05 desambra — Teraka ny 28 mey 1856 tao Lu Monferrato i Philippe Rinaldi. Teo amin'ny faha iraika amby roapolo taonany izy no tafaraka tamin'i Don Bosco. Rehefa nohamasinina ho pretra izy dia nomena andraikitra ho mpanabe ireo tanora miofana ho salezianina.
♦ Hirotsaka ny orana amin'ny faritra maro manerana ny nosy amin'ity herinandro ity. Orana voajanahary no ho avy fa tsy artifisialy akory... ♦ Marihina anio ny andro maneran-tany iadiana amin'ny areti-mandoza VIH/Sida, hisy hetsika eny Faravohitra... ♦ Coronavirus any Etazonia : atahorana hirongatra indray, olona 9.000.000 no tsy voasakana fa mbola nandao ny tanony, noho ilay fomba fanao "ThanksGiving"...
♦ Oram-baratra natoraly no andrandraina hirotsaka manomboka androany fah tsy orana artifisialy, hoy ny teknisianin'ny Météo... ♦ Nahatratra 30 ireo mpiasan'ny KRAOMA naratra tamin'ny sakoroka omaly, hoy ny delegen'ny mpiasa. Nandiso izany anefa ny solombavambahoakan'i Tsaratanana... ♦ Miisa 11.000.000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mitondra faisana vokatry ny tsy fanjariantsakafo sy ny valanaretina...
01 desambra — Teraka tamin'ny 15 septambra 1858 tao Strasbourg i Charles Eugène de Foucauld de Pontbriand. Zaza faharoa tamin'ny nateraky ny ray aman-dreniny izy, saingy vao teraka iray volana ilay zokiny dia efa maty. Élisabeth Beaudet de Morlet sy Édouard de Foucauld de Pontbriand, izay mpisafo ala tao Pontbriand, no ray aman-dreniny.
Sabotsy 05 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8 — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa ; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.
30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.
♦ Fiaraha-miombom-bavaka teny amin'ny Ekar Antanimena no nanokafan'ny FFKM ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Vola metentina 76.000.000 Euro avy amin'ny vondrona Eropeana no hanavaozana ny tambazotra iombonana mitondra ny rano ao Antananarivo renivohitra... ♦ Nanokatra fanadihadiana momba ny nahafatesan'i Diego Maradona ny fitsarana any Argentine...
Alakamisy 03 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27 — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany ; sambatra izay vonona hitsena Azy.
Ny vato : vato madinika miforona manentsina ny fantson'amany. Rehefa mafana toy izao ny andro dia misy ny tsy fahampian-drano amin'ny olombelona izay mora mampiforona ny vato. Ny tsy fahampian-tsakafo na tsy fahanjarian-tsakafo dia isany antony mampiforona ny vato. Tranga mety hiseho : marary ny lanivoho, misy rà kely ny fivalanan-drano ary manaintaina...
♦ Fandaharana Demokr'Ankizy : laharam-pahemehan'ny fanjakana ny fiarovana ny ankizy manoloana ny herisetra, entanina ny fitorohana... ♦ Pape François : Ny fifanankaikezana sy ny fahamailona no teny roa nasongadiny tamin'ny fampianarany ho fanomanana ny fiaviana... ♦ Demokrasia any Thaïlande : olona maro no nitokona tany Bangkok, nitaky ny fanenana ny fahefan'ny mpanjaka...
Ny tsingerina dia misy fohy sy lava, fa ny antonony dia 26 hatramin'ny 32 andro, tsy midika hoe marary akory ny olona misy ireo tranga samihafa ireo fa efa izay no toe-batany. Fanisana ny tsingerina : miainga amin'ny andro voalohany hisian'ny rà amin'ny lalan-jaza, arahan'ny fadimbolana 3 hatramin'ny 5 andro. Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny ary hampahafantarina ny zaza ny resaka tsingerina...
29 nôvambra — Raha i Masindahy Saturnin resahana amin'ity daty ity dia zanaka mpanjaka grika. Samy manana ny filazany moa ireo tahirin-tsoratra ny amin'ny fotoana niainany. Ao ny milaza fa iray amin'ireo roa amby fitopolo lahy mpianatry ny Tompo izy, ary nahita ny fiainany sy ny nitsanganany ho velona ary ny niakarany tany an-danitra. Misy kosa ireo raki-tsoratra milaza fa niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco