Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny toerana iray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: "Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany". Ary hoy Izy taminy: "Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay".
Dia hoy indray koa Izy taminy: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho’. Lazaiko marina aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohaina. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"
Tamin’izany andro izany, ny Tompo nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa tamin’ny mpianany, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: Fiadanana anie ho amin’ity trano ity; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna hidiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: Efa mby akaiky anareo ny Fanjakan’Andriamanitra".
"Fa amin’izay tanàna hidiranareo koa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo fa amin’izany andro izany, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma, noho ny ho amin’izany tanàna izany".
Ary niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: "Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao", Dia hoy i Jesoa taminy: "Nahita an’i Satana nilatsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio".
Tamin’izany andro izany, nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe: "Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barîka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barîka, ka ny divay raraka, ary ny barîka simba; fa ny barîka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa."
♦ Nankalaza ny fetin'ny Sakramenta Masina teny amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, raha tsy afaka nanao izany nandritra ny tao roa nisesy, noho ny valan'aretina Covid-19... ♦ Misoko mangina indray ankehitriny ny fiparitahan'ny valan'aretina Covid-19. 300 mahery ireo tranga vaovao voatily tamin'ny herinandro... ♦ Asa fampandrosoana ny tapany atsimon'ny nosy, napetraka tamin'ny sabotsy teo ny vato fototry ny fanombohan'ny asa fanamboarana ny Lalam-pirenena 12A, mampitohy an'i Taolagnaro sy i Vangaindrano...
♦ Natao hiarovan'olom-bitsy manao ny tsy mety ilay lalàna vaovao manome "immunité" ny ben'ny tanàna sy ny Governora, hoy Andriamatoa Christian Tabera. Nambaran'ity mpitarika ny antoko ity fa kajikajy hiarovana ny olon'ny fitondrana io lalàna io... ♦ Efa tsy fahombiazana ny zava-misy amin'ny fanarenana ny "Air Madagascar" amin'izao, hoy ny Randrana sendikaly. Milaza ho sarotiny satria misy volan'ny CNaPs, latsak'emboky ny mpiasa amin'ny fanarenana io kaompania io... ♦ Nisehoana fihetsiketsehan'andian'olona tany Nosy-be Hell ville omaly, mitaky ny hamotsorana an'ilay mpanakanto Ninie Donia...
Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo.
♦ Tsy mankasitraka ny fanenjehana ny fitondrana ankehitriny ny VMF. Mandeha ny raharaham-pirenena ary maro ny asa vitan'ny fitondram-panjakana hoy izy ireo, raha nanao fanambaràna omaly... ♦ Miantso ny FFKM sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena handresy lahatra ny fitondrana amin'ny tokony hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ny Tanora RMDM. Nanao fanambaràna ; momba ny raharaham-pirenena koa izy ireo, omaly... ♦ Mitaky ny marina tamin'ny famonoana an'Andriamatoa Rakotoarisoa Henri, filohan'ny VOI MIALO ny fiaraha-monim-pirenena sy ny fianakaviany. Niray hina, mitaky ny fampiharana sazy henjana ho an'izay nahavanona izany izy ireo, omaly...
♦ Lalan'ny firaisan-kina, izay no hatao anaran'ny Lalam-pirenena faha-13. Natomboky ny Filoham-pirenena tany Ambovombe androany, ny fanamboarana ity lalana ity... ♦ Tsy mankasitraka ny fanenjehana sy ny fanakorontanana ny fitondrana ankehitriny ny VMF, ary tsy mankasitraka ny fikasan'ny mpanohitra, hanao fiaraha-mitantana... ♦ Miantso ny FFKM sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena, handresy lahatra ny fitondrana amin'ny tokony hanatanterahana fikaonan-doham-pirenena, ny tanora RMDM...
Sabotsy 25 jona 2022 — Ny Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51
Zoma 24 jona 2022 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 3-7
Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29
Alarobia 22 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco