Ilaina ny mpanabe mba ampafantatra ny zavatra tsara sy ny ratsy tsy tokony hatao. (03-02-2021)
♦ Mitady vahaolana amin'ny tsy fahampiandrano eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, maro ireo foto-drafitrasa natao. Ny Jirama dia isan'ireo tompon'antoka amin'ny fanantanterahana ireo fanapaha-kevitra. ♦ Ny sahona mantella betsileo : mainty sy mena ny lamosiny, misy fotsy ny vavany, fotsy pentina mena ny tongony sy ny tanany. ♦ voka-pikarohana UNEM : Hampihena ny vola lany amin'ny angovo fandrehitra ho 50%, ary hanodina ny fako hampadio ny tanàna...
Alatsinainy 8 febroary 2021 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 53-56
Naneho hevitra omaly ny mpanohitra, mivondrona ao amin'ny RMDM, fa mampanahy azy ireo ny hiverenan'ny jadona eto amin'ny firenena manoloana ny fihetsiky ny mpitondra amin'ny hetsika hataon'ny mpanohitra amin'ny sabotsy ho avy izao...
Manahy ny hiverenan'ny jadona eto amin'ny firenena ny RMDM, araka ny nambarany tamin'ny mpanao gazety androany, manoloana ny ambarany fa fisian'ny sakatsakana amin'ny hetsika kasainan'ny miara-manonja hatao amin'ny sabotsy ho avy izao...
Alahady 7 febroary 2021 — Alahady fahadimy mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo ; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 29-39
Manaiky ny fisian'ny Filoha lefitra fahatelo eo anivon'ny Antenimierandoholona avy amin'ny mpanohitra, ny Filoha lefitra misahana ny faritra avaratra. Tsy miankina amin'ny loholona anefa, hoy izy, ny fanendrena izay olona hisahana izany fa anjaran'ny HCC sy ny Ministeran'ny Atitany...
Mpifindra monina roa arivo isan'andro no mirohotra mihazo ny Faritra Anosy, mitsaoka ny kere any Androy sy Atsimo Andrefana. Ny tobin-dry Masera, "Sahan'i Maria" ao Tolagnaro no tena mandray azy ireo. Mnagataka tantsoroka amin'ny malala-tanana àry ry Masera ankehitriny satria efa iray volana sia ny tahirin-tsakafo omena ireo mpifindra monina...
♦ Mirohotra mitoby ao amin-dry masera any Tolagnaro ireo olona ianjadian'ny kere any amin'ny Faritra Androy sy Atsimo Andrefana. Tsy hody any amin'ny taniny izy ireo raha tsy milatsaka ny orana... ♦ Mihenjan-droa indray ny tady, ho an'ireo mpanara-maso ny asa, mivondrona ao amin'ny sendika SAIT sy ny Ministera miadidy azy ireo. Hampakatra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ny sendika...
Sabotsy 6 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34
♦ Mbola mitohy amin'ny 19 febroary indray ny fitsarana ilay raharaha volamena tratra tatsy Afrika Atsimo. Nanarama mpisolovava vahiny ny fitondrana malagasy, hamerenana ireo voarohirohy hotsaraina eto an-tanindrazana... ♦ Nandray fepetra ny eo anivon'ny Sinaodam-paritany Antananarivo Andrefana - Fiangonana FJKM, ho fiarovana ny ara-pahasalamana. Tsy azon'ireo fitandremana 145 atao ny mitondra razana am-piangonana...
Zoma 5 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco