Ny "kapobava" dia avy amin'ny voambolana roa "kapoka" miampy "vava". Ny "kapobava" dia isan'ny mahafeno ny fepetraha maha literatiora sy lahabolana satria hay famoronana niainga tamin'ny lahabolana fanao tao amin'ny Faritra Analanjirofo izy io. Lahatsoratra miendrika tononkalo ny kapobava, mitsikera, manatsikafona ny tsy fahamendrehana ara-pitondran-tena, fiteny, fihetsika, fanao mivaona amin'ny fitsipiky ny fiaraha-monina. Poeta, antsoina hoe Jacques Ulrick no loharano nipoiran'izy ity.
Ny "kapobava" dia avy amin'ny voambolana roa "kapoka" miampy "vava". Ny "kapobava" dia tsy fanalambaraka olona akory fa kosa fitondrana fanitsiana ny tsy mety nataon'ny olona iray, mety manitsaka ny lalan'ny fiaraha-monina. Lahatsoratra miendrika tononkalo ny kapobava, mitsikera, manatsikafona ny tsy fahamendrehana ara-pitondran-tena, fiteny, fihetsika, fanao mivaona amin'ny fitsipiky ny fiaraha-monina. Poeta, antsoina hoe Jacques Ulrick no loharano nipoiran'izy ity.
Ny anaran-java-maniry dia misy dikany mifandroy amin'ny sehatra roa lehibe dia ny hampiasana azy sy ny ahitana azy. Ny fampiasana azy ireny dia matetika amin'ny fomba mahamalagasy, kiraina ho fitaovana ary ampiasaina ho fanafody. Ny amin'ny fomba ohatra : borona fanasana fery amin'ny hasoavan-jaza, ny ahibita hidiovana rehefa avy nolalovan'ny fahoriana. Tamin'ny andron'ny Ntaolo tsy nisy ny toeram-pivarotana na fanodinana fanafody fa ny zava-maniry no nampiasaina toy ny talapetra...
♦ Natomboka ny faran'ny herinandro teo ny fanamboarana ilay fantsona famatsiana rano ho an'ny amin'ny Faritra Androy miala any Efaho. Hahatratra 97 kma ny halavany, hamatsy rano 15 tapitrisa metatra tora-telo isan-taona... ♦ Manahy ny tsy haha-voatazona ny fameram-bidy farany ambany ny lavanila ho 75000 Ariary ireo tantsaha ao anatin'ny Sahanala, taorian'ny famahàna olana tany Sava. Hihaona amin'ny Praiministra izy ireo, manoloana izany... ♦ Nomarihana ny sabotsy teo ny andro eran-tany ho an'ny tany. Hetsi-panentanana nanairana ny rehetra teny Analakely no nentin'ny fianakaviambe Fransiskàna nanamarihana izany... ♦ Mampody ireo terataniny monina sy miasa any Soudan ireo firenena eropeana, manoloana ny ady any an-toerana...
♦ Manolo-kevitra amin'ny tokony hanatsarana ny lalàna mifehy ny fitsarana Avo na HCJ ny Kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana ny antoko Malagasy Miara-Miainga manoloana ny sakana nahazo azy ireo tany Fandriana... ♦ Mikatso eny anivon'ny tahirim-bolam-panjakana ny volan'ny ankamaroan'ny Kaominina ankehitriny... ♦ Vaovao avy any Ivelany : Efa maherin'ny 400 olona ireo maty tao anatin'ny herinandro vokatry ny ady any Soudan...
♦ Tokony hijoro ho môdely eto amin'ny firenena ary iala amin'ny fifampiantsiana ireo mpanao pôlitika eto Madagasikara hoy ny "Justice et Paix"... ♦ Manampy amin'ny fanabeazana ny ankizy ny Tetik'asa Ankizy Krismasy na ny "TAK" hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Tetik'asa teto Madagasikara... ♦ Mbola misy ireo olom-pirenena tsy mahafantatra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana...
♦ Tsy nisy olom-panjakna ambony na iray aza, notsaraina teo anivon'ny HCJ, tao anatin'ny 5 taona. Naneho ny alahelony manoloana izany, ny Filohan'ny kômity miaro ny fahitsiana na ny CSI, androany... ♦ Miatrika ny Fivoriambe isan-taona, eto Antananarivo, ny "Justice et Paix" eto Madagasikara. Anisan'ny voaresaka sy dinihina amin'izany ny famakafakana ny zava-misy ara-piaraha-monina sy nanaovana tatitra ny tranga niseho isan-diôsezy... ♦ Misy ilay tetik'asa OTOH, hanomezan'ny fitondram-panjakana zara-tany maimaimpoana, ho an'ny sokajin'olona tsy manana fahafahana hividy tany sy hanorina trano...
29 aprily 2023 — Sabotsy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)
28 aprily 2023 — Zoma, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)
27 aprily 2023 — Alakamisy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 44-52)
26 aprily 2023 — Alarobia, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 35-40)
♦ Handray anjara amin'ny fivoriana an-tampon'ny COMESA amin'ity taona ity ny delegasiôna Malagasy tarihan'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fihaonana hatao atsy Lusaka Zambie ny 08 jona 2023 ho avy izao... ♦ Heverina hisokatra amin'ny volana jolay izao ny Bankin'ny Paositra eto Madagasikara. Ireo biraon'ny Paositra 250 manerana ny nosy no hotrandrahana saingy ny birao amin'ny tanàn-dehibe miisa 28 no hisantarana izany... ♦ Tratra ny fanamby napetraka tamin'ilay tetik'asa "Tontolo Voajanahary Lovain-jafy amin'ny ilany antsinanan'i Madagasikara" amin'ny fahafahan'ny tantsaha miatrika ny fiovan'ny toetr'andro tamin'ny taona 2022. Tetik'asa madinika 174 isa no natao nandritra izany hoy ny tompon'andraikitra...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco