Ny fiaraha-monina dia fitambaran'ny olombelona mifandray ao anatin'ny rafitra voarindra, misy fitsipika fototra mampiray. Ny fiaraha-monina dia maharitra eo amin'ny fotoana, lova sy handraisana talenta. Ilaina fahafoizan-tena ny fiarovana ny fiaraha-monina mba hanana ny soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
 
											 
 
			Zoma 1 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 9-13
 
											 
 
			Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona, efa voajanahary izany. Eo amin'ny fiainam-piaraha-monina no hahitana ny fifampizarana amin'ny hafa, fifanampiana amin'ny asa ary ny fifanankalozan-kevitra. Ny sehatra ahafahana mampivelatra ny talenta dia ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
 
											 
 
			Alakamisy 30 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco