4 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)
Hitan'Andriamanitra ny fahorian'ny vahoakany noandevozina ka nangoraka izy. Ireo rehetra mahakasika ny aina dia asa avokoa ; ny miasa an-kahalalahana miaraka amin'Andriamanitra dia fanompoana azy Tompo. Ny olona afaka dia miasa maimaim-poana ary mamorona. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
3 aogositra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 47-53)
Anatin'ny fanandevozana dia tsy afaka mihary ny olona, tsy afaka maneho ny maha izy azy fa araka izay baiko nomena, na asan'ny tanany aza. Torak'izany, tsy araka ny baikon'ny saina sy ny talenta, tsy araka ny sitrapo, tsy voakolo araka ny saina. Very ny fahamendrehana : tsy misy fiheverana ny maha olona. Nanompo olombelona ny vahoaka israely tsy afaka nanompo an'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco