Alakamisy 1 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27
30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.
Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco