Kilalaon-teny hanafenana heloka mahatsiravina ny hoe : Fampitsaharana vohoka ara-pahasalamana na ny Interruption thérapeutique de grossesse (ITG). Loza ho an'ny soatoavina moraly ny mahaolona, ny maha-malagasy ary ny maha-kristianina izy io. Tsikera momba ilay volavolan-dalana fampitsaharana vohoka, entin'i P Nicholson Avotriniaina- Doctorant en théologie morale- Université Pontificale Urbaniana.
Inona no lalana amin'ny antso fototra ?. Valin-teny tsy lavitra : Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Misy endrika roa atao hoe antso fototra dia : ny fanokanan-tena amin'Andriamanitra sy ny fanambadiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Zoma 21 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19
Fanontaniana tonga ao an-tsaina ny hoe : inona atao hoe masina?. Ny masina dia madio mangatsakatsaka, tsy misy azo am-pitahaiina aminy, tsy manan-tsahala, lavorary, tokana. Aoka ho masina tahaka an'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco