♦ Fikorontanana noho ny fandaminana avy amin'ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fiakaran'ny filàn'ny mpanjifa no mahatonga ny tsy fisian'ny lasantsy amina tobin-tsolika sasatsasany amin'izao hoy ny OMH... ♦ Hihaona amin'ny MInistry ny Fahasalamam-bahoaka hiresaka momba ny olan'ny fahataran'ny pré-salaire an'izy ireo anio ny Union de Internes de Madagascar (UIM)... ♦ Tanterahina ny talata 14 avrily izao etsy amin'ny CCI Ivato ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora hiarahana amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena...

Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny fanavaozana dia mila fifampatokisana, fahamarinana ary fitiavana. Ilaina ny fametrahana fitsipi-pifehezana mba hisorohana ny fifanipahana. Ny fanambarana hita eny amin'ny tambazotra sôsialy dia sintona lakolosy fanairana sy fampitandremana ary tena fitiavana hampandroso, indrindra raha tena matotra sy marina ny vaovao atosany fa tsy fakom-baovao na hitondra korontana. Miankina amin'ny fanabeazana sy ny sandam-bola ny fandrosoana satria ireo dia mahakasika ny olom-pirenena tsirairay mivantana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Napetraka ho firenena anaty hamehana ara-angovo mandritra ny 15 andro i Madagasikara araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata faha 7 avrily... ♦ Dokotera Ibrahim Norbert Richard no voafidy ho sekretera Jeneraly vaovaon'ny vaomieran'ny ranomasimbe indiana taorian'ny fametraham-pialan'Andriamatoa Edgard Razafindravahy ny faran'ny herinandro teo... ♦ Miisa 6 ireo mpanao gazety kandida ho solontena ao amin'ny CENI, ny alatsinainy izao fara-fahatarany no tokony hatolotra izay ho solontenan'ny mpanao gazety eo anivon'ity kômity ity... ♦ Niverina nisokatra nanomboka androany alarobia ny détroit d'Ormuz...

Ny mampivarahontsana ny olombelona indrindra dia izy ho faty. Noresen'i Kristy anefa ny fahafatesana ka hiara-mitsangana aminy isika. Eo anoloan'ny fahafatesana no tonga amin'ny fara-tampony ny zava-tsarotra momba ny toetry ny olombelona. Fa na dia tsy mahomby aza eto ny fisaintsainana rehetra ; araka ny fampianaran'ny Eglizy dia hiafara amin'ny fahasambarana ny fahoriana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

♦ Miisa enina ireo kandida hihazakazaka hisolo tena ny mpanao gazety eny amin'ny CENI Alarobia. Hotanterahina ny zoma izao amin'ny alalan'ny SMS ny fifidianana... ♦ Mitsipaka marin-drano ny fikasan'ny fitondrana ankehitriny hanendry indray ireo lehiben'ny Fokontany ny Antoko FIVOI. Antony iray notakiana tamin'ny hetsi-bahoaka farany teo ny fanoherana izay fanendrena ny lehiben'ny Fokontany izay hoy ity antoko ity androany... ♦ Tsy bozaka no tena olana amin'ny Kianjan'i Mahamasina fa olana hafa mihitsy, hoy ny mpamakafaka baolina kitra sy mpitia io taranja io, Randriamasinoro Herinaivo (Gothlieb) Tsy vahaolana ny fanovàna ny bozaka ho synthétique...

♦ Nametra-pialàna tsy ho Sekretera Jeneralin'ny COI intsony Atoa Edgard Razafindravahy. Tsy fantatra mazava aloha ny anton'izany. Misy ifandraisany amin'ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ve?... ♦ Tokony hofidiana ny Sefo Fokontany manomboka izao, hoy ny fanambaran'ny Kômity Miaro ny Tolona tamin'ny faran'ny herinandro teo. Mitaky ny hanalàna ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo-renivohitra izy ireo... ♦ Miakatra fampanoavana amin'ity Talata ity ny Ben'ny Tanànan'ny Tsarasaotra any amin'ny Distrika Ambositra, taorian'ny fisamborana azy. Olana ara-tany hitorian'ny Diôsezin'Ambositra azy no anton'izao raharaha izao...

♦ Natokana ho andro hivavahana ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany ny  sabotsy 11 avrily izao. Namoaka hafatra momba izany ny Papa Léon-XIV, tamin'ny alahadin'ny Paka teo... ♦ Olona 6 no niatrika fety tany am-ponja noho ny raharaha fanodikodinam-bola teo anivon'ny Fond Souverain Malagasy. Nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora sy Tsiafahy izy ireo... ♦ Noferan'ny Fanjakàna ny vidin-tsolika farany ambony eto Madagasikara. Mbola voatàna mitovy tamin'ny vidiny tamin'ny volana marsa teo izany, araka ny fampitam-baovaon'ny OMH... ♦ Mandrahona hamotika an'i Iran ny filoha amerikana omaly...

Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Tsapan'ny olona fa ao anatiny ao dia misy lalàm-pitondran-tena tsy maintsy arahina, dia ny feon'ny Kônsiansiny. Dodonan'io feo io lalandava izy ho tia sy hanao ny tsara ary handositra ny ratsy ; re ao anatin'ny fo ao izy milaza amin'ny fotoana mety manao hoe "ataovy ity ; ialao io ".  Na mety ho diso làlana aza ny kônsiansy dia tsy very hasina velively izy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

♦ Fanamby lehibe napetraky ny Filohan'ny Filan-kevi-panjakàna Rabarisoa Andrianaina ny hamoahana ao anatin'ny telo volana ny didim-pitsaràna momba ny fifanolanana ara-pifidianana Ben'ny Tanàna farany teo... ♦ Efa misy manova koa ankehitriny ny daty fara-fampiasàna ireo fanafody, araka ny tatitry ny Holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara... ♦ Vary simba 13 kitapo no tra-tehaka teny Andravoahangy, nandritry ny fidinana ifotony nataon'ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Latsa-danomaso ireo injeniera iraniana rehefa nanopimaso ilay tetezana nodarohan'ny amerikana baomba ; sivily 13 no namoy ny ainy tamin'ny firodanan'io tetezana io...

Alahady 05 aprily 2026 - Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa - Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Tsy nahatana an'i Jesoa ny herin'ny maizina sy ny fahafatesana ; nandresy ary nitsangan-ko velona ny Tompo ary tsy maty intsony. Lalina sy mahagaga ny ataon'Andriamanitra ho antsika, manambara ny nahafatesanao izay ry Tompo, mankalaza ny nitsangananao, miandry ny hiavianao amim-boninahitra. Ao anatin'ny hateloana fankalazana ny Paka dia tsy mihanona fotsiny amin'ny fahatsiarovana ny fijalian'ny Tompo isika fa hiditra amin'io Mistery io ka hataontsika fihetsepony ny fihetsepo ao amintsika, hiainana izay niain'i Jesoa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...