21 desambra 2023 — Alakamisy, herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
Manana filàna fototra maro ny olona mba tena hivelatra amin'ny maha-olona azy manontolo : maha izy feno, ho hita sy hajain'ny olona ary hitokisana, finakaviana sy namana tia ary hotiavina, filaminana afa mitsinjo ny ampitso, filàna fototra (sakafo...). Amin'ireo anefa dia tsy mbola tanteraka akory lafiny ara-tsakafo sy ny fananana trano ary ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
20 desambra 2023 — Alarobia, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)
19 desambra 2023 — Talata, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 5-25)
♦ Mpitarika sendikà roa sy solombavambahoaka iray no samy miatrika fitsaràna nho ny raharaha pôlitika hanenjehana azy, nanomboka ny maraina teo... ♦ Tsy handefitra amin'ireo izay mihoa-pefy ny EMMO ny sabotsy izao, mandritra ny lanonam-pihanianana eny Mahamasina. Mpitandro filaminana hatrany amin'ny 6.000isa no voalaza fa hahetsika mandritra izany... ♦ Manahy ny mety ho fahavitsian'ireo mpampiasa vola vahiny hiara-hiasa amin'ireo orinasa afak'haba eto Madagasikara ny Fisemare amin'ny taona ho avy io. Nambaran'ny avy amin'ity sendikà ity fa mbola miahotra izay ireo, noho ny toe-draharaham-pirenena...
Tanjon'ny fandaharana ny hanentana ny rehetra mba hanana fahasalamana. Noresahina ny areti-mifindra mba hitandreman'ny rehetra satria ny fahasalaman'ny tsirairay no fototry ny fahasalaman'ny daholobe izay mety hampandringa ny fampandrosoana ny ankohonana sy ny firenena. Ny volana desambra dia isan'ny fotoana natao hanentenana ny olona rehetra mikasika ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo, indrindra ny SIDA. Entanina ny olona rehetra tsy handray, hihinana, hitsindrona zava-mahadomelina, tokony hanao ezaka ny tsirairay mba tsy hovoasarika amin'izany satria lafo ny fitsaboana hanalana ny olona iray eo ambany vahoan'ny zava-mahadomelina...
18 desambra 2023 — Alatsinainy, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 1, 18-24)
17 desambra 2023 — Alahady fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 6-8. 19-28)
♦ Hiakatra Fitsaràna eny Anosy anio ny raharaha nanenjehana ny mpitarika sendikà, Barson Rakotomanga sy ny Profesora Sammy Grégoire, noho ny fiampangàna azy ireo ho niantso miaramila hikomy ny volana nôvambra teo... ♦ Nalefa eny amin'ny Fampanoavan'ny Fitsaràna ny raharaha nanenjehana ny mpanao gazety Gascar Fenosoa. Mbola niverenana nampanantsoina teny Fiadanana indray izy sy ny mpanao pôlitika Christian Tabera omaly... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ny vidin'ireo entana ilaina andavanandro, indrindra amin'izao ankatoky ny fety izao. Manao antso avo amin'ny fitondràna hijery akaiky ny fihenan-danjan'ny vola malagasy ARIARY ny mpiara ny zon'ny mpanjifa MCI...
♦ Nalefa hiakatra Fampanoavana, ilay raharaha fiahiahiana fiantsoana miaramila hikomy, nanenjehana ny mpanao gazety Gascar Fenosoa. Nohadihadiana nandritra ny andiny enina mahery teny Fiadanana izy androany... ♦ Tsy mitsaha-miakatra ireo entana ilaina andavanandro. Mila jerena ny fihenan-danjan'ny vola malagasy, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nolanian'ireo Solombavam-bahoaka fanindroany androany, ny volavolan-dalàna mifehy ny zon'ny mpamorona. Neken'izy ireo ny fanitsiana nentin'ny Loholna momba ny andinin-dalàna nifanipaka tao anatiny...
♦ Manomboka izao dia afaka misafidy ny andro hankalazana ny JMJ isan-Distrika, ny ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana: na ny andron'ny Sampankazo, na ny andron'i Kristy Mpanjaka, araka ny fanentanana nataon'ny Evekan'izy ireo... ♦ Nankalaza ny faha-30 taonany ny Oratorio Ivato, omaly alahady... ♦ Nanentana ny rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, mba hikatsaka ny fahanginana, ary hanafaka ny tena amin'ireo zavatra tsy dia ilaina loatra...
Boky voalohan’i Samoela 1, 24-28
Tamin’izany andro izany,
nony efa notazan’i Annà, reniny, i Samoela,
dia nentiny niakatra niaraka taminy,
sady naka vantotr’ombilahy telo
sy lafarina iray efah ary divay eran’ny siny hoditra izy;
dia nentiny nankao an-tranon’ny Tompo tao Silao izy.
Mbola tanora kely ny zaza.
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray,
ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza.
Ka hoy i Annà:
“Aza mahafady, tompoko.
Raha velona koa ny ainao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy
nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko
ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy.
Koa inty koa aho, mahafoy azy ho an’ny Tompo;
nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra.”
Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan'i Samoela 2, 1. 4-5. 6-7. 8
Endrey ny hafaliako manana ny Tompo!
Ny lohako nitanondrika mitraka.
Ka indro aho misoka-bava hiaro tena.
Mifaly aho, ry Tompo, fa voavonjinao.
Ny olo-mahery tapaka tsipîka,
ny osa kanefa miatrana aman-kery.
Ny voky nasainy miasa mikarama,
ny noana kanefa homana tsy miasa.
Ny momba nomeny zanaka amam-para,
kanefa ny maro anaka malazo.
Mamono ary koa mamelona ny Tompo:
mampidina sy mampakatra ny maty,
mampanana sy mandevona ny Tompo,
mampietry Izy fa manandratra avy hatrany.
Alàny tsy ho eo am-bovoka ny ory,
akariny avy eo am-pako ny mahantra,
ka indro nomeny toerana mpanjaka,
tolorany fiketrahana mihaja.
Aleloia. Aleloia.
Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
Tamin’izany andro izany,
i Maria nisaotra ny Tompo nanao hoe:
“Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko,
fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny.
Fa indro, hatramin’izao,
dia hataon’ny taranaka rehetra hoe: sambatra aho,
satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa.
Ary masina ny Anarany,
sady amin’izay matahotra Azy
hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony.
Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy;
dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony;
naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy,
fa ny ambany kosa nasandrany;
ary ny noana novokisany soa,
fa ny mpanankarena kosa, dia nampodîny nitondra tanam-polo.
Niahy an’i Israely mpanompony Izy,
fa tsy hadinony ny famindram-pony
tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay,
araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika.”
Nitoetra tokony ho telo volana
tao amin’i Elizabeta i Maria
vao nody tany an-tranony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco