♦ Tsy ilaina ny fikaonandoham-pirenena, raha hiteraka korontana hoy ny Profesora Ange Andrianarisoa, avy amin'ny AREMA. Manamafy ny tokony hisian'izany ny SFDM, hanovàna ny lalàna hifehy ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity... ♦ Voakasiky ny fanalefahan-tsazy, noho ny taom-baovao, ny ministry ny serasera teo aloha, Rolly Mercia. Mety hivoaka ny fonga eo anelanelan''ny tapaky ny volana jolay sy desambra ity gadra pôlitika ity, araka ny filazan'ny gazety iray mpiseho isan'andro androany... ♦ Niteraka resa-be ilay zava-nitranga teny amin'ireo doany eny amin'ny vohitra Ambohimanga. Namoaka fanambaràna ny Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina fa tsy tokony hisy ny fifanitsahana fomba ara-pinoana...
Misy olana foana matetika eo amin'ny rafozana sy ny vinanto noho ny maha samy hafa ny fiainana nihainana tany amin'ny tokantrano niaviany. Vahaolana ny fampianarana ny olona handray rafozana vaovao sy vinanto vaovao. Ny rafozana dia mila manao ezaka mamantatra ilay vinanto, ao anatin'ny fifanajana, fahanginana, fihainoana. Fanekena sy fandraisana araka ny maha-izy azy ilay vinanto. Tadiavina sy volena ny fiaraha-monina vaovao ahitana : fisokafana. Ny vinanto dia mila mahay mihaino, mila misokatra ny saina, tsy maneho toetra tia mitsara. Miaraka mandrindra ny fifandraisana sy ny fiaraha-monina ny roa tonta. Atao zava-dehibe ny fahasamihafana mba hifamenoana, tsy ny rafozana foana no manana ny marina...
♦ Hisy rahampitso ny Sorona Masina hitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa Emérite Benoît XVI, eny Antanimena... ♦ Olona roa indray no namoy ny ainy, vokatry ny aretina Covid-19 teto Madagasikara tamin'ny herinandro faran'ny taona 2022 teo. Mbola misy 67 ihany koa ireo trangana Coronavirus "Cas actifs" hatramin'izao... ♦ Mpianatra 50 no tra-boina amin'izao vokatr'ilay firehetan'ny tranon'ny mpianatra teny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Ireo mpianatra lasa niala sasatra ny ankamaroan'ireo may fananana tao...
♦ Maherin'ny 50 ireo mpianatra misedra olana amin'ny trano fonenana nitranga teny Vontovorona androany, saika ireo mpianatra nandeha nanao fialantsasatra no tena lasibatra tamin'izany... ♦ Nanamafy ny tsy fanekeny ny firafitry ny CENI ankehitriny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao pi-maso amin'ny sehatra iraisam-pirenena koa izy manoloana ny fiatrehana ny fifidianana amin'ity taona ity... ♦ Ilaina ny fanovàna eto amin'ny firenena mba tsy handova fahalovana ireo taranaka fara mandimby, hoy ny Filoha nasiônalin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga...
♦ Hanana solontena hiatrika ny fandevenana ny Papa Emerite Benoît XVI, amin'ny alakamisy izao ny Fiangonana katôlika eto Madagasikara. Hihazo an'i Roma rahampitso hanatrika izany ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ 12 isa eo ny andro hitsaharàna kely amin'ny asa ho an'ity taona 2023 ity. Mitontona andavanandro avokoa ireo, raha jerena ny tetiandro ho an'ny taona vaovao... ♦ Nirehitra androany maraina ny ampahany amin'ny tranon'ny mpianatra Bloc-15 eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Nijoalajoala ny afo, ka tsy nisy noraisina intsony ny entan'ireo mpianatra voakasik'io firehetana io...
♦ Ho maina ny andro amin'ny ankapobeny manerana ny nosy hiatrehan'ny Malagasy ny fetin'ny faran'ny taona sy ny taom-baovao. Tsy ahiana ny hisian'ny toetr'andro mahery vaika, hoy ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Miandrandra ny hijeren'ny mpitondra akaiky kokoa ny sôsialin'ny mpiasa amin'ny 2023 ny sendikà FISEMARE amin'ny kabarin'ny Filoham-pirenena anio hariva. Tsy ny fisondrotan-karama ihany no andrandrain'izy ireo... ♦ Mandrisika antsika hikarakara sakafo ara-pahasalamana ny mpitsabo, na eo aza ny fiovàna amin'ny mahazatra amin'izao fety izao. Ireto toro-hevitra samihafa tsara ho fantatra avy amin'ny mpitsabo hiatrehana ny fety...
Ny fanaovana fety voalanjalanja dia mitondra fahasalamana. Anatin'ny fety dia mahazo ny anjarany daholo ny vatana sy ny saina : hafaliana sy sakafo. Ny sakafo tokony hohanina amin'izao fety izao hisorohana ny aretina dia sakafo voalanjalanja, sakafo natoraly. Mila mitandrina amin'ny sakafo hohanina ireo manana olana amin'ny : tosi-dra, diabetika, ireo manana olan'ny fo sy ny voa, ireo olona matavy loatra, ireo tsy mahazaka mihinana sakafo isan-karazany. Ezahana mba toerana madio sy mahazo rivotra tsara ny toerana hisakafoana.
♦ Hanao kabary ho an'ny vahoaka malagasy anio hariva, faran'ny taona, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Lahateny heverina hitondràny ny vina ho an'ny taona 2023, faran'ny fe-potoam-pitondràny, ankoatra ny tomban'ny asa tamin'ity taona ity... ♦ Natao tany Fianarantsoa omaly ny Lamesa nitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo Masera sy Môpera namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ny talata teo... ♦ Feno 7taona omaly ny nandrodànana ny foiben'ny sendikà FISEMARE eny Ankadifotsy. Mbola eny amin'ny Fitsaràna ny raharaha hatramin'izao. Manantena ny hivoahan'ny didim-pitsaràna amin'ny taona ho avy io izy ireo...
♦ Notanterahana ny tolak'andro teo tany amin'ny Paroasy St Charles Ambatomena Fianarantsoa ny Lamesa nitondràna am-bavaka ny fialan-tsasatry ny fanahin'ireo Masera sy Môpera namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana ny talata teo... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy rahampitso 31 desambra ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Hanolo-tanana an'i Madagasikara amin'ny fampivelarana ny taninketsa indostrialy eto Madagasikara i Inde ary hametraka tatik'asa momba izany...
♦ Manameloka ny famonoana ny miaramila malagasy, ny fanosoram-potaka ny fanenjehana tsy misy porofo izay nitarika fahafatesan'ny miaramila miisa telo, ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, araka ny fanambaràna navoakany androany... ♦ Manodidina ny 15.000 isa ireo voafonja miandrandra ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filohan'ny Repôblika. Fahefana feno madiodio ny Filoha anefa ny hanome izany na tsia amin'izao ankatoky ny famaranana ny taona sy ny fitsenana ny taona vaovao izao... ♦ Nahavita ezaka lehibe teo amin'ny ady amin'ny kolikoly ny vondron'ny kôperativam-pitaterana miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU tamin'ity taona ity...
♦Nomelohan'ny Fitsaràna higadra roa taona an-tranomaizina sazy miantona miampy fandoavana onitra 15 tapitrisa Ariary ny talen'ny CROUA. Tsy nanaiky izany ny mpiasan'ny CROUA sy ireo Mpianatra eny Ankatso... ♦ Ilaina ny fanatsarana ny CENI sy ny fametrahana ny Fitsaràna manokana hitsara ny voka-pifidianana, hoy ny antoko MFM... ♦ Tsy afa-manoatra noho ny tsindry ataon'ny hery tandrefana ny fitondrana ankehitriny, hoy ny DFP... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany i Pelé. Misaona mandritra ny telo andro noho izany ny any Brésil...
♦ Nandrika ny rà teny Behoririka androany. Lehilahy iray avy naka vola 132 tapitrisa Ariary tany amin'ny Banky no maty tsy tra-drano, rehefa notifirin'ny jiolahy roa mitondra basy teo imasom-bahoaka sy antoandro be nanahary... ♦ Mitaky ny "hanadiovana ny tokontany" mialohan'ny hirosoana amin'ny fifidianana amin'ny taona ho avy ny antoko MFM androany, raha nanokatra ny Jobily faha-50 taonany. Fitsaràna manokana no tokony hitsara ny voka-pifidianana fa tsy ny HCC, hoy izy ireo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna higadra roa taona an-tranomaizina sazy miantona miampy lamandy ny talen'ny CROUA, noho ny fandravàna tranon'olon-tsotra miorina eny amin'ny faritry ny Anjerimanontolon'Antananarivo. Nilanja sora-baventy ny mpiasan'ny CROUA...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco