Ny fiheverana ny atao hoe fivelomana andavanandro dia : ny hohanina, ny hitafiana, ny hitsaboana raha marary, ny adidy eo amin'ny fiaraha-monina sy ny firenena... Zary tanjona ny vola, izay tokony ho fitaovana ka tsy handanjalanjana intsony ny fomba ahazoana azy ka tonga hatrany amin'ny : fanapotehana ny hafa, ny herisetra, ny fanambakana, ny halatra sy ny vaky trano. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Amin'ny ankapobeny sy ny lôjikam-piainana dia ny raim-pianakaviana no tena miasa mamelona sy miahy ary miaro ny fianakaviany. Mila fiomanana mialoha ny maha raim-pianakaviana : na ara-potoana na ara-piariana, izany hoe manana antom-pivelomana, manana fonenana mitokana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny tsy fananana fahaleovantena eo anatrehan'ny ray aman-dreny dia mitarika fiankinandoha izany hoe tsy zatra mandray andraikitra sy mitrosa matetika. Mila mihezaka mampivelatra ny sehatra fiariana izay hanorina tokan-trano. Ny olana dia mila hatrehina satria ny olana dia natao ho vahana fa tsy handosirana. Iainana ilay teny nifanomezana : "na inona hidona na inona hiatra..." Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Satria fianakaviana no resahana dia manana andraikitra ihany koa ny reny eo amin'ny asa fivelomana. Toy ny lehilahy ihany dia mila fiomanana ihany koa ny ho renim-pianakaviana, ka ankoatra ny fianarana dia ny fizarana amin'ny asa madinika ao an-trano. Na miasa na tsia ny vehivavy dia izy no tokony hiandraikitra ny fitantanana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny fijoroan'ny renim-pianakaviana ho mpanohana sy mpankahery ny vadiny dia efa tohana lehibe sady mandrisika azy hiasa. Adidin'ny raiaman-dreny ny mamelona ny zanaka, sady zon'izy ireo koa ny ho toy ny zana-bahoaka : misakafo, mianatra, mitafy, milalao. Ny fandraisana andraikitra sy fizarana asa madinika ao an-trano dia tsy fampiasana zaza fa fanazarana azy. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fifamenoana ny fiainana, ka mila mifameno amin’ny lafiny maro ny ray sy ny reny ao an-trano ho fampandrosoana ny ankohonany. Hoy ny Soratra Masina: “Isika rehetra dia samy momba ny tenantsika avokoa, koa tsy natao hifanohitra ny tsy fitoviantsika, fa hifameno. Tsy ozona ny asa fa tso-drano avy amin'Andriamanitra sady mampiavaka ny olombelona. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny asa no mampiavaka ny olombelona amin'ny zava-boary hafa rehetra. Natao hivelomana sy hanaovana adidy ary hahasambatra ny asa. Fanohizana ny asa fahariana nataon'Andriamanitra ny asa ka mila kolokoloina sy hajaina mba hahatsara izao tontolo izao sy hahafahan'ny olombelona manjaka aminy fa tsy sanatria manjakazaka. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Andriamanitra no nampisy ny fianakaviana hatrany ampiandohana ka izay no maha masina azy. Ny fanehoana izay fahamasinana izay no maha Evanjely velona ny fianakaviana. Ny fianakaviana tao Nazareta, nisy an'i Joseph sy Maria ary i Jesoa no antsoina hoe fianakaviana Masina, tao i Jesoa ilay Evanjely torina no nipoitra izay fototry ny katesizy. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Nanolotra ny tenany ho fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra i Masina Maria : ""inty aho ankizivavin'ny Tompo, hoy izy...". Ny fanekena ny sitrapon'Andriamanitra dia vokatry ny finoana. Evanjely velona ny fianakaviana satria samy manolo-tena ho fanantanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Araka ny finoantsika dia tena olombelona i Jesoa sady tena Andriamanitra, ka tahaka ny olombelona rehetra dia mila volavolaina sy beazina ny maha olona manontolo : vatana, saina, ary ny fo amam-panahy. Fototry ny maha-olon ny vatana, saina, fanahy koa tsy misy azo atao antsirambina. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny kolontsaina sy fomba jody no netin'i Jesoa Kristy nampianatra sy nitory ny fanjakan'Andriamanitra, hany ka azon'izay nifanerasera taminy ny tiany hambara. Tsy nisekoseko hoe "izaho zanak'Andriamanitra" i Jesoa fa niaina ny fiainan'ny olombelona. Ilaina ny fameloma-maso ny faritra niaviana sy ny kolontsaina mba ho evanjely velona no sady mamelona. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny fijoronao amin'ny maha-izy anao dia mahasarika ny hafa ary mandrisika azy hanaraka sy hihaino anao. Ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana malagasy iray rehefa manaja sy miaina tsara ny kolontsaina malagasy, satria ao anatin'io kolontsaina eo an-toerana io ihany no afaka mamaka eo amin'ny fiainan'ny tsirairay ny Evanjely. Katesizy momba ny Evanjely velon'ny fiainana ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco