Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Ny Baiboly dia fitambaram-boky marobe, raha ny hita dia misy boky 73 no natambatra ka 46 isa no mandrafitra ny Testamenta Taloha, miampy 27 isa Testamenta Vaovao. Misy boky miisa fito, mirakitra ny votoatin'ny fanagejana nihatra tamin'ny Jody nataon'ireo Grika : Tobia, Fahendrena, Makabeo, Baroaka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Ny Testamenta Tranainy dia Testamenta Taloha ihany ; ny mpanoratra dia notsilovin'ny Fanahy Masina, manana ny maha izy azy : niteny tamin'ny sokajin'olona tamin'izany vanim-potoana izany. Mba tsy hivily dia ao am-piangonana no andraisana ny  hevitry ny Tenin'Andriamanitra, vakiana miaraka amin'ireo efa nanao ny fandalinana mba tsy hivoana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Manana andraikitra haneho fifampitsimbinana ny Malagasy rehetra. Ny fitoniana dia singa iray afahana mikaroka vahaolana amin-javatra maro, atao toetra fototra ny fahitsina, ialàna ny famitahana. Ny tompon'andraikitra ara-panjakàna, olom-boafidy, ireo mpandraharaha, olom-boatendry dia mila manao ho zava-dehibe ny soa iombonana fa tsy hanao asa mifanohitra amin'ny fitsipi-pitondran-tena. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...