♦ Voahosihosy ny didy navoakan'ny fahefana faratampony amin'ny fifidianana, manoloana ny fampiatoana ny fanatanterahana ny didy navoakan'ny Filankevi-panjakana ny 30 marsa lasa teo, hoy ny KMF/CNOE Fanabeazana olom-pirenena... ♦ Mihoatra ny 500 ireo lavo tsy nahatohitra ny Coronavirus, teto Madagasikara.Mitombo isa hatrany ihany koa ireo marary manaraka fitsaboana...
Sabotsy 17 avrily 2021 — Lucien Botovasoa, Olontsambatra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11-19
Zoma 16 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 1-15
Alakamisy 15 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36
Alarobia 14 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21
Talata 13 avrily 2021 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 7-15
♦ Manainga ny Malagasy hanamafy ny fitandremana manoloana ny fihanaky ny valan'aretina covid ny ministry ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-79 taonany omaly ny Ministry ny filaminam-bahoaka teo aloha Amady Augustin... ♦ Amperin'asa manara-maso akaiky ifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina FVR amin'ireo faritra miisa 03, ahitàna izany ny teknisiana eo anivon'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono...
Alatsinainy 12 avrily 2021 — Herinaindro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 1-8
Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra any an-tendrombohitra i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony i Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: "Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?" Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy i Filipo taminy: "Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory." Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe: "Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao: fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao?" Dia hoy i Jesoa: "Asaovy mipetraka ny olona." Ary nisy ahitra be teo, ka nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo i Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaraniny fo. Rahefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very." Dia nangoniny ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’i Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe: "Itý tokoa no ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao." Dia fantatr’i Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Izay avy any ambony no ambonin’ny olona rehetra; fa izay avy amin’ny tany dia tany, ka ny etý an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin’ny olona rehetra; ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambaràny. Izay nandray ny fanambaràny dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatanany ny zavatra rehetra. Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra."
Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny aizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin'Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy." Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: "Atao ahoana no hahatonga izany?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay."
• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco