♦ Nitondra famelabelaran-kevitra mahasika ny hafatry ny Papa François, momba ny andro maneran-tany ho an'ny Fiadanana ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Niaka-bidy indray ny vary vokarina eto an-toerana. Misy tafakatra 950Ariary ny kapoakan'i Makalioka ao an-drenivohitra. Miantso ny fitondrana foive hijery akaiky izany ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Tsy voahaja ny fitsinjaram-pahefana manoloana ny fihetsiky ny fiadidiana ny Repôblika mibaiko ny olom-boafidy, hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo. Fanehoan-keviny manoloana ny famelàna indray ireo mpivarotra amoron-dalana hivarotra na dia efa noraràn'ny Kaominina Antananarivo aza...
♦ Nanamarika ny faha-50 taona niorenany ny antoko MFM, omaly. Antoko efa nijoro tamin'ny volana desambra taona 1972... ♦ Olona miisa 10.837 amin'izao fotoana izao no fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina VIH SIDA eto Madagasikara. Olona an'arivony eo no olona vaovao ahiana ho mitondra ny tsimok'aretina, ireo efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina dia mihinana isan'andro ny fanafody ARV... ♦ Miha mahazo vahana ao an-drenivohitry ny Faritra Menabe, tato ho ato ny fanaovana trafikana maso. Lehilahy miisa 2 indray no voasambotry ny mpitandro filaminana, nahatratrarana voamaso miisa 13...
Isany mahatsara ny fifandraisan'ny mpianakavy ny fifankaherezana. Ny teny famporisihana dia singa azo kilasiana ho zava-dehibe indrindra eo amin'ny mpivady sy/na ny mpianaka. Ny fifankaherezana sy ny famporisihana dia fanalahidin'ny fahombiazana sy fanatsarana ny fifandrisana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny Jeneraly Ramakavelo Désiré.
♦ Namoizana ain'olona miisa 5, teo noho eo ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany amin'ny RN-12 mampitohy an'i Manakara sy Vohipeno, omaly tokakandro. Nisy koa ireo naratra... ♦ Araka ny tapaka nandritra ny Filan-kevitry ny ministra farany teo. Vonona handray ireo mpanao fitsirihana avy amin'ny Fanjakàna ny CNLS... ♦ Tontosa omaly talata 27 desambra tao amin'ny Sekoly ambony manofana ho pôlisy any Antsirabe ny lanonana fametrahana ambany faneva ireo mpianatra ho "Agents" sy "Inspecteurs de police", nisalotra ny anarana MAHEFA...
♦ Mankasitraka ny FFKM tamin'ny hafatra nomeny farany teo ny antoko Vahoaka Miray. Miantso ireo filoham-piangonana hirotsaka bebe kokoa amin'ny fitadiavam-bahaolana ho an'ny firenena ity antoko avy amin'ny fanoherana ity... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka malagasy indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin'ny sabotsy hariva izao. Tafa, hanoavany tombana ny asan'ny fitondràna ho an'ny taona 2022 sy ny hatramin'izay... ♦ Mampitaraina mafy ny mpampiasa lalana ny fahasimban'ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina ankehitriny. Vao mainka miha-potika ny RN2 amin'izao fotoam-pahavaratra izao, noho ny tsy fisian'ny fikojakojàna...
Maro ny olona manao fanamarihana fa mbola tsy tafarina ny toe-tsaina ho an'ny Malagasy ary izay no antony tsy mahatomombana ny fandrosoana. Anjara biriky no nentin'ny fandaharana mba hanabeazana ny mpiara-monina fa mbola betsaka ny adidy sy andraikitra miandry ny rehetra. Mila resy lahatra ny olona iray maniry ny hanarina toe-tsaina, satria sarotra ny miala amin'ny fahazarana. Tsara raha mbola kely ny ankizy no efa zarina sahady amin'ny lalana mahitsy. Rehefa lehibe ny olona dia ny fiainana sy ny fiaraha-monina no manitsy azy, anefa mety ho tara loatra izany...
♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny mosary ny sendika Seces sampana Antananarivo amin'ny taona ho avy manoloana ny tsy fahampian'ny orana any amin'ireo toerana fambolem-bary sompitr'i Madagasikara... ♦ Mbola olana tsy voafaritra hatramin'izao ny karama farany ambany ho ampiharina amin'ny taona ho avy. Maro anefa ireo mpiasa mbola tsy nisitraka ny karama farany ambany 250.000 Ariary mandraka ankehitriny... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny fa hisy vahiny mpitrandraka alefa ao Sahantona Mandritsara. Tsy miombon-kevitra amin'izany ka manao antso avo amin'ny fitondram-panjakàna ny solombavambahoaka any an-toerana...
♦ Manahy amin'ny mety hisian'ny mosary eto Madagasikara amin'ny taona ho avy ny SECES Sampana Antananarivo, noho ny tsy fahampian'orana any Alaotra sy Marovoay. 10% amin'ny toeram-pambolena isan-taona ihany no voavoly vary any Alaotra Ankehitriny... ♦ Mbola tsy nahita marimaritra iraisana ny sendikà sy ny vondron'ny mpampiasa hatramin'izao momba ny famaritana ny karama farany ambany ampiharina amin'ny taona 2023. Miantso ny fanjakàna hitondra vahaolana ny FISEMARE... ♦ Miha-goragora indray ny fanajàna ny fepetra fisorohana ny covid19 amin'izao fiatrehana ny fetin'ny faran'ny taona izao. Misy amin'ireo kaoperativa mpitatitra no nandray andraikitra amin'ireo mpandeha ao aminy...
♦ Hatao ny 28 desambra izao ny fandraisana ara-teknika ny dingana voalohany amin'ny tetik'asa MIAMI any Toamasina... ♦ Tandindomin-doza ny voly lavanila ao amin'ny Kaominina miisa dimy any amin'ny Distrika Ambanja, Faritra Diana manoloana ny fitrandrahana terre-rare... ♦ Ny iray ampaha-telon'ny olona tonga nizaha fahasalamana tao amin'ny Hôpitaly HJRA afak'omaly 24 desambra sy hatramin'ny omaly 25 desambra tolakandro dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa, ary mpitondra moto ny ankamaroany...
♦ Hafatra Noely 2022 avy amin'ny FFKM : aoka tsy ho mpihaino fotsiny fa tena iaina ny Tenin'Andriamanitra isika. Mitarika antsika handinintena anatin'ny fanetren-tena ny Filazantsaran'ny Famonjena ka tsy hifampihantsy isika ary hiala amin'ny fahalovana sy ny ratsy fanao... ♦ Misafidy hiara-mivavaka, miara-mifety ary mizara fanomezana ho an'ireo olona ampian'i Père Pedro eny amin'ny Akmasoa hatrany ny Filoham-pirenena sy ny vady aman-janany isaky ny fetin'ny Noely... ♦ Nizotra tamim-pilaminana amin'ny ankapobeny ny fetin'ny Noely nanerana ny nosy. Nampitomboina rahateo ireo mpitandro ny filaminana nanao fisafoana ary mbola mitohy amin'ny fety handraisana ny taona voavao ihany koa izany...
Ny kitrotro dia aretina tsy maintsy hanaovana fanambarana, sokajiana ho isan'ny aretina misy mamorifotra eny amin'ny hoditra. Ny fiatombohan'ny volana novambra teo no nirongatra indray ity aretina ity. Ny kitrotro dia aretina ateraky ny tsimok'aretina "paramyxovirus", ary mety ahazo ny zaza 6 volana hatramin'ny 5 taona fa mety hisy ihany ireo olon-dehibe. Ny fomba fifindrany : amin'ny olona samy olona amin'ny alalan'ny rora na lelo. Fambara : tandomerina manomboka eo amin'ny tarehy, tasy fotsy anaty vava, manavy ary miakatra be ny hafanana, mitsoro ranin-delo, tarimo eo amin'ny tenda, malain-komana, mena ny maso, mikohoka, reraka...
♦ Mankasitraka ny finiavan'ny Fanjakàna amerikana hanampy amin'ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ny antoko Malagasy-Miara-Miainga mba ho antoky ny fitoniana... ♦ Mizarazara ny hevitr'ireo mpanao pôlitika manoloana ny famaritana ny atao hoe fitoniana... ♦ Maro ny tsara ho fantatra sy ny fiomanana amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao... ♦ Voaroaka ao Burkina-Fasso ny mpandrindra ny rafitry ny firenena mikambana Barbara Manzi...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco