• Nanao hetsika an-dalambe, niainga teny Andrefan'Ambohijanahary nihazo ny Lapa Maitso eny Anosikely, ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra sasany, manoloana ny fisian'ny “délestage” manerana ny nosy... • Antenaina fa hivaha ny olan'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina atsy ho atsy, rehefa vita avokoa ireo tetikasa samihafa fananganana “parc solaire”, ahazoana herinaratra avy amin'ny masoandro... • Hanamafy ny fiarovana ny ankizy tsy ampy taona, manoloana ny firongatry ny fanararaotana mamoafady sy ny famarinana ankizy ny tetikasa Mitovy, izay tanterahan'ny ECPATE France...
Manohana ny hetsika ataon’ireo fikambanan’ny tantsaha eny anivon’ny faritra hiatrika ny fampanjarian-tsakafo ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Amin’ny alalan’ny tetik’asa, “Hetsika ataon’ny fikambanan’ny tantsaha manohana ny mpikambana ao aminy ho lasa matihanina kokoa”, no anatanterahana izany.
• Mitombo ny isan'ny mpizaha tany tonga eto Madagasikara tamin'ity taona ity, hoy ny Minisitra tompon'andraikitra. Hatao ao Maorondava ny fankalazana ofisialy ny Andro eran-tany ho an'ny Fizahan-tany, ny 27 sy 28 septambra 2025... • Nampiato vonjy maika ny fividianana katsaka eto an-toerana ireo orinasa lehibe mampiasa ny katsaka ho akora fototra, manoloana ny tsy fahampian'ny vokatra sy ny fiakaran'ny vidiny eo amin'ny tsena... • Efa niomana hatramin'ny ela amin'ny fifidianana Loholona hatao ny 11 desambra 2025 ny IRMAR, ao amin'ny Distrikan'Ambatofinandrahana, Faritra Amoron'i Mania. Tsy manana olana amin'ny mpifidy vaventy izy ireo, hoy ny Solombavam-bahoaka Razafindrabary Richard...
Ity taom-pikatrohana ity dia hifantoka kokoa amin'ny firesahana ny soatoavina "fihavanana" Kolontsaina Malagasy fototra. Mandringa ankehitriny ny fahaiza-miaina nananan'ireo Ntaolo, izay nanao ho zava-dehibe ny fihavanana mialoha ny vola, amin'izao fotoana izao mantsy "aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Ny fihavanana, ny fifanajàna no afahana manorina fifanarahana. Raha te handroso dia mila manana tanjona sy mahafaritra dingana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Nidina an-dalambe naneho ny hetahetany, ny mponina tao amin'ny Distrikan'Arivonimamo omaly, notarihin'ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine. Tsy ara-dalana, hoy kosa ny Lehiben'ny Distrika, ny hetsika natao satria tsy nahazona lalana izany... • Nampiato ny asa fitaterana nandritra ny ora roa omaly, ny kaoperativa mpitatitra amin'ny lalam-pirenena voalohany. Misedra olana eo am-panatanterahana ny asany koa izy ireo... • Marary tratran'ny SIDA, na ny karama tsy ampy efa taona maro, ny mpiasan'ny fahsalamana, hoy ny sendika Triade. Hotanterahana ny sabotsy izao ny fivoriambe hitadiavana vahaolana momba izany...
• Nitana ny teny nomeny ka nitarika olona androany ny Solombavam-bahoaka FIVOI, tany Imerintsiatosika. Tsy nihemotra fa nampihatra ny lalana koa ny Lehiben'ny Distrika any Arivonimamo... • Miankina amin'ireo tompon'andraikitra hafa sisa ny hahatongavan'ireo fitaovana hanampiana ny Jirama, avy any Toamasina ho eny Ambohimanambola, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... • Tsy nomen'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka hatramin'ny farany, ny toerana nokasain'ny sendika Triade hanaovana fihaonambe. Tsy hihemotra anefa ny sendika...
♦ Sendikan'ny mpiasam-panjakàna ambony (SYNAD) : Tsy manaiky ny hisian'ny hetsika an-dalambe hitarihana vahoaka hanohitra rafim-panjakàna amin'ny maha tany tan-dalàna an'i Madagasikara... ♦ Mila harenina amin'ny asa ny fahasimban'ny sosona ôzôna toy ny tsy fampiasana ireo fitaovana misy akora mpanimba hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy Andonirina Max Fontaine... ♦ Vola mitentina 183 tapitrisa Ariary, vidim-panafody teo anivon'ny CHRD-II Itaosy (hopitaly Itaosy) no nahodin'ny mpiasa miisa telo, nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireto farany...
♦ Niainga teto Antananarivo omaly ireo fanampiana vonjy rano vaky avy amin'ny fitondram-panjakàna ho an'ireo niharam-boina tamin'ilay haitrano tany Mananjary... ♦ Hanao hetsika fitakiana ny fialan'ny Lehiben'ny Distrikan'Arivonimamo ao Imerintsiatosika anio alarobia 17 septambra, ny vahoaka izay tarihin'ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Tanora manodidina ny 25.000 isa no handray anjara amin'ny fihaonamben'ny tanora Afrikana mifandray izay atao ny 26 hatramin'ny 30 novambra 2025 ho avy izao, efa vonona amin'ny fandraisana izany isika eto Madagasikara...
• Tsy niandry ela fa nandefa fanampiana hamonjena ireo traboina an'arivony, vokatry ny hay trano nitranga tany Mananjary, ny fitondram-panjakana foibe amin'ny alalan'ny BNGRC... • Hitaky ny fialan'ny Lehiben'ny Distrika ny mponina ao amin'ny Distrikan'Arivonimamo rahampitso. Hetsika hotanterahana ao Imerintsiatosika, hotarihin'ireo Solombavam-bahoaka mirahalahy... • Firenena 40 aty Afrika no handray anjara amin'ilay Fihaonamben'ny Tanora Afrikana Mifandray, hotanterahana eo Madagasikara amin'ny volana novambra ho avy izao. Nandray ny Tale mpanatanteraky ny Youth Connect Africa, avy any Rwanda androany ny Minisitra Maroson Abdulah Moustapha...
• Mavesatra ny vokatry ny firehetana tany Mananjary. Nisy ireo mpivady may kilan'ny afo ankoatra ireo traboina an'arivony, izay manao antso avo amin'ny hanampiana azy ireo... • Nisy ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ireo olona niaritra ny tifitra sy ny fitsoahana tany anaty ala, tamin'ilay raharaha tsy mampitovy hevitra ny OMC sy ny fikambanana Mazoto... • 60 tapitrisa Ariary no anto-bolan'ny kandidà ho Loholona. Miverim-bola ireo kandidà mahazo 10 % amin'ny vaton'ny mpifidy...
Andriambahoaka afovoan'ny tany dia zanaky ny Mpanjaka Andriambahoaka, nanjaka tao Imam, nandova ny fanjakàna izy ary nanana ny lazany. Nomena ny anarana hoe afovoan'ny tany izy noho ny lazany tamin'ny haranitan-tsaina niaraka tamin'ireo vahoaka notantaniny ; rehefa namantatra ny toerana misy ny fanjakàny i Andriambahoaka-II dia naniraka vahoaka nozarainy antoko roa ka ny antsasany nianavaratra ary ny ampahany faharoa nianantsimo, nasainy hitondra ranomasina sy zava-maniry amin'ny tany izay lalovany avy ireo, niara-tonga teo an-tanàna ireo iraka ka izay no nahafahany namaritra fa ivon'i Madagasikara no nisy ny fanjakàna ary io no niavian'ilay anarana fanampiny hoe "afovoan'ny tany"...
• Nandravarava tamin'ny Fokontany telo any Mananjary ny afo. An-jatony ireo trano may ary an'arivony ireo traboina... • Anaty tevana ny demokrasia eto Madagasikara, hoy ny Transparency International Initiative Madagasikara. Malalaka kosa ny demokrasia eto amintsika, hoy ny Minisitry Serasera sy ny Kolontsaina... • Mety hiatrika olana hafa, ka mila fandalinana ny fampiharana ilay tetikasa EAGER, entina hanampiana ireo zazavavy mpianatra, hoy ny sekoly tsy miankina...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco