♦ Hiverina ny fanondranana volamena any ivelany, hihena ny hetra alaina amin'ny solika. Ireo no anisan'ny ahitsy amin'ny teti-bolam-panjakana 2022, nampahafantarina ireo Solombavam-bahoaka, teny Tsimbazaza androany... ♦ Mbola mahatsiaro ho maty antoka ireo mpitatitra, na efa hiakatra ho 1.000 Ariary aza ny saran-dalana ao an-drenivohitra, amin'ny volana jolay. Fitazonana aina tsy hahafaty ny asam-pitaterana ny vahoaka no mbola hiasana, hoy izy ireo... ♦ Olona valo indray no tra-tehaky ny Zadarimariam-pirenena, saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte, tany Nosy Be Hell Ville...

♦ Hisy andrana hatao ato ho ato amin'ny fampiasana an'i Bemolanga sy Tsimiroro, andrana hanaovana lalana 1km, hampiasana menaka mavesatra... ♦ Nohavaozina ny mpikambana anatin'ny CNV na ny filan-kevi-pirenena momba ny lavanila eto Madagasikara mba handrindrana sy hanesorana ny gaboraraka ao amin'ity sehatra ity... ♦ Anatin'ny fanamarihan'ny foloalindahy ny faha-62 taonany, sy ny faha-62 taona niverenan'ny fahaleovan-tena dia nanomboka omaly ny kermesin'ny mpitandro ny filaminana, izay tanterahina eny amin'ny Kianja Betongolo...

Alahady 3 jolay 2022 — Alahady fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-12. 17-20

Ny 26 jona dia fety miavaka amin'ny Malagasy satria io no andro hanamarihana ny tsingerin-taona namerenana ny fahaleovan-tena. Ny lohahevitra : ” Ny fitiavako ny tanindrazako mamelona ny ambopom-pirenena”. Firariantsoa ho an'ny Malagasy 27 tapitrisa ny hoe : " ho fetim-pirenena hiainana ny "fahavanona" anie ity andro malaza ity ary ho fety sambatra ho antsika rehetra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Ho vitaina ao anatin'ny 10 andro ny fitsaràna ny taratasim-panadinana CEPE notanterahana androany... ♦ Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ny tetezan'i Mangoky araka ny nambaran'ny ministry ny asa vaventy Hatrefindrazana Jerry, nandritra ny lanonana fanombohana sy fampahafantarana ny tetik'asa hiarahana tamin'ireo mpamatsy vola... ♦ Mponina any atsimo manodidina ny 60.000 no nisitraka ny tetik'asa vonjy aina noho ny kere. Tetik'asa novatsian'ny governemanta avy any Pays-Bas vola manodidina ny 3.000.000 Euro...

♦ Hiakatra ho 1000 Ariary ny saran-dalana ao an-drenivohitra, manomboka amin'ny 5 jolay ho avy izao, hoy ny mpitatitra androany. Fehin-kevitra tapak'ireo mpikambana ao amin'ny UCTU... ♦ Hovitaina ao anatin'ny 10 andro ny fitsarana ny taratasim-panadinana CEPE notanterahana androany. Hanomboka ny 24 jona izao ny tetiandro hitsarana izany, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nanamafy ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin'izay, ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny  Fiompiana sy ny Sendika Malagasy ho an'ny Famokarana ara-biôlôjia na ny SEMABIO...

♦ Taranja efatra no vitan'ireo mpiadina ny fanadinam-panjakana CEPE maherin'ny 520.000, manerana ny nosy tamin'ny tapany maraina teo. Nizotra am-pilaminana izany tamin'ny ankapobeny... ♦ Naneho ny ahiahiny ny KMF/Cnoe Fanabeazan'olom-pirenena tamin'ny fandaniana ilay volavolan-dalàna manome "immunité" ireo manam-pahefana eny ifotony. Mirona mankany amin'ny fametrahana ny "tsy maty manota" ny fitondrana, hoy ny fanambaràn'izy ireo... ♦ Nampitomboina ny vola fanampian'ny fanjakana ny JIRAMA. Nanaitra ny maro ny fisian'ny teti-bola vinavina maherin'ny 1.085.000.000 Ariary, natokana fotsiny ho an'ny fanadiovana sy fikojakojàna zaridaina...

♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE anio ireo mpianatra amin'ny taona faha-5 manerana an'i Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 520.000 no voasoratra anarana... ♦ Miroso ny fangatahan'ny firenena malagasy hanitatra ny rambon-tany ambany ranomasina na ny "plateau continental" any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara. Miara-miasa amintsika amin'ny fanatanterahana izany ry zareo Sinoa... ♦ Afaka handray mpivarotra avo roa heny ny tsenan'ny Coum eny amin'ny 67Ha manomboka izao. Omaly no notokànana tamin'ny fomba ôfisialy ity tsena nasiam-panavaozana ity...

♦ Fety telo sosona no nankalazain'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, tany Betafo androany... ♦ Efa tonga eny anivon'ireo foibem-panadinana manerana ny nosy, ny taratasim-panadinana amin'ny CEPE, izay hotanterahana rahampitso... ♦ Miroso kosa ny fangatahan'ny firenena Malagasy hanitatra ny rambon-tany ambany ranomasina, any amin'ny tapany atsimon'i Madagasikara...

Tamin’izany andro izany, nisy olona iray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?" Ary hoy Izy tamin’ny olona: "Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany". Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: "Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?’ Dia hoy izy: ‘Izao lahy no ndeha hataoko, horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanambe’. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorînao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?" Eny, hoy izy ireo taminy.

Dia nanampy teny indray Izy nanao hoe: "Koa ny mpanora-dalàna rehetra izay mahay tsara ny amin’ny fanjakan’ny lanitra àry, dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin’ny fitoeran-drakiny." Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. "Inona no irinao?" hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: "Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao." Dia hoy ny famalin’i Jesoa: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?" Hoy ireo taminy: "Efanay ihany." Ary hoy Izy taminy: "Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy." Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa no aoka ho mpanomponareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...