23 desambra — Teraka tamin'ny taona 1397 tao Kenty, diosezin'i Cracovie, i Jean de Kenty. Anne sy Stanislas no anaran'ny ray aman-dreniny, ary mbola zaza izy dia efa naneho toetra malefaka sy tia vavaka.

Ny Eveka dia miantoka ny fitoriana ny Evanjely mandrapahatapitr'izao tontolo izao. Ny pretra dia mpanampy mahatoky sy mahefa indrindra an'ny Evekany, ka raisin'ny eveka ho toy ny zanaka sy sakaiza. Ny mihaino azy ireo dia mihaino an'i Kristy ary izay manamavo azy ireo dia manamavo an'i Kristy sy tsy manaraka azy. Katesizy momba ny fiangonana, iarahana amin'i P. Rafidison Abdon.

Zoma 23 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

22 desambra — Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Masindahy Flavien, préfet de Rome tamin'ny andron'ny amperora Julien izy io. Ireo amperora kristianina dia nankasitraka ny fahendren'ity olomasina ity ka nahatonga azy ireo nanome andraikitra lehibe tao an-tanana.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...