♦ "Malagasy miray hina. Madagasikara mandroso", izay no lohahevitra hanamarihana ny faha-63 taona niverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena, amin'ity taona ity... ♦ Tokony hifototra bebe kokoa amin'ny fambolena sy ny fiompiana ny toe-karena eto Madagasikara, hoy ny mpahay toe-karena, mpampianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, Rakoto David... ♦ Velon-taraina amin'ny fiparitahan'ny andiam-balala any aminy, ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'i Betafo, Faritra Vakinankaratra. Efa nampahafanatra ny zava-misy aty amin'ny Minisitera Foibe, ny Solombavam-bahoaka...

Ny mofo dia mifono hevitra tena mafonja. Sady manambara ireo filan'ny olombelona izy, no manambara ihany koa ny famonjen'Andriamanitra. I Maria dia sady maneho no mahafantatra ireo filan'ny olombelona ireo. Avy amin'ny alalany, dia tonga eto anivon'izao tontolo izao i Jesoa, zanany, hany famonjena ho antsika. I Jesoa miaraka amin'i Maria no ilay mofa zaraina tsy miato mba ho fahasambaran'ny rehetra sy ny tsirairay. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro voalohany.

♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny faran'ny herinandro teo ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Tsy misisika amin'ny fametrahana ny tetezamita ny filohan'ny HVM. Ny Zava-misy manodidina ny fiainam-pirenena no manosika ho amin'izany hoy izy... ♦ Tsy azo ovaina intsony ny zotra andehanan'ny teleferika ao an-drenivohitra. Vonona hanazava ny tetik'asa amin'ny mpitantana ny Sekolintsika ao Analamahintsy ny Ministera tompon'andraikitra... ♦ Mahomby ny fametrahana ny tetik'asa Madagasikarantsika ao amin'ny Faritr'i Vakinakaratra. Fianakaviana vondron'olona ifotony 300 mahery ao Ampotaka no misitraka fidiram-bola vaovao amin'ny fametrahana ny valan-javaboahary amin'ny velaran-tany 100 Ha mahery...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)

Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka izy ireo.

Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1. 4. 7-8a

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo, any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
hany ataoko Anao, ry Tompo:
ny honina an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako,
mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo
sy hibanjina ny toerany masina.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 4, 13-16)

Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy.

Ry hava-malala,
mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy,
mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana
amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy,
fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana,
dia ny Fanahin’Andriamanitra.
Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona,
na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona;
fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany,
dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy,
fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza,
noho izany anarana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo,
fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)

Ray ô, omeo voninahitra ny Zanakao.

Tamin’izany andro izany:
i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe:

“Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao,
mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao,
fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy,
mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy.
Ary izao no fiainana mandrakizay,
dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao.
Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany,
fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko.
Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô,
ny manome voninahitra Ahy eo aminao,
dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao.
Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho;
Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy.
Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy;
satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny;
dia fantany marina fa avy aminao Aho,
ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy.
Mangataka ho azy ireo Aho.
Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho,
fa ho an’izay nomenao Ahy,
satria Anao izy ireo
(fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra),
ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho.
Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho;
izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao,
fa Izaho kosa ho any aminao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tsy mankasitraka ny hisian'ny tetezamita eto amin'ny firenena indray ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka. Fanapotehana ny firenena izany araka ny nambarany... ♦ Mila mametraka safidy pôlitika mazava amin'ny fampandrosoana ny harena an-kibon'ny tany mba ahafahana mitrandraka araka ny tokony ho izy ny harenantsika ny mpitondra hoy ny mpahay toe-karena sady mpampianatra mpikaroka eny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo Rakoto David... ♦ Hitsidika ny Diôsezin'i Farafangana amin'ny herinandro ho avy izao ny Nonce Apostolique eto Madagasikara, Mgr Thomasz Gryse. Mipetrapetraka ny fandaminana samihafa handraisana azy...

♦ Feno 51 taona androany ny hetsi-bahoaka namoizana ain'olona am-polony tamin'ny 13 mey 1972. Hametraka fehezam-bonikazo eny amin'ny Lapan'ny tanàna Analakely anio ny fikambanan'ireo mpitari-tolona tamin'izany... ♦ Lany nasiam-panitsiana teny amin'ny antenimieram-pirenena omaly hariva ilay volavolan-dalana manova ny fahezan-dalàna mihefy ny harena an-kibon'ny tany. Solombavambahoaka 35 no nandany ity volavolan-dalàna ity... ♦ Tsy mankasitraka ny hametrahana ny pylone ho an'ny teleferika manakaiky ny sekoly sy ny handalovan'izany eo ambon'ny sekoly ny mpitantana sy ny mpandraharaha ary ny raiamandrenin'ny mpianatra ao amin'ny sekolintsika eny Analamahitsy ao Antananarivo renivohitra...

♦ Vola hatrany amin'ny 945 tapitrisa sy 10 miliara Ariary no efa nogiazan'ny Sampandraharaha misahana fangiazana ireo harena azo tamin'ny tsy rariny. Tontosa teny amin'ny 67Ha androany, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa niaraka tamin'ny PAC... ♦ Tsy mankasitraka ny hametrahana ny pylone an'ny télépherique manakaiky ny sekoly sy ny handalovan'izany eo ambonin'ny sekoly, ny mpitantana sy mpandrahraha ary ny mpianatra eny amin'ny Sekolintsika Analamahitsy...

♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

♦ Efa eo am-pandinihana ny hamenoany ny anjarany ao anatin'ny “Basket Fund”, hamatsiana ny fifidianana eto Madagasikara, ny Vondrona Eorôpena, hoy ny Masoivohony... ♦ Tsy marina ny fisian'ny singa hafa amin'ny hena miainga eny Ampasika, araka ny fanamarihana nentin'ireo tompon'andraikitra nidina ifotony teny an-toerana... ♦ Omena sehatra amin'ny FIM, ny vokatry ny orinasa malagasy sy ny fitadiavana lalam-barotra sy mpiara-miombona antoka, eo amin'ny sehatry ny fandraharahana...

20 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)

19 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

18 mey 2023 — Alakamisy, I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Taona A — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...