♦ Nankalaza ny fetin'i Masindahy Joany Bosco ny Fiangonana omaly faha-31 janoary. Sorona Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo Mgr Raoelison Jean de Dieu no nanehoan'ny fikambanana saleziana izany teny Ivato... ♦ Telo no maty, dimy naratra mafy, izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalamby niseho tao Sahasinaky Fenomby. Fiaran-dalamby niainga tao Manakara saika hihazo an'i Fianarantsoa... ♦ Hanolotra ny fandaharan'asany hanatanterahana ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakàna eny  amin'ny antenimieram-pirenena, anio maraina ny Praiministra lehiben'ny Governemanta, araka ny voalazan'ny andininy faha-99 ao amin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblika fahaefatra...

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny Zokiolona , ho an'ny fianakaviana, ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny Eglizy. Mila fanomezam-boninahitra amin'ny fiainana manontolo ny zokiolona, zava-dehibe ho an'ny fiaraha-monina izy ireny. Ny fanabeazana avy amin'ny zokiolona dia zava-dehibe, manamafy izany ilay fahendrena hoe : zaro amin'ny lalana tokony halehany ny zaza fa na efa lehibe aza izy tsy hiala amin'izany. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

Voajanahary eo amintsika olombelona ny tsara noho izany dia voajanahary eo amintsika ihany koa ny fahalalana ny ratsy. Mahafatatra isika fa ny mandainga dia ratsy. Ny fifandraisana eo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia hampiarana io fahaizana mamakafaka io. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra koa taovina rehefa voafakafaka ireny. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Namoaka ny isa azo sy laharana misy an'ireo firenena eran-tany momba ny ady atao amin'ny kolikoly ny Transparency International. Any amin'ny laharana faha-145 amin'ny firenena 180 no misy an'i Madagasikara... ♦ Mbola tetezamita mitanila ny fitondrana misy ankehitriny hoy ny Cellule de Crise "Diovy i Madagasikara". Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ho avy eo izy ireo araka ny tapaky ny mpikambana... ♦ Hajanona amin'izay hoy ny governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka ny fanariana fako eny Anosipatrana. Efa miverina amin'ny laoniny mantsy ny fidirana amin'ny fanarina fako eny Andralanitra... ♦ Nomelohan'ny fitsaràna any Pakistan 10 taona an-tranomaizina ny Praiministra teo aloha Imran Khan...

Ankehitriny dia miha mavesatra ny hasin'ny fianakaviana, izay ny ray no loham-pianakaviana mitarika. Manana andraikitra lehibe ny ray manoloana ny zava-misy ankehitriny, amin'ny lafiny fanabeazana ny ankohonany : aina sy vatana. Ny atao hoe "ray" dia solon-tenan'ny fianakaviana, miaro ny ankohonana, mamelona. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Miantso ny Governemanta, hidinika amin'ny rehetra momba ny fanatanterahana fifidianana, ny Vovonana Gasy Leo. Kajikajy pôlitika ny hampiarahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, hoy izy ireo... ♦ Mitaky amin'ny CENI, ny tokony hamoahana ny datim-pifidianana, ny antoko Humaniste Ecologique. Ahiana, hoy ity antoko ity, fa sao miandry baiko avy amin'ny fitondrana ny CENI, vao hamoaka ireo tetiandro... ♦ Ahiana hisy fiforonana rivodoza indray ao amin'ny Ranomasimbe Indiana. Mety hisy rindrin-drahona handalo any amin'ny ilany atsimo atsinanan'ny nosy, manomboka rahampitso...

Ankehitriny ny fahotana dia mifototra amin'ireo tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra. Maro ny olona no tsy miraharaha ny fisian'Andriamanitra mihitsy. Vahaolana ny Zokiolona : ampitaina ny trai-kefa hahafahana mamakafaka. Misy anjara toerana manokan'ny zokiolona amin'ny fifandraisana amin'ny taranany , izay tsy miainga amin'ny zavatra teo aloha dia hirona amin'ny fahaverezana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

♦ Tsy zava-baovao teto amin'ny firenena ny fikarakarana fifidianana roa samy hafa, hoy ireo fikambanana sy firaisamonim-pirenena, mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara... ♦ Olana iray mbola mitoetra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hatramin'izao, ny fanalana fako... ♦ Nisy indray lalana tapaka, vokatry ny rotsak'orana, any amin'ny Faritra Sava, eo amin'ny PK 405 amin'ny Lalam-pirenena faha-5A...

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Eveka, an'i Mgr Luc Oliver Razfitsimialona, hitantana indray manomboka izao ny Diôsezin'i Tolagnaro... ♦ Nentin'ny Papa nandritra ny fampianarany tao aorian'ny vavaka Angelus, ny fanentanana ny rehetra mba hianatra hiaina an-kalalahana, afaka amin'ireo gadra vy izay mamatotra ny tsirairay...

♦ Vonona handray anjara amin'izay fifidianana manaraka eo ny antoko TIM, ary manentana ny mpanara-dia azy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Miisa 9 ireo olona namoy ny ainy, 5 tsy hita popoka ary maherin'ny 9400 ireo tra-boina noho ny fisian'ny rotsak'orana be loatra manerana ny nosy, nanomboka ny 16 janoary, hoy ny BNGRC... ♦ Hafainganina ny dingana rehetra amin'ny fampisitrahana ireo Malagasy am-pielezana, ny pasipaoro, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...

♦ Tontosa omaly alahady 28 janoary 2024, ny fanamasinana sy ny fametrahana ho Evekan'i Tolagnaro, an'i Mgr Razafitsimialona Luc Olivier... ♦ Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana manomboka androany ireo Antenimiera mpanao lalàna... ♦ Avotra teo am-pelatanan'ireo dahalo naka an-keriny azy, ireo vehivavy telo mianaka tany amin'ny Fokontany Androva Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...

Miha simba ny fifandraisana ankehitriny, lasa tsy mifankahazo noho ny fironana ara-pôlitika, lasa mitady finoana hafa noho ny faharesen-dahatra manokana. Boky mivelatra ny zokiolona : manana tantara lava kokoa,  marina kokoa, fampitana trai-kefa-piainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...