♦ Voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Frères des Écoles Chrétiennes eto amin'ny Distrikan'Antananarivo i Frère Julien Ratsimbazafy... ♦ Nitokona teny Antaninarenina, mitaky ny fialan'ny Minisitra Ramaherijaona Andriamanohisoa, androany ny mpiasan'ny Paositra Malagasy...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: "Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra."

Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."

Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: "Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy." Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.

Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony; fa hoy izy anakampony: "Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho." Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: "Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao." Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.

Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: "Mialà ianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory." Dia nihomehezan’ireo Izy. Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io. Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.

Tamin’izany andro izany, i Tômà, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: "Efa nahita ny Tompo izahay." Fa hoy izy tamin’ireo: "Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny fony ny tanako, dia tsy hino aho." Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Ary hoy Izy tamin’i Tômà: "Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny foko; dia minoa, fa aza malain-kino." Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!" Fa hoy i Jesoa taminy: "Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka mino."

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: "Andeha hanaraka Ahy ianao." Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Fa hoy i Jesoa nandre izany: "Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota."

Nalaza tamin'ny fangalana sokatra antsokosoko tany anaty ala ary mpihinana ny henany hatramin'izay ny mponina ao amin'ny Kaominina Lazarivo, Fotadrevo, Soamanga, Anavo. Nihena ny fitrandrahana antsokosoko ny sokatra vokatry ny asa fanentanana amin'ny fiarovana ny sokatra any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana. Hatao sakafo no antony hihazàn'ny olona ny sokatra indrindra fa amin'ny volana novambra hatramin'ny marsa... 

Avy amin'ny olombelona ihany koa ny finoana satria valin-tenin'ny olombelona amin'ny Fanambaran'Andriamanitra. Tsy miankina amin'ny  zavatra hita maso na fahagagana sy famantarana ny finoana fa miainga amin'ny fahatsapana ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i Rakotomanantsoa Jean Louis.

♦ Noraisina avokoa ny fanatsarana sy ny fanamarihana avy amin'ireo solombavambahoaka, na ny mpomba ny fitondrana na ny mpanohitra, tamin'ny ady hevitra mahakasika ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2021... ♦ Nahasaropiaro ireo loholona nanana anjara fitenenana nandritra ny fihaonana teo amin'izy ireo sy ny Governemanta omaly ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana araka ny tokony ho izy... ♦Miankina amin'ny fifampidinihina amin'ny mpitondra fanjakàna, sy anton-javatra maro ny hiakaran'ny vidin'ny solika eto Madagasikara na tsia hoy ny eo anivon'ny OMH...

Tamin’izany andro izany, niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Matokia anaka, fa voavela ny helokao." Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: "Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io." Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: "Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: ‘Voavela ny helokao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, ka mandehana?’ Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka", dia hoy Izy tamin’ilay malemy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

Samy tsy hita maso na Andriamanitra na ny soa ampanantenainy; rehefa mino fa misy Andriamanitra dia mibanjina Azy ao am-po na tsy mahita azy aza ny masom-batana. Avy amin'Andriamanitra ny finoana satria "tsy misy mahalala Azy raha tsy Izy no manambara ny tenany. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Ny vavaka rehetra ataontsika dia miafara amin'ny teny hoe AMEN, teny hebrio io  ; nentin'ny Jody nanamafy sy namarana ny fianianana (teny apetraka) nataony, midika hoe "ankatoaviko izany", " ho to anie izany". Ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika dia mampianatra fa iray ny fototeny ny hoe "mino" sy ny "amen". Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P.Rakotomanantsoa Jean Louis.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...