Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Rober tamin'ny fampiasana azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro, liana amin'ny voly vary...
Hatao ny faha 26 nôvambra izao indray ny famafazana na ny fafy saraka amin'ity taom-pambolena 2022-2023 ity, eny Itaosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano. Fafy saraka na ketsa Saraka teknika fambolem-bary ahazoana vokatra tsara.
♦ Nampidi-bola 2 800 miliara Ariary mahery ho antsika Malagasy ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany ho an'ny taona 2019... ♦ Tsy rariny raha ny karana no manjakazaka amin'ny tanin'ny Malagasy, izay ananana taratasy mazava, hoy ireo mponina eny amin'ny Fokontany Morarano-Alarobia, izay nisian'ny fandravana fiangonana omaly... ♦ Ny 66% amin'ny tanjona napetraka amin'ny fambolen-kazo tamin'ity taona 2022 ity no vita ankehitriny...
♦ Hafainganina ny famoahana ny tamberim-bidy azo avy amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany natokana ho an'ny vondrom-paritra, tokony hisitraka izany hoy ny ministra mpiahy... ♦ Mbola mijanona ao anatin'ny krizy amin'ny ankapobeiny ny teo-karena any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana tamin'ity taona 2022 ity vokatry ny fiatraikan'ny valan'aretina Covid-19, nanomboka ny taona 2020... ♦ Ambony ny tahan'ny tsy fananan'asa ao Toliara, mampalahelo fa saika mirona any amin'ny fotondrana posy avokoa ankehitriny ny ankamaroan'ny tanora tsy an'asa...
♦ Nampidi-bola 2800 miliara Ariary mahery, ho antsika Malagasy, ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2019... ♦ Hampahafantarina ny vahoaka Malagasy amin'ny fomba mangarahara ny andraikitra sy ny tontolo rehetra mahakasika ny Tahirim-bolam-panjakana, anatin'ny fanombohana ny fanamarihana ny faha-60 taonany... ♦ Niakatra nanomboka androany ny saran-dalana amin'ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Saika nampihatra ny fampitomboana 100 Ariary avokoa ny ankamaroany...
Alahady 17 jolay 2022 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42
Ny fombam-pitenena malagasy dia tsy mitovy amin'ny ohabolana satria ity farany ity dia fehezan-teny roa misy fanoharana ary hatarafana hanatra sy soatoavina maro. Ny fombam-pitenena dia andian-teny na fehezan-teny entina manohatra zavatra na trangan-javatra na olona na toetra. Ny fombam-pitenenana dia ampiasain'ireo mpampiasa azy mba hilazana zavatra ankolaka. Ny fombam-pitenena dia tsy azo heverina ho amin'izany toerany izany raha toa ka tsy voasedra tamin'ny fiaraha-monina sy nahatety vanim-potoana. Ohatra : Aina ity hoy Rainimanonja ; bingo mitehin-kiho...
♦ Hisorondrotra 100 Ariary mitaha amin'ny teo aloha ny saran'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo manomboka anio. Izay no tapaka tamin'ny fihaonan'ny mpitatitra sy ny filoha teny amin'ny Lapan'Ambohitsirohitra omaly, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika... ♦ Nisondrotra nanomboka omaly ny saran-dalana amin'ny zotra nasiônaly miainga eto Antananarivo. Misy ireo efa tafakatra 140 000 Ariary, taorian'ny fisondrotan'ny vidin'ny solika, omaly... ♦ Miantso ny fitondràna hanao ezaka hisian'ny fandriam-pahalemana eto amintsika ny kardinaly Désiré Tsarahazana. Handositra an-drenivohitra avokoa ny tantsaha, hoy izy, raha manao hatsirambina isika...
♦ Nihatra nanomboka ny maraina teo ny saran-dalana 600 Ariary ao an-drenivohitra sy ny fiakarana 100Ariary ho an'ny zotra manodidina. Efa niroso tamin'izany avokoa ny ankamaroan'ny zotra rehetra, taorian'ny hevitra tapaka, omaly... ♦ Milaza fa mahita firenena vahiny vonona hamatsy solika an'i Madagasikara amin'ny vidiny mirary ny antoko Otrikafo. Miankina amin'ny finiavana politikan'ny mpitondra hiala amin'ny gejan'ireo kaompanian-tsolika misy eto amintsika no hahatanteraka izany, hoy izy ireo... ♦ Mitaraina amin'ny fitondram-panjakàna ireo fokonolona any Ambalalova-Avaratra, Ambalavao-Tsienimparihy. Alain'olom-bitsy ny tanin'izy ireo 8 ha, araka ny fitarainan'ny solontenam-pokonolona tonga aty an-drenivohitra...
♦ Tao aorian'ny fiakaran'ny vidin-tsolika androany dia andrasana ny ho vokatry ny fihaonan'ny Filoham-pirenena amin'ireo mpitatitra... ♦ Ny hanatsarana ny tontolon'ny Fitsarana eto Madagasikara ary hanafainganana ny raharaham-pitsarana no isan'ny ifantohan'ilay fikaonan-doha momba izany, atao eny amin'ny CCI Ivato... ♦ Ho tratra amin'ny volana nôvambra izao ny tahan'ny fiakaran'ny isan'ny mponina maneran-tany ho valo miliara. Mila pôlitika mazava ny fitantanana izany mba tsy ho vesatra ara-toekarena na ara-tsôsialy ho an'ny firenena tsirairay...
♦ Fivoriana sy laretirety no hanamarihana ny volan'ny pretra ho an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Nihaona nandritra ny efatra andro ny Misiona Fianakaviana Masina sy ny Misiona Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanentana ny rehetra hivavaka ho an'i Sri-Lanka, izay miaina ao anatin'ny olana ara-toekarena sy pôlitika, ny Papa François ny alahady 10 jolay 2022...
♦ Nihatra nanomboka ny maraina teo ny fiakaram-bidin'ny solika teo Madagasikara. Tsy ho zakan'ny vahoaka malagasy izao fiakaram-bidy izao, hoy ny ministry ny angovo teo aloha Betina Bruno... ♦ Mandrahona ny handoro ny vokatra lojy ireo mpamboly misehatra amin'izany manoloana ny vidiny izay tena ambany ka miteraka faty antoka. Manaitra ny fitondram-panjakàna moa ireo mpamboly... ♦ Hiaraka ho raisin'ny fakiolten'ny teny aman-tsoratra sy ny siansa maha-olona na ny FLSH ao amin'ny taona voalohany ireo mpianatra afaka bakalorea tamin'ny taon-dasa sy ireo ho afaka amin'ny ity taona ity...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco