3 aprily 2024 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)
Manoloana ny asa andavanandro dia tsy ampy ny fanaraha-maso ny fiainan'ny ankizy sy ny tanora. Ny ankizy dia lasa manaraka ny fironan-kolon-tsaina misy : tsy afaka ny hanao raharaha ao an-trano fa tokony hanana mpanampy. Tototry ny fahasahiranana amin'ny lafiny rehetra ny ray aman-dreny, tsy mahavita ny fianarany hatramin'ny farany ny tanora, sarotra ho azy ireny ny hiditra amin'ny fianan-tokan-trano. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
2 aprily 2024 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)
Dingam-piainana lehibe, sarobidy sady masina ho an'ny tanora lahy sy vavy ny fidirana amin'ny fiainan-tokan-trano. Tsy misy fianarana manokana tena mahakasika ny fiainana sy ny ho avy manontolo, koa mila fiomanana sy fanabeazana izany. Manana adidy araka izany ny ray aman-dreny mba hikolokolo ny zaza sy ny tanora amin'ny lafiny rehetra ary hitantana azy ireo amin'ny lalan-tsara. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco