamin’ny vavan’i Amôsa mpaminany hoe:
“Hanjary fitolokoana amam-pisaonana ny andro fetinareo.”
Nony maty ny masoandro, dia nivoaka handevina ilay faty izy.
Nanome tsiny azy avokoa anefa ny olona manodidina azy, nanao hoe:
“Efa nodidiana hovonoina ho faty ianao noho izany ihany,
ary vao afaka tamin’izany fanamelohana ho faty izany ianao,
dia manomboka mandevina ny maty indray!”
Andriamanitra anefa no natahoran’i Tôbia noho ny mpanjaka,
ka nalainy ihany ny fatin’ireo novonoina,
nafeniny tao an-tranony, dia naleviny nony alina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6.
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
Ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe:
“Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka,
ka namefy azy manodidina,
nandavaka tany hanaovana famiazana,
nanorina tilikambo tao,
ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka,
dia lasa nankany an-tany hafa.
Nony tonga ny fotoana,
dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy
mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka:
fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo,
ka sady nokapohiny no nampodìny maina.
Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy,
fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.
Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny;
ary nisy maro hafa koa,
fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.
Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy,
ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy:‘Hanaja ny zanako izy.’
Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe:
‘Inty ny mpandova; andeha hovonointsika izy,
dia ho lasantsika ny lova.’Dia nosamboriny izy ka novonoiny,
ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany?
Ho avy izy ka ny mpiasa haringany,
ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’”
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo,
satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany,
saingy natahotra ny vahoaka izy;
koa nandao Azy, dia lasa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 34, 4b-6. 8-9)
Tamin’izany andro izany, dia nifoha maraina koa i Môizy,
niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian’ny Tompo azy;
nentiny teny an-tanany ny takelaka vato roa.
Dia nidina tao anatin’ny rahona ny Tompo ka niara-nijanona taminy teo,
sy nanonona ny anarana hoe: Iaveh! Tompo!
Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe:
“Izaho no Iaveh Tompo,
Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana”.
Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy,
dia niankohoka, nanao hoe:
“Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo,
aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo,
fa vahoaka mafy hatoka ity.
Avelao ny heloka amam-pahotanay,
ary raiso ho lovanao izahay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56.
Isaorana ny Tompo Andriamanitry ny razanay:
Ny Anaranao masina be voninahitra:
Ianao ao an-Tempolinao masina:
Ianao eo ampiketraham-piandrianana
Isaorana Ianao mahatsinjo ny hantsana:
Isaorana Ianao eo ambony kerobima:
Ianao eny amin’ny habakabaky ny lanitra:
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 13, 11-13)
Ry kristianina havana,
mifalia,
miezaha ho lavorary,
mifanalà alahelo,
miraisa hevitra,
mihavàna tsara,
dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana.
Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny olomasina rehetra.
Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo,
sy ny fitiavan’Andriamanitra,
ary ny firaisana ao amin’ny Fanahy Masina!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina,
Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’i Nikôdema hoe:
“Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao:
nomeny ny Zanany tokana,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara izao tontolo izao,
fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina:
fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'i Etazonia sy i Madagasikara ny hetsika "One Country, One Day" izay notanterahina omaly... ♦ Mpianatra miisa 68.000 no niatrika ny CEPE Katôlika, omaly tany amin'ireo diôsezy rehetra manerana ny nosy... ♦ Mankalaza ny herinandro eran-tany ho an'ny fanabeazana i Madagasikara nanomboka omaly, hatramin'ny 2 jona izao... ♦ Manohy ny fitsidihana ataony any Afrika ny Ministra Rosiana misahana ny raharaaham-bahiny Sergeui Lavrov. Tany Burundi izy omaly...
♦ Mpiadina 6 alina mahery avy amin'ny Sekoly Katôlika manerana ny Diôsezy rehetra eto Madagasikara, no niatrika ny CEPE Katôlika, androany... ♦ Mikaon-doha mandritra ny roa andro ety Ivato, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny OMS ary ireo ray aman-dreny ara-drazana to-teny, mikaroka ny fomba handresena lahatra ny ray aman-dreny, hanao vakisiny ny zanany... ♦ Tsy mandray anjara amin'ny fitsirihana ny rafi-baiko sy ny lisitry ny ho mpifidy, miainga amin'ny antso nataon'ny CENI, ny Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an'ny Firenena na ny HFKF...
♦ Hifarana tanteraka rahampitso ny fampidirana ny anaran'ny mpifidy anaty lisi-pifidianana. Mbola manana fotoana ireo tsy voasoratra anaty lisitra, ahafahany mifidy amin'ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Manamafy ny paik'ady iadiana amin'ny fiparitahan'ny didim-pitsarana hosoka, ny Minisiteran'ny Fitsarana. Misy ny fametrahana ny antsoina hoe : "Standard de service" ho an'ireo manan-draharaha eny amin'ny Fitsarana... ♦ Hiakatra kianja voalohany ny Ekipam-pirenena malagasy amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany eo amin'ny Basket 3 contre 3. Lalao roa avy hatrany no hatrehan'ny Ankoay any Vienne Autriche...
♦ Miantso fifampidinihana an-databatra boribory iarahana mitady vahaolana amin'ny olana samihafa misy ankehitriny amin'ny raharaham-pirenena ny eo anivon'ny FFKM. Namoaka hafatra ho an'ny pantekôty izy ireo... ♦ Andro vitsy mialohan'ny hikatonan'ny fisoratana anarana amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, malaindaina manoratra anarana ireo olom-pirenena tsy mbola nahavita izany ho an'ny fokontany sasany ao an-drenivohitra... ♦ Nanao tatitra tamin'ny solombavambahoaka ny Ministry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana. Maro ny tetik'asa tanterahan'ny Ministera tantanany hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy...
♦ Notanterahana omaly ny sonia ny fanamboarana ny foibe famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny riandrano vao Volobe. Hamaly ny filan'ireo olona maherin'ny 2 tapitrisa ny tetik'asa... ♦ Nanentana ny olom-pirenena hanefa ny anjara adidiny amin'izao vanim-potoana mialohan'ny fifidianana izao ny filohan'ny antenimieran-doholona. Nitsidika biraom-pokontany tao amin'ny boriborin-tany faha-IV ao Antananarivo renivohitra Andriamatoa Razafimahefa Herimanana omaly... ♦ Natomboka omaly tamin'ny alalan'ny atrik'asa ny andiany faha-enina amin'ny fandaharan'asa PLAE. Tantsaha 150.000 no hisitraka tombontsoa amin'ireo tetik'asa avy amin'ny Faritra miisa 05, iasany...
♦ Manentana ny olom-pirenena hanefa ny anjara adidiny, amin'izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ka nitsidika biraom-pokotany tao amin'ny Boriboritany faha-4, izy sy ireo mpiara-miasa aminy androany... ♦ Niverina ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est), na ny fitaterana entana, na ny fitaterana olona. Nitokana izany androany ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Tsy misy olana ara-tsolika, fa noho ny fanatsarana ireo fitaovana fitsinjarana herinaratra ato anatin'ny Tabazotra Iraisan'Antananarivo no mahatonga ny fatapahan'ny herinaratra misy amin'izao fotoana izao, hoy ny Talen'ny Kabinetran'ny Minisiteran'ny Angovo sy ny Akoranafo...
♦ Ankalazaina ny 27 mey 2023, ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie, Jean Marie Vianney, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, iombonan'ny Arsidiôsezy Atsinanana... ♦ Nanatanteraka fiofanana tao anatin'ny telo andro tao Befotaka, ireo Kômity mpanatanteraka, Diôsezin'Ambanja MDMK-CVX... ♦ Nitombo iray indray ny isan'ny fiangonana iandraiketan'ny fikambanan'ny Pretra Karma any amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
3 jona 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 27-33)
2 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco