Ny fanabeazana dia miompana amin'ny lafiny telo : vatana, saina, fanahy. Ny lafika iorenan'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho vanona dia ny "soatoavina". Teny no maha firenena ny firenena iray, etsy ankilany anefa mbola ahitàna fampifangaroana teny ny eny amin'ny tontolo hita maso sy ny re, izay no mahasarotra ny fampiasana tanteraka ny "teny malagasy" ; eo koa ny halavan'ny voamboalana malagasy tandrify ireo teny vahiny. Appel = Antso anarana. Registre = Bokin'anarana. Protége = hefina. Porte-documents = hefin-takelaka. Blouse = Hefin'akanjo. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.

Ny voambolana "Hefina" sy ny "Aro" dia misy heviny maha samy hafa azy. Ny hefina dia fiarovana mba tsy ho voakasika isany fifampikasoana malefaka, ohatra hefin'akanjo (blouse); ny aro kosa dia hampiasaina indrindra amin'ny izay tsy havoa ny loza na dona na ako zavatra iray, ohatra arokòna na arodona (pare-chocs).  Ny tovona "hay" dia entina hanamarihana fahaizana mifehy zavatra iray, ohatra Haitao vaovao. Fandaharana "FILIRA" iarahana amin'ny foibe momba ny teny, ny akademy malagasy.

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ho Evekan'Ambanja... ♦ Handray pôlisy monisipaly sy mpamonjy voina miisa 200 ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'ity taona ity... ♦ Lalao baolina kitra fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika, tsy misy mpilalao avy any ivelany, nany CHAN, resin'i Barean'i Madagasikara tamin'ny isa 02 noho 01 ry zareo Black Starn'i Ghana... ♦ Any Burkinafaso, mbola karohina hatramin'izao ireo vehivavy 50 mahery nisy naka an-keriny tamin'ny alakamisy sy zoma teo...

Fiandrandrana ny soa iombonana any an-koatra ny fikatsahana ny soa iombonana ety an-tany. Misy ny fomba fijery ara-tantara fotsiny ny soa iombonana. Fijery izay miompana amin'ny hitan'ny maso sy tsapain-tanana, ary izany dia miafara amin'ny fanovana ny soa iombonana ho hafinaretana tsotra eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fiharian-karena. Manam-petra ihany anefa io fomba ara-tantara io. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny fonjan-kevitra momba ny "soa iombonana" dia iray amin'ireo andry efatra izay tsy miova amin'ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ireo andry lehibe efatra : Ny hasin'ny fahamendrehan'ny olombelona, soa iombonana, ny tsy misalovana andraikitra, firaisan-kina. Ny soa iombonana dia mamela antsika hanome fahafaham-po ny filan'ny olombelona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

♦ Notsofin-drano araka ny fomban-tany androany maraina Mgr Donatien Francis Randriamalala, voatendry hitantana ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Mbola hampikatso ny fampianarana eny Ankatso ny sendikàn'ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo. Tokony efa hanomboka amin'ity volana janoary ity anefa ny taom-pianarana vaovao eny amin'ny Anjerimanontolo... ♦ Hiakatra kianja voalohany amin'ny CHAN 2023 any Algerie rahampitso ny Barean'i Madagasikara. Hifandona amintsika amin'ny 10 ora alina, ora malagasy, i Ghana ka hivantana amin'ny fahitalavi-pirenena...

Fady ary tsy azo atao ny manotra na manosotra fanafody manala fanaintainana amin'ny faritry ny lamosina raha toa ka marary io faritra io. Mialohan'ny handraisana fepetra mikasika izay fitsaboana hatao dia tokony ho fantarina mazava izay anton'ny mahatonga ilay aretina na fanaintainana. Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Saropady ny lamosina sy ny hazon-damosina. Mizara efatra ny hazon-damosina : ambony indrindra amin'ny faritry ny hatoka misy taolana 7isa ; ny faharoa dia ireo manandrify ny tratra misy taolana 12 isa ; manandrify ny valahana taolana 5 isa, ny farany ambany mifanohy amin'ny fitombenana, misy taolana miisa 9...

Ny hazon-damosina dia fitambaran'ireo taolana kely maro, mampijoro sy mampihetsika olona iray, mety hiisa 32 na 33 izy ireo. Misy karazany telo ny fivilanan'ny hazon-damosina : Ny voalohany "Scoliose" ilay mivilana miankavia sy miankavanana manao endrika "S" raha jerena avy atao aoriana ; ny faharoa "cyphose" ilay misy mibontsina na ilay atao hoe vokoka rehefa jerena mihorirana ;  ny fahatelo farany "lordose" ilay misy milempona ny faritry ny hazon-damosina matetika amin'ny faritry ny valahana.  Fambara : tsy mitovy ny alavan'ny tongotra, sahirana rehefa mandeha, tsy mifanitsy ny soroka, mitongilana ny loha...

♦ Nanetriketrika ny fitsenan'ny Kristiana any Ambanja ny Eveka vaovao hiasa any amin'ity Diôsezy ity. Omaly antoandro tamin'ny 11 ora no nigadona tany an-toerana i Mgr Donatien Francis Randriamalala... ♦ Hanomboka afaka iray volana farafahatarany ny fanamboarana ny Lalam-pirenena faharoa mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina. Haverina ny antso tolo-bidy amin'ny fanarenana ny RN-2 hoy ny Ministry ny Asa Vaventy... ♦ Mbola mitohy ny fibodoana tany ao Brickaville ataon'ireo olona milaza fa mahitahita eny amin'ny Fitsaràna. Tany mirefy 70 ara sy 37 santiara efa misy titre tamin'ny 1972 no bodoan'izy ireo efa taona maromaro izao...

♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'Ambanja, Mgr Donatien Francis Randriamalala, androany antoandro tany an-toerana... ♦ Mandroso ny fanamboarana ny Lalam-pirenena faha-5, mampitohy an'i Soanierana Ivongo sy i Mananara Avaratra. Vinavinaina hanomboka amin'ny faran'ity taona ity ny fandrakofana tara izany... ♦ Mbola mitohy ny fibodoana tany any Brickaville, ataon'ireo olona milaza ho mahitahita eny amin'ny Fitsarana...

♦ Nigadona tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny maraina teo, i Mgr Donatien Francis Randriamalala. Noraisin'ireo mpino kristianina tao tamin'ny fitiavana sy fifaliana teo amin'ny tetezan'i Sambirano... ♦ Vaovao momba ny "Logo" sy ny hira faneva entina miatrika ny Andro Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, izay hotontosaina eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Ny momba ny zotom-po apôstôlika no fampianarana nentin'ny Papa François, nandritra ny "Audience générale" tamin'ny alarobia 11 janoary 2023...

Famaliana ny didim-pitiavan'i Kristy ny ezaka rehetra hikatsahana ny soa ho an'ny daholobe. "Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" Jn 13, 34. Ny fanorenana ny soa iombonana no hetahetan'ny Egilzy katôlika araka ny fampianarany momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ny soa iombonana dia tsy misy lanjany raha tsy miompana amin'ny voaary manontolo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...