19 mey — I Raphaël-Louis Rafiringa dia mbola olontsambatra amin'izao fotoana izao. Teraka tao Antananarivo ny taona 1856 i Rafiringa. Ny taona 1866 izy no nihaona tamin'ireo Frères des Ecoles Chrétiennes telo mirahalahy, tonga teto Antananarivo ka niditra nianatra tao amin'ny sekolin'izy ireo.

♦ Tafakatra 322 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Toherin'i Madagasikara amin'ny fomba hentitra ny fikasan'i Frantsa hametraka ilay ivo-toerana mbomba ny tontolo iainana any amin'ny Nosy Sambatra... ♦ Mitaky ny hanajana ny fisaraham-pahefana eo amin'ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalana ary fahefam-pitsarana ny vondrona parlemantera tsy miankina na ny GPR...

♦ Tranga 18 vaovao indray no hita tamin'ireo olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mbola mitombo ary maro ireo olona mararin'ny tazomoka mahery any amin'ny distrikan'i Betroka. Tsy ampy ny fanafody fitsaboana fa fanafody fanefitra no nalefan'ny fitondram-panjakana... ♦ Toherin'i Madagasikara ny fikasan'i Frantsa hametraka Ivo-toerana momba ny tontolo iainana ao amin'ny Nosy Sambatra...

Alarobia 20 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

♦ Manentana ny Malagasy mba hisotro ny tambavy CVO ny Filoham-pirenena, hiarovan-tena amin'ny fahazoana ny Coronavirus... ♦ Hanao fihaonam-be any Fianarantsoa handinihana ny fomba hanarenana ny tontolon'ny fanabeazana aorian'ny ady atao amin'ny valan'aretina ny Sempama... ♦ Dinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona amin'ity herinandro ity ny volavolan-dalana momba ny famokarana biôlôjika...

♦ Hamafisina ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus amin'ny faritra ahitana izany... ♦ Tafakatra 304 ny isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Minatso ny olom-pirenena tsy an-kanavaka mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ampiharin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny FFKM...

18 mey — Mpanjaka tao Suède nanomboka ny taona 1150 i Eric, nisongadina tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony tany amin'ireo Anglo-saxons tany Europe Avaratra, ny asa sy ny fiainany, indrindra fa ny tao Suède. Nankinin'i Eric tamin'i Henri, eveka tao Uppsala ny fampibebahana ny vahoakany. Fa izy tenany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Finlande, toerana mbola tena be mpanompo sampy.

Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.

♦ Nanamafy ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety fa mamely mafy ny tazo mahery any amin'ny faritra maro eto amintsika... ♦ Nikatona omaly ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an'ity taona ity... ♦ Misaona ny zava-kanto malagasy. Nodimandry tampka omaly i Sefo Nonoh, mpitendry gitara beso, amin'ny tarika malagasy maromaro...

♦ Mihazakazaka ny fitombon'ny isan'ny olna mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Nilaza ny tsy tompon'andrikitra tamin'ny fitombon'ny isa tamin'ny valin'ny fitiliana natao ny 06 mey teo ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Efa nivoaka ny fonja ilay Ben'ny tananan'Ankerana Avaratra any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy...

♦ Mihazakazaka ny fitomboan'ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any Toamasina... ♦ Tsy tompon'andraiktra tamin'ny fitomboan'ny isa tamin'ny valin'ny fitiliana natao tamin'ny 06 mey lasa teo anivon'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nirongatra be ny asan-dahalo tato ho ato, lasibatr'izany ny distrikan'Ikalamavony...

16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...