Tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: "Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?" Ary namaly ireo ka nanao hoe: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona." "Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao hoe: "I Kristin’Andriamanitra." Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona, sady nampiany hoe: "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo."

Mba hampirindra ny fiainana ao an-trano dia ilaina ny teny fampirisihina eo amin'ny mpivady sy ny mpianaka. Ny fanaovana jeritodika ny tontolo andro dia zava-dehibe amin'ny fiainana ary ampidirina amin'ny vavaka hatao. Mirindra ny fiainana rehefa miaraka miatrika an'Andriamanitra ny mpianakavy. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Tamin’izany andro izany, i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa ka tsy hitany be ihany izay hevitra, fa ny sasany nanao hoe: "I Joany no nitsangan-ko velona"; ny sasany nilaza hoe: "I Elia no niseho"; ary ny sasany nanao hoe: "Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha no efa nitsangan-ko velona." Dia hoy kosa i Herôda: "Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy, ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?" Dia naniry hahita Azy izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: "Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin’izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo." Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

♦ Tetik'asa hanovana ny rivotra eny amin'ny atmosfera ho rano madio, hanampiana ny mponina any atsimo, no entin'ny ekipa malagasy mandray anjara amin'ny fifaninana "First Global Challenge, karakarain'ny STEM For Good. Manohana ny Malagasy ny OIT... ♦ Hanampy ny tanora manana tetik'asa tsara ka mendrika tamin'ny Tosik'Art ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera... ♦ Nanentana ny mponina hanaja ny soatoavina  ny CFM, manoloana ny vaky fasana any Itasy...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan’izay miditra ny mazava. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza."

Aza kivy amin'ny fitsapana satria fantatra fa hisy famantarana miseho. Ny sedra dia fidiran'Andriamanitra amin'ny tantaran'ny olona iray, anefa misy olona hafa manampy amin'izany ary isan'izany ireo Olomasina. Ny valintenin'ny olombelona amin'ny antso dia valinteny eo no eo rehefa mazava ny antoka. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ny fampanantenan'Andriamanitra ho an'ny olona antsoiny amin'ny sehatra iray dia lehibe noho io antso io ny fampanantenany. Lehibe noho ny iraka hampanaovina antsika ny tambiny, avy amin'Andriamanitra. Ny iraka hampanaovana dia voafetra ny toerana sy fotoana, fa ny tambiny avy amin'Andriamanitra dia tsy voafetra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia namaky an’i Galilea, ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany, fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe: "Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’olona, dia hovonoiny fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny nahafatesany". Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany, sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa. Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe: "Inona izany niadinareo hevitra tany an-dalana izany?" Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo, satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra no niadiany hevitra teny an-dalana. Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nanao taminy hoe: "Izay te ho voalohany no ho farany indrindra sy ho mpanompon’ny olona rehetra". Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany, sy nofihininy, ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe: "Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony amin’ny Anarako, dia handray Ahy, ary izay mandray Ahy dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy".

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: "Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin’ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny." Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: "Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana."

Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany, ka izao no navaliny azy: "Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny an-dalam-be no izay nandre, fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy. Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana."

Rehefa niantso ny Apostoly i Jesoa Kristy dia hoy izy : "manaraha ahy". Tamin'ny lalana nanarahana an'i Jesoa Kristy no nisy ny votoatin'ny antso, niantefa tamin'ireo mpanara-dia azy. Andriamanitra rehefa miantso dia izay fantany sy hitany no antsoiny , noho izany dia mila manao ezaka isika manakaiky azy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...