♦ Nifarana alina ny fivoriana ara-pototanan'ny andriam-panjakàna mpanao lalàna. Nanambara ny filohan'ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine nandritra ny lahateniny fa tsy avy amin'ny solombavambahoaka no tsy nahatanteraka ny fametraham-panontaniana tamin'ny govermanta... ♦ Tsy hanao sonia ilay fifanarahana ho an'ny fitondran-tenan'ny mpanao pôlitka novolavolain'ny FES ny antoko Humaniste Ecologiste... ♦ Tsy tokony hidiran'ny fitondram-panjakàna ny fanomezana ny fahazoan-dalana hanangona sy hanondrana lavanila hoy ny mpandraharaha iray avy any Antalaha Faritra Savà, Nassir Julien...

♦ Nandamoka ny fanonganana an'ireo mpikamban'ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena miisa telo. Tsy nahatratra ny fetr'isa roa ampaha-telon'ny solombavambahoaka, ahafahana manongana azy ireo no nanaiky izany nandritra ny latsa-bato alina... ♦ Diso fanantenanana noho ny tsy fisian'ny fifanatrehana mivantana teo amin'ny solombavambahoaka sy ny mpikamban'ny governemanta ny solombavambahoaka sasany... ♦ Marihana anio ny andro eran-tany ho an'ny kaoperativa. Nolanian'ny antenimiera roa tonta, mpanao lalàna ny volavolan-dalàna momba ny Orinasa Kaooperativa, izay hitondra fanavaozana lehibe ho an'ny kaoperativa eto Madagasikara...

♦ Niato nandritra ny fito ora ny fivoriana teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany. Heverina fa ho tanteraka anio alina ihany ny fanakatonana ny fivoriana ara-potoana voalohany... ♦ Voafidy ho mpikambana handrafitra ny HCEDED, Filankevitra ambony miaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna, solontena avy amin'ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa Zafilaza... ♦ Kendrena hiakatra hatrany amin'ny 30% ny vola ampidirin'ny indostria ao amin'ny arin-karena faobe eto Madagasikara, any amin'ny taona 2040, amin'ny alalan'ilay fifanarahana ara-indostria eo amin'ny fanjakana sy ny tsy miankina...

♦ Noraisina tao amin'ny Katedraly Kristy Mpanjaka Miarinarivo, tamin'ny alahady 25 jona 2023, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, izay notendren'ny Papa François, ho “Administrateur Apostolique” ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Hafatra feno fampaherezana no nentin'ireo ray aman-drenim-piangonana rehetra, nandritra ny fankalazana ny faha-27 taona niorenan'ny Radio Don Bosco, tamin'ny talata 27 jona 2023...

♦ Namoaka fehin-kevitra amin'ny hananganana Kômitin'ny Fanavotam-pirenena ny RMDM, izay namory ireo antoko ivelan'ny fitondrana ankehitriny... ♦ Namoaka fehin-kevitra ho fanarenam-pirenena amin'ny alalan'ny “Cellule de crise” koa ny SECES Sampana Antananarivo... ♦ Tsy nahazo fankatoavana ka natsahatra tamin'ny asany, ireo mpitari-dia teo aloha, eny amin'ny Rovan'i Madagasikara...

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 19, 15-29)

Nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy ny afo.

Tamin’izany andro izany nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe:

“Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto,
fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.”

Mbola nitaredretra anefa izy,
dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy,
fa tian’ny Tompo ny hiaro azy,
dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely:

“Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao,
ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka;
mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.”

Hoy i Lôta tamin’izy ireo:

“Tsia, Tompoko,
efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao,
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao,
tamin’ny namelomanao ny aiko;
nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho,
fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana ka ho faty.
Jereo fa misy tanàna akaiky ialofako itsy, sady tanàna kely foana,
ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io,
dia ho velona aho.”

Dia hoy izy taminy:

“Eny àry,
ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna io.
Fa mandehàna faingana àry handositra ao
fa tsy afa-manao na inona inona aho,
raha tsy efa tonga ao ianao.”

Izany no anaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.
Tamin’izay dia nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy afo
avy any amin’ny Tompo any an-danitra,
ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra,
sy ny mponina rehetra teo amin’ny tany.
Niherika ny vadin’i Lôta ka zary andry, sira.

Nifoha marainakoa i Abrahama
dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’ny Tompo.
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy,
ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka,
ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana Izy,
nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 25, 2-3. 9-10. 11-12

Ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no anoloan’ny masoko.

Diniho aho, ry Tompo, tsikilovy;
sedrao ny saiko sy ny foko!
Ny hatsaram-ponao no anoloan’ny masoko;
ny fahamarinanao no izorako.

Aza aharo amin’ny mpanota ny fanahiko,
na amin’ny olon-tia ra ny aiko.
Ny tanany ilany mivimbina sampy;
ny ilany feno kolikoly.

Fa izaho madio fiaina.
Koa avoty, ry Tompo, iantrao!
Fa miara-mamindra amin’ny olo-marina aho,
ary misaotra ny Tompo ao am-piangonana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo;
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)

Niarina Izy nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany.
Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina,
ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory.
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe:

“Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?”

Dia niarina Izy,
nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ary gaga ny olona, ka nanao hoe:

“Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 18, 16-33)

Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa ve ny marina?

Nitsangana handeha ireo lehilahy namangy an’i Abrahama tao Mambre,
dia nitodika nankany Sôdôma;
i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

Ary hoy ny Tompo:

“Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko?
I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery,
sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana
mba hanaraka ny lalàn’ny Tompo amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny;
ka hanatanterahan’ny Tompo amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy.”

Dia hoy ny Tompo:

“Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra,
ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany
araka ny fitarainana tonga hatratý amiko,
ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.”

Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma;
fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo ihany.
Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe:

“Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina?
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoina koa va ireny?
Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo,
raha misy izany tokoa ao?
Sanatria Anao izay hanao izany,
ka hamono ny marina miaraka amin’ny olo-meloka.
Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka!
Sanatria Anao izany.
Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?”

Hoy ny Tompo:

“Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanànan’i Sôdôma Aho,
dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.”

Fa hoy indray i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.
Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina;
ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy?”

Hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho,
raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.”

Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama ka nanao hoe:

“Angamba ho efapolo ny olo-marina ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho,
noho ny fitiavako azy efapolo ireo.”

Ary hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo,
raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.”

Hoy i Abrahama:

“Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho,
angamba roapolo izy no ho hita ao.”

Ary hoy Izy:

“Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.”

Hoy i Abrahama:

“Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo,
fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho:
Angamba folo izy no hita ao.”

Dia hoy Izy:

“Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.”

Lasa nandeha ny Tompo nony tapi-niteny tamin’i Abrahama,
ary i Abrahama kosa dia nody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 10-11

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava ny ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.

Tsy araka ny otantsika no ataony antsika:
na araka ny helotsika no avaliny antsika!
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo;
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 18-22)

Manaraha Ahy.

Tamin’izany andro izany,
nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy,
dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy.
Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany,
fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.”

Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe:

“Tompoko,
avelao aho aloha handeha handevina ny raiko”;

fa hoy i Jesoa taminy:

“Manaraha Ahy,
fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

3 jolay 2023 — Masindahy Tômà, Apôstôly — Fety — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)

2 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo. Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 37-42)

♦ Nametraka fitoriana ny Filoham-pirenena teny amin'ny Fitsarana Anosy androany, ny fikambanana ADDM. Fitoriana, tohin'ilay raharaha zom-pirenena frantsay... ♦ Tsy tanteraka androany ny fikasana hanongana ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena. Ny tolak'andro teo vao saika hivory ireo filoham-baomiera. Nody maina ireo Minisitra tonga hihaona tamin'ireo Solombavam-bahoaka teny an-toerana... ♦ Nandray andraikitra manoloana ny ambara fa fanararaotana ny mpanjifa amin'ny tontolon'ny “Mobile Banking”, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH sy MCI...

1 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 5-17)

Vakiteny voalohany

Boky Faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 4, 8-11. 14-16a)

Olo-masin’Andriamanitra iny koa aoka honina eto.

Indray andro i Elisea nandalo tany Sonàma.
Ary nisy vehivavy mpanan-karena anankiray tao
niangavy mafy taminy hisakafo
ka isaky ny nandalo izy dia nankao aminy hisakafo.
Ary hoy ravehivavy tamin’ny lahy:

“Indro fantatro fa olo-masin’Andriamanitra
iny mpandalo eto amintsika matetika iny.
Ka handeha isika hanao efitrano kely avo manolotra ny rindrina ho azy,
dia asiantsika farafara iray, latabatra iray, seza iray, ary fanaovan-jiro iray ao, ho azy,
mba hihatahany isaky ny tonga aty amintsika izy”.

Dia tonga tao Sonàma i Elisea indray andro,
ka nipetraka tao amin’ilay efitrano avo sy nandry tao.
Ary hoy i Elisea:

“Ka inona àry no hatao ho azy?”

Dia hoy ny navalin’i Giezi:

“Zanaka no tsy ananany ary ny lahy efa antitra”.

Ary hoy i Elisea:

“Antsoy àry izy”.

Dia nantsoiny izy ka nijanona teo am-baravarana;
ka hoy i Elisea taminy:

“Raha afaka herintaona amin’izao fotoana izao,
dia hisafosafo zazalahy ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 88, 2-3. 16-17. 18-19

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Ny fitiavanao, ry Tompo,
hohiraiko mandrakizay;
ny fahamarinanao
hambarako amin’ny taona rehetra.

Vavako no niteny, hoy Ianao:
Voaorina mandrakizay ny fitiavako,
ary ny fahamarinako
voajoro ho toy ny lanitra!

Sambatra izay vahoaka mahay mihoby,
ilay mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny fitiavanao ny rariny.

Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny fitiavanao, ry Tompo, no tabihanay.
Eny fa ny Tompo no Andrianay,
ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 3-4. 8-11)


Niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy isika, ka handeha amin’ny fiainam-baovao koa.

Ry kristianina havana,
moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa
dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika,
mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray,
no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa,
sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy dia tsy maty intsony,
tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Satria ny fahafatesana moa, dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana;
fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo
ka hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin’ny fahotana,
fa velona kosa ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo.
Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 37-42)

Izay tsy mitondra ny hazofijaliany dia tsy mendrika Ahy. Izay mandray anareo mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy,
dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray Izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina,
dia hahazo valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo,
noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...