Rariny sy hitsiny ny Papa Fransoa sy ireo Papa maro nifandimby teo alohany raha hiresaka ny fampianarana momba ny fianakaviana satria ity farany dia rafitra ifotony hanabeazana sy hiofanana. Ny asa fivelomana dia mampiavaka ny olombelona, izay ilaina amin'izao andro sarotra izao. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
♦ Mitetinta 76 000 000 Euros ny tetik'asa fanatsarana ny fitsinjarana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, hiarahan'ny orinasa Jirama amin'ireo mpiara-miombon'antoka avy any ivelany... ♦ Tafiditra anatin'ny fankalazan'ny polisim-pirenena eto amintsika ny faha-60 taona nisiany, ny fandraisan'anjaran'izy ireo amin'ny matso hatao etsy Mahamasina... ♦ Tanora malagasy miisa 11 sy kaomaoriana miisa 03 no voafanina hisitraka ny vatsim-piofanana "Mandela Washington Fellowship 2021...
♦ Misy olona karohana izay mampiasa vola hatrany amin'ny 3 000 000 Ariary amin'ny hetsiky ny mpianatra any Toliara, hoy ny sekreteram-panjakàna miadidiy ny zandarimaria... ♦ Efa miroso ny dinika amin'ny hampiasàna taxi-be amin'ny lalana Rocade Iarivo izay ho tokanana amin'ny 24 Jona ho avy izao... ♦ Ankizy 10 taona hatramin'ny 19 taona ao amin'ny Cisco 4 eto amin'ny faritra Analamanga no afaka handray anjara amin'ilay fifaninanana velan-kevitra karakarain'ny Forum de Bénévoles Analamanga sy ny Aide et Action...
Ireo vahivavy vao avy niteraka dia mila manao mafana tsara sy harahina maso ny fahasalamany, manomboka amin'ny fotoana niterahany hatramin'ny fiverenany fadimbolana. Nandritra ny 9 volana no nitondrany vohoka ka rehefa teraka dia misy dingana maromaro hiverenan'ny tranon-jaza amin'ny laoniny...
♦ Ho ahena ho lasa 340Ariary/kwh ny vidin-jiron'ny Jirama, ka ho atao mitovy avokoa izany manerana ny nosy, manomboka amin'ity volana jona ity... ♦ Manaraka ny fenitra takiana iraisam-pirenena eo amin'ny sehatry ny asa vaventy ny lalana eny amin'ny Rocade-Est sy Rocade-Nord-Est izay mirefy 7km mahery... ♦ Andrasana ny fahalanian'ny volavolan-dalàna mihefy ny satan'ny mpanakanto eto Madagasikara, ho fanatsaràna ny fari-piainan'izy ireo amin'ny ankapobeny...
♦ Misy ambadika hafa ny savorovoro eny amin'ny Oniversiten'ny mpianatra any Toliara, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zadarimariam-pirenena, androany. Nilaza ity jeneraly ity, fa misy olona karohin'ny mpitandro ny filaminana amin'izao, voalaza fa ambadik'izany... ♦ Efa vita 99% ny asa fanamboarana ny lalana Rocade Iarivo, mampitohy ny By-Pass sy Andranobevava, namboarin'ny fitondrana teo aloha. Voalaza fa hitokana izany ny Filoham-pirenena ny 24 jona izao...
♦ Natolotra ny Arsevekan'Antananarivo sy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo omaly, ny Podium, tsangam-bato fahazato taonan'ny Seminera Zandriny... ♦ Ny Général de Division Sahivelo Lala Monja Delphin no voatendry ho lehiben'ny Etamazaoron'ireo tafika...
Alatsinainy 21 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5
♦ Nangataka fanazavana amin'ny OMS ny fitondram-panjakana malagasy, manoloana ny fanambarana nataon'ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara sy ny tsy haneken'i Eorôpa ny vakisiny Covishield... ♦ Ny 65%-n'ireo vakisiny Covishield tonga teto Madagasikara no nampiasaina, tao aorian'ny fanaovam-bakisiny faobe izay nifarana omaly, raha ny tatitry ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalam-bahoaka...
♦ Lany daty manomboka rahampitso ireo vakisiny Covishield nampiasaina teto Madagasikara. Tsy hisy intsony aloha ny fanaovam-bakisiny faobe, efa nody niverim-potsiny ireo olona nikasa hanao izany teny amin'ny HJRA Ampefiloha, androany... ♦ Nangata-panazavana any amin'ny OMS ny fitondrana malagasy, manoloana ny vaovao navoakan'ny Masoivoho frantsay. Niteraka resa-be ny filazana fa tsy afa-miditra any Eorôpa ireo olona vita ilay vakisiny Covishield natao teto amintsika...
Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra...
Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco