♦ Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina Coronavirus miisa 249 tamin'ny fitiliana miisa 803, no hita ny 12 mey lasa teo. Olona sitrana 269, lavon'ny aretina kosa miisa fito... ♦ Nitsingerina omaly ny faha-49 taonan'ny fihetseham-bahoaka voalohany teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ao Analakely, Antananarivo Renivohitra, nanoherana ny tsindry hazolena nihatra tamin'ny mpiray tanindrazana tamin'izany fotoana izany...
♦ Efa maherin'ny zato hatramin'izao ireo mpiasan'ny fahasalamana namoy ny ainy, raha ny tatitry ny sendikan'ny SISFIM. Fanairana manoloana izay tarehimarika izay androany no namaranan'izy ireo ny herinandro ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Manameloka ny mbola fisian'ny sidina miditra antsokosoko eto Madagasikara ny sendikan'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, na efa misy aza ny Notam mandrara izany. Nanao fanamabrana izy ireo androany, miantso ny fandraisana andraikitry ny Filoham-pirenena manoloana izany toe-java-misy izany...
Sabotsy 15 mey 2021 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23b-28
Maro ny vokatsoa azo avy amin'ny tontolo iainana eto amintsika indrindra ireo vokatra avy amin'ny fambolena. Isan'ny vokatsoa azo amin'izany ny sakafo sy ny zava-maniry hafa, afaka manamafy ny hery fiarovana ho an'ny vatana manoloana izao ady amin'ny valan'aretina covid-19 izao, hoy Dr Rakotohery Josette mpahay ara-tsakafo sy ny aretina manodidina ny fomba fisakafoana. Misy ohatra vitsivitsy ireo, sakafo manampy hery fiarovana: goavy, poivrons, persil, voasary...
♦ Lavanila milanja 1 780 taonina no naondran'i Madagasikara tany amin'ireo firenena 21 any ivelany, tamin'ity taom-pambolena 202-2021 ity. Nahatratrra 94% ny fiverenan'ny vola taty Madagasikara... ♦Nisokatra omaly ny taom-panjonona makamba eto amintsika. Heverina ahatratra hatrany amin'ny 14.000.000.000 Ariary ny tamberim-bidy... ♦ Nitombo 1 400 000 ny Malagasy latsaka anatin'ny fahantrana lalina, tamin'ny taona 2020 noho ny valan'aretina Covid-19...
Naneho ohatra fakan-tahaka manoloana ny resabe mikasika ny vakisiny Covid-19 ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard, ka nitarika ny zandary nanao vakisiny omaly...
♦ Mbola tsy ampy ahafahana mamaritra ny fahatratran'i Madagasikara ny PIC ny fivoaran'ny Coronavirus ankehitriny. Ahiana mbola hanova zavatra mantsy ny fidirana amin'ny aty ririnina... ♦ Voahaja ny fanakatonana fiangonana amin'izao fotoana izao, saingy ny mifanohitra amin'izany no zava-misy eny amin'ny tsena sy ny fitateram-bahoaka, hoy ny Vikera Jeneraly eo anivon'ny diôsezin'i Fianarantsoa...
♦ Hotanterahina mivantana ihany, tsy ampiasàna "visio-conférence" ny fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra anaty governemanta... ♦ Fanazavàna nentin'ny mpitsabo, manoloana ny ahiahin'ny Malagasy sasany amin'ny voka-dratsy ateraky ny fanaovam-baksiny fanefitry ny coronavirus... ♦ Tsy nihetsika ireo sehatra fampiroboroboana ny toe-karena eto Madagasikara ta anatin'ny telo volana voalohan'ity taona ity...
Ny aina no toavina sy hajaina, izay ao anatin'ny vatana miaraka amin'ny saina sy ny fo ary ny fanahy. Ao anaty vatana ireo rehetra ireo noho izany dia tsy maintsy toavina izany ny vatana. Ny vehivavy dia mpitahiry ny aina, ka ny fanajana ny aina no tena sotoavina. Ny fanabeazana sy ny fibeazana no fototra ho fandaminana ny fihentanam-po...
♦ Nanomboka omaly ny hetsika fanaovam-bakisiny fanefitry ny Covid-19 eto Madagasikara. Afaka misitraka izany avokoa ireo olona marefo sy ny zokiolona misoratra anarana... ♦ Nitombo fito indray ireo marary lavon'ny Coronavirus eto amintsika, mbola nisy 150 ihany koa ireo tranga vaovao hita, raha ny tarehimarika farany navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalam-bahoaka omaly...
♦ Natomboka androany ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny Coronavirus eto Madagasikara. Natao vakisiny Covidshield voalohany teny amin'ny HJRA ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Nitombo fito indray ireo marary lavon'ny Covid-19, dimampolo amby zato kosa ireo tranga vaovao hita tamin'ireo natao fitiliana, raha ny tarehimarika navoakan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka androany...
Zoma 14 mey 2021 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evan jely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco