29 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Voahozona ny tany : mikomy ny tany, mikomy amintsika ny voahary. Tsy maintsy misasatra sy misahirana ny olombelona mba hamerina amin'ny laoniny ny zava-boahary. Ny olombelona dia tsy maintsy manompo ny zava-boahary : mamelonan mamerina amin'ny laoniny ny zavatra rehetra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
28 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
Misy ny asa toa zary mampijaly ary lasa fanandevozana satria mety tsy amin'ny nahim-po. Manasatra ny asa noho ny tsy fihainoantsika olombelona an'Andriamanitra. Ny fahotantsika olombelona no nampiova ny tany, vokany : very ny fahalavorarian'ny zava-boahary. Mandrora mitsilany isika satria ny fahontantsika no manimba. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco