Ny asa sy ny fandrosoana dia mikendry hanatsara ny fiainana mba hifanaraka amin'ny lahatr'Andriamanitra. Noforonina araka ny endrik'Andriamanitra ny olombelona, nomeny andraikitra sy iraka, mba hizaka ny tany sy izay rehetra eo aminy, hitondra ny voary tontolo amin'ny fahamasinana sy amin'ny fahamarinana ary hanaiky an'Andriamanitra Mpahary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Nandiso ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazon-tserasera nilaza fa : nanafina ny Kôlônely Patrick sy mitahiry fitaovam-piadiana i Mompera Pedro, ny tanora Akamasoa, androany... ♦ Mitaky ny hametrahana rafitra mazava, mangarahara ary mampiaty, itondrana ny zotry ny fanavaozana ny firaisa-monim-pirenena ROHY... ♦ Manana paik'ady hampivoarana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, ankehitriny... ♦ Hanohy ny fitsidihana Apôstôlika any Angola, anio, ny Papa Léon-XIV, handrasana any an-toerana anio tolakandro izy...
Alahady 19 aprily 2026 - Alahady faha-3 - Taona "A" fankalazana ny Paka : Mitoera eto aminay, Ry Tompo ; Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo; Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao Azo zaraina efatra ny dingana nizoran'ireo roalahy vao nahalala an'i Jesoa : Ny fahadisoam-panantenana teo amin'izy roalahy, ny fahatongavan'i Jesoa niara-dalana tamin'izy ireo, Jesoa mampianatra ny Tenin'Andriamanitra, ary farany ny famakiana ny mofo nataon'i Jesoa. I Jesoa, Andriamanitra dia tsy miandry fotsiny antsika ao amin'ny Tabernakle fa manantona antsika eny amin'ny fiainana andavanandro, anaty ny sarotra, ary mihaino Izy....
Misy karazany ny hao dia ny hao fotsy sy hao maity ; sokajina ao anatin'ny aretina satria azo avy amin'ny kantsetsitra (maladie parasitaire). Tsy voatery ho olona maloto no misy hao, fa rehefa tsy voatandrina na voasoroka ny fifindràny. Mety hifindra amin'ny fifampikasohana na fampisana ireo fitaovana avy nampiasain'ny hafa izy. 50°C hatramin'ny 55°C eo dia efa mahafaty ny hao raha ; ny toerana mety hisy ny hao amin'ny tenan'ny olona dia @ loha, vatana na akanjo ary ny faritry ny taova-pananahana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hifarana anio sabotsy ny hairanty Voatra andiany faha-12 sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha Marôkanina, izay tanterahina eny amin'ny Novotel Alarobia... ♦ Iharan'ny tsindry samihafa ny "Inspecteur" eo anivon'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy, ary ara-pôlitika... ♦ Mpiofana 50 mianadahy indray, no nahavita fiofanana arak'asa teo anivon'ny Ivon-toeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tantanan'ny Masera Fille de Marie Auxiliatrice... ♦ Nankasitraka ny fanambaran'ny ministry ny raharaham-bahiny Iraniana omaly zoma, hanokatra ny détroit d'Ormuz, i Danald Trump...
I Jesoa Kristy irery ihany no fahamarinana, sy hany lavorary, izay mihendraka amin'ny dia very. I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ny voahary manontolo dia miandry ny fiverenany amim-boninahitra. Ny fiangonana ankehitriny dia miatrika ny zava-misy ka mampita ny hafitr'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny Sorotra Masina noho izany dia ny Evanjely no hany hatsapana ny lanja ny fiainana, izany hoe amin'ny alalan'ny Tenany sy ny Teniny. Irina ny mba hisian'ny fotoam-pivavahana sy famakiana Soratra Masina amin'ny fitokanana maro samihafa... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ilay Teny Tonga Nofo no mampiray ny ololmbelona, tamin'ny ohatra nomeny. Tsy niolonolona fa niray petsapetsa tamin'ny olona rehetra afa-tsy tamin'ny fahotàna. Nanamasina ny fiainam-pianakaviana sy fikambanana izy, tamin'ny fampianarany hifampitondra toy ny mpirahalahy, tamin'ny fivavahana nataony (Mba ho iray anie izy rehetra), Didy nomeny ny ha-fianakavian'Andriamanitra ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Miezaka mandrakariva ny hampivelatra ny fisiany sy ny fiainany ary manatanteraka ny drafitr'Andriamanitra mikasika antsika olombelona ny Fiangonana. Amin'izao andro izao, ampian'ny siansa sy ny teknôlôjia dia hita fa niha niitatra ny fahefan'ny olona manoloana ny zava-boahary ary tsy mitsaha-mitombo izany. Ny Fiangonana dia mpiaro sy mpitahiry ny Tenin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny asan'ny olombelona eo amin'izao tontolo izao" iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
• Hotrandrahana manokana amin'ny Voatra andiany faha-12, sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha marokanina, ny tsena any amin'ity firenena ity... • Iharan'ny tsindry samihafa ny Inspecteur an'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy sy ara-politika... • Mpiofana 50 mianadahy, no nahavita fiofanana araka asa teo anivon'ny Ivotoeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tanatanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice...
• Enim-bolana aty aoriana, efa manomboka very sahady ny tombony kely tamin'ny fahafahana maneho hevitra, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar... • Alefan'ireo tantsaha amin'ny vidiny mora ny vary akotry any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. 60.000 Ariary ny iray gony amin'izany, izay ahiana hiteraka olana ho an'ireo tantsaha... • Ilaina ny fanavaozana ny rafitra fandalinana ny toekarena mba hifanaraka amin'ny zava-misy ankehitirny, araka ny resaka nifanaovan'ny mpitantan-draharahan'i FMI, tamin'ny Minisitry ny Toekarena Malagasy, manoloana ny fiantraikan'ny krizin-tsolika...
Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Voasambotra ary nalefa eny amin'ny fonjabe eny Tsiafahy ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Efa nisy teratany vahiny sy Malagasy miisa 4 nosamborina koa afaka omaly, ka nahafahana nanao ny fanarahan-dia ny Kolonely... • Mpiasa telo eo anivon'ny Kaominina Antananarivo no voatazona eny Fiadanana, efa 14 andro izao. Tsy fantatra mazava ny antony nisamborana azy ireo, raha ny tatitry ny Sendika Mahalaeotenan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Mizarazara ny hevitry ny mpiasa sy ny olom-boafidy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fanendrena ny PDS vaovao, izay avy amin'ny antoko TIM...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco