Fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny no tena asa. Zava-dehibe ny fitsaharana mba entina hitsinjovana ny namana sy ny manodidina. Manana ny hasiny ny asa satria fomba iray hiadiana amin'ny fahantrana. Melohan'i Jesoa Kristy ny olona tsy miasa fa midonanampoana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
3 septambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)
Manana andraikitra ny tsirairay ao amin'ny ankohonana misy azy. Ny fianakaviana iray mifankatia dia samy manana ny anjara andraikiny sy manao asa tandrify azy. Ny asa mendrika dia fiheveran'ny tsirairay ny fikoloana ny soa iombonana. Tsy "asana mpanompo ny asa fa fifamenoana eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ary handraisana tambiny ara-drariny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
2 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco