Noho ny fahasarotana ateraky ny zava-misy ankehitriny dia tena ilaina ny fifanohanana sy ny fifankaherezana eo amin'ny samy olombelona. Sehatra iray hanamora izany ny eo anivon'ny mpianankavy noho izy ireo tena iharan'ny olana mivantana, ara-pifandraisana sy ara-pivelomana...

Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)

♦ Tsy maharaka amin'ny fandraisana ireo mararin'ny Covid-19 intsony ny toeram-pitsaboana eto an-drenivohitra. Nampiana ny isan'ny CTC. Hapetraka ihany koa ny hotely hopitaly hanampiana ny toerana handraisana ny marary... ♦ Hisitraka fanampiana indray ireo olona marefo noho ny fiatrehana n y valan'aretina coronavirus... ♦ Nanao fihetsiketsehana teny Ampefiloha indray androany ireo tompon'ny orinasa sy ny mpiasa misahana ny fikojakojàna ny lalam-pirenena, tsy mbola voaloa hatramin'izao ny volan'izy ireo... 

Sabotsy 10 avrily 2021 — Sabotsy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15

♦ Nahatratra 37% ny tahan'ny fiaboan'ny olona mitondra ny Coronavirus tamin'ny fitiliana natao omaly. Tsy maharaka ny mararin'ny Covid intsony ny fandriana any amin'ny hôpitaly sy ny ivo-toerana misaha izany an-drenovihtra, araka ny tatitra nataon'ny sendikan'ny Paramed 6FM...

♦ Efa ao anatin'ny  fanatanterahana ny fandaharan'asa momba ny fivarotana entona "carbone" amin'ny alalan'ny fiarovana ny ala voajanahary i Madagasikara. Tafiditra amin'ny ezaka hanamafisana ny ady amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy, ireo no misintona ny entona manepotra... ♦ Ramanavy na "chauve-souris à ventouse" dia isan'ireo hita eto Madagasikara. Misy an'ilay karazany kely indrindra eto, ary miavaka noho ny firafitry ny tendron'ny tongony sy ny tanany, somary boribory sy misy fantsy maranitra... 

♦ Ho tanterahana rahampitso eny Ambohidahy ny lanonam-pitsaràna manetriketrika hanaovan'ireo mpikambana vaovao ao amin'ny HCC ny fianianana... ♦ Vao mainka nampitombo ny olana teo amin'ireo mpirakidraharaham-pitsaràna ny tsy fisian'ny fifaninanana handraisana mpirakidraharaha vaovao, tao anatin'ny telo taona nifanesy... ♦ Hisy fiatraikany mivantana amin'ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialin'ny olona ny fahavitan'ny lalambe migodàna mampitohy an'Andranobevava sy By Pass... 

♦ Mila manamafy ny fitandremana sy ny fanarahana fepetra ara-pahasalamana ny kristianina, manoloana ny coronavirus, hafatra avy amin'i Monsenera Odon Marie Razanakolona... ♦ Mbola fiandrasan-draharaha ihany aloha no tanterahana eny anivon'ny fitsarana eto Antananarivo taorian'ny fisian'ireo mpitsara matin'ny coronavirus. Misy tranga ihany koa ao amin'ny fonjan'i Mahajanga... ♦ Tombanana ho azo ampiasaina amin'ny volana Jona ny Rocade d'Iarivo...

♦ Mila manamafy ny fitandremana ny kristianina rehetra ato amin'ny diôsezin'Antananarivo, ka hanaraka ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra efa nambara hatramin'izay, araka ny hafatra nampitain'ny Arsevekan'Antananarivo...

Zoma 9 aprily 2021 — Zoma amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14

Alakamisy 8 aprily 2021 — Alakamisy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48

Alarobia 7 aprily 2021 — Alarobia amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...