♦ Sokafana amin'izao ora sy fotoana izany ny fivoriana ara-potoana voalohan'ny Antenimieram-pirenena. Tara antsasakadiny izany noho ny fampiasana ny teknôlôjian'ny fifandraisan-davitra, amin'ireo solombavambahoaka... ♦ Mbola tsy hampiditra an-tsekoly ny mpianatra rehetra ny CRCO any Atsimo Andrefana, na teo aza ny toromariky ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Mbola ambony manko ny tahan'ireo tranga vaovao an'ny Covid-19 any an-toerana ankehitirny...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Fa ankehitriny handeha Aho, ka tsy misy aminareo manontany hoe: Ho aiza Ianao? Fa noho Izaho nilaza izany taminareo dia feno alahelo ny fonareo. Milaza ny marina aminareo anefa Aho fa mahasoa anareo ny handehanako; satria raha tsy mandeha Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpanafaka alahelo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atý aminareo. Ary rahefa tonga Izy, dia handresy lahatra an’izao tontolo izao ny amin’ny fahotana, sy ny amin’ny fahamarinana, ary ny amin’ny fitsarana: ny amin’ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy ireo; ny amin’ny fahamarinana, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka tsy ho hitanareo intsony; ary ny amin’ny fitsarana, satria voatsara sahady ny filohan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, na ny Fanahin’ny fahamarinana izay avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo. Izaho no nilaza izany taminareo dia ny mba tsy hahatafintohina anareo. Fa horoahiny amin’ny sinagôga ianareo, ary ho avy aza ny andro hiheveran’izay rehetra hamono anareo ho manao fanompoana an’Andriamanitra. Izy no hanao izany aminareo, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho. Ary Izaho no nilaza izany taminareo kosa, dia mba hahatsiarovanareo, rahefa tonga ny fotoana, fa efa voalazako taminareo izany."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa, koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo. Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany. Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo".

♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona ity, manomboka anio, ireo antenimiera mpanao lalana. Hiavaka, tsy ho toy ny mahazatra hatramin'izay ny fanokafana izany, ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Ny alarobia izao farafahatarany, izany hoe rahampitso, no tokony hiverina an-tsekoly ny mpianatra, araka ny toromariky ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Ampiharina isan-tsekoly ny fepetra fiarovana ara-pahasalamana...

♦ Ny alarobia izao, farafahatarany no tokony hiverina an-tsekoly ny mpianatra, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany. Hisy fenitra ara-pahasalamana sy ara-pedagôjika apetraka isan-tsekoly, manerana ny Nosy... ♦ Noraisina tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny antoandro teo, ireo "bouteilles d'oxygène", 2000 isa nafarana tany ivelany, entina hanampiana ireo mararin'ny Covid-19. Androany ihany dia efa nentina any amin'ireo faritra mila izany, ireo fitaovam-pitsaboana ireo...

Sabotsy 8 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

Zoma 7 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17

Alakamisy 6 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-11

Alarobia 5 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy."

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...