♦ Hatramin'ny androany antoandro, olona 29 no efa sitrana soa aman-tsara, kanefa voan'ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Jerena avokoa ny fomba rehetra hanamaivanana araka izay azo atao ny fiainan'ny Malagasy amin'izao anatin'ny fihibohana, tsy ahafahana mivoaka ny trano izao... ♦ Tsy misy ahiana fa efa mahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo olona roa mpiasan'ny fahasalamana...
Sabotsy 18 aprily 2020 — Sabotsy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 9-15 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika !
♦ Nanatevim-pahalala momba ny fanatsarana ny fandraisana ny fanontaniana sy ny fitarainan'ny vahoaka ao amin'ny antso 910 ny mpiasa ao amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Misy amin'ireo voafonja ao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy any Toamasina no natoka-monina... ♦ Miantso ireo mpiasa tratran'ny antsojay amin'izao vanim-potoana sarotra iainan'ny firenena izao ny SEKRIMA mba hampandre azy ireo...
Zoma 17 aprily 2020 — Zoma amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
♦ Miisa 23 ny olona mararin'ny Covid-19 no sitrana eto Madagasikara. Malagasy roa indray anefa no voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina... ♦ Mila tsy aharaka ny famatsiana sakafo ho an'ireo olona an'arivony matory an-dalana ao an-drenivohitra... ♦ Nihaona tamin'ny mpitantana ny orinasa JB omaly ny mpanara-mason'ny asa sy ny Tale jeneraly ao amin'ny Ministeran'ny Asa manoloana ny tranga fampiatoana mpiasa antselika...
♦ Mitohy hatrany ny fikarohana ireo olona mety ho nifandray tamin'ireny olona efa fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 ireny... ♦ Mpatory an-dalana an'arivony no vatsian'ny Kaominina Antananarivo sakafo in-telo isan'andro amin'izao fotoanan'ny fihibohana izao... ♦ Tsy nanadino ireo sokajin'olona marefo sy tsy misy mpiahy amin'izao fihanaky ny valan'aretina Coronavirus izo ny CNFM...
♦ Miantso ny herivelona sy ny mpitondra fanjakana hifanohana sy hitandro ny firaisan-kina ny FFKM mba hampirindra ny fiainan'ny vahoaka Malagasy... ♦ Nangiana tsy toa ny isan-taona ny alatsinainin'ny Paka tamin'ny faritra samihafa... ♦ Naato amin'ny asany noho ny antony ara-eknika ny mpiasa mikarama isan'andro miisa 1200 tao amin'ny orinasa iray mpanao sakafo...
Alakamisy 16 aprily 2020 — Alakamisy amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 35-48 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
♦ Herinandro fahefatra ampiharana ny hamehana ara-pahasalamana ity herinandro vaovao ity. Miantso ny mponina any amin'ireo faritra ampiharana ny fhibohana ny mpitondra tenin'ny CCOC ety Ivato mba hanaja hatrany ny fepetra ampiharina... ♦ Nankalaza ny Paka tamin'ny alalan'ny fanarahana ny fotoam-bavaka tany an-tokantrano ny kristianina teto Madagasikara...
♦ Famonoana ny orinasa malagasy ny fitakian'ny fanjakana hetra amin'izao fotoan-tsarotra diavin'ny firenena izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Tsy mba voatonona ao amin'ireo sokajin'olona nahazo sy hahazo ny fanampiana avy amin'ny fanjakana amin'izao fampiharana ny fepetran'ny fihibohana izao ny olona manana fahasembanana...
11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.
Alarobia 15 aprily 2020 — Alarobia amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco