Alarobia 09 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.
♦ Hitondra rijan-tenin-dalàna eny anivon'ny parlemanta ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera, mba ho lasa lalàna eto Madagasikara ny fanatanterahana ny Tagnamaro... ♦ Azo antenaina ny hanamboarana ny seranam-piaramanidina ao Arivonimamo, rehefa tafapetraka any amin'ity distrika ity ilay tanàna vaovao... ♦ Voasokajy ho volana mafana indrindra eran'izao tontolo izao ny volana novambra lasa teo...
Talata 08 desambra 2020 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Arahaba, ry Maria feno hasoavana ; ny Tompo ao aminao ; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.
♦ Andriamatoa Rija Rajhonson no masoivohon'i Madagasikara any anivon'ny fiketrahana masina any Vatican. Tamin'ny zoma maraina teo izy no nanolotra ny taratasy manendry azy ho amin'izany andraikitra izany, tamin'ny papa François... ♦ Tena mbola misy ny Coronavirus eto Madagasikara : Niampy olona 04 indray no namoy ny ainy vokatr'izany tao anatin'ny tapa-bolana... ♦ Mihadifotry ny krizy ara-pahasalamana hatrany ny any Etazonia, manodidina ny 230.000 isan'andro eo ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19...
06 desambra — Teraka tao Patare, tananan'i Lycie tamin'ny taona 270 i Masindahy Nicolas. Fanta-daza tamin'ny fitiavam-bavaka ny ray aman-dreniny, ary tamin'ny fitalahoana am-bavaka no nahazoan'izy mivady ireo an'i Nicolas, satria tsy niteraka mihitsy izy ireo. Fa rehefa ela no nitalahoany tamin'ny Andriamanitra, dia nankatoaviny ny vavak'izy ireo.
Ny lanjan'ny famakiana boky eo amin'ny fiainan'ny tanora. Loharanom-pahalalana ny Boky. Mamporisika ny saina ho tia karokaroka ny famakiana azy. Manentana ny tanora hamaky boky fa sady fialamboly izy ireny...
♦ Fitsaboana matianina : fitsaboana mampiasa fitaovana manana kalitao tsara, tantanin'ny mpitsabo manao fiofanana isam-bolana, ary mampiasa fanafody tsara kalitao... ♦ Fanafody tsara kalitao : vita fanandramana sy fanaraha-maso araka ny fenitra erôpeana, tsy miova endrika, tsiro...
♦ Fiiloha Nasiônaly Tafo Miavo : Tatitra mikasika ny fiarovana ny arena voajanahary eto Madagasikara... ♦ Ny varika mena : miovaova araka ny faritra ny anarana iantsoana azy ; tonkona, barimaso, tongo, alomena, soamiera, kiririoka... ♦ Fifaninanana Equator Prize 2020, andiany faha-11 : Tamia Antsirabe no nahazo ny laharana faharoa tamin'ireo vondron'olona ifotony miisa 600 amin'ny firenena 120...
♦ Tsy eken'ireo mponina manana tany amin'ny teorana hanamboarana ny lalana, miainga eny amin'ny sampanana Ambohitrimanjaka, hatrety amin'ny maison Don Bosco, ny fisisihan'ny Ministera... ♦ Tsy sakana amin'ny fampandaniana ny teti-bola ny loholona araka ny fanehoan-kevitry ny senatera Olivier Rakotovazaha... ♦ afaka miverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Laurent Gbagbo. Efa any aminy mantsy ny passeport...
♦ Covid-19 any Antsiranana : nirongatra ny valanaretina ka nndefa tompon'andraikitry ny ministeran'ny fahasalamana ny Praiministra... ♦ Famatsian'ny JIRAMA herinaratra : Handatsaka orana artifisialy ny JIrama sy ny météo malagasy hampihodinana ny tohondranon'Andekaleka... ♦ Vaksiny fenefitry ny Covid-19 : fatra 100.000.000 hatramin'ny 125.000.000 no haparitaka anatin'ny telo volana voalohany amin'ny taona 2021...
04 desambra — Jean Mansour no anaran'i Jean Damascène, niaina tamin'ny taonjato fahafito sy fahavalo izy io. Fianakaviana andriana sady kristianina no nipoirany, ary tany Damas, Syrie izy no teraka, ka izay no nahatonga ny fanampin'anarany hoe Damascène.
Alatsinainy 07 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 17-26 — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay !
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco