16 aprily — I Benoît-Joseph Labre dia teraka, tao Amettes tanana kely tao Artois, ny 26 marsa 1748. Izy moa dia maty Tao Roma ny 16 aprily 1783. Lahimatoa amin'ny zaza 15 nateraky ny ray aman-dreniny i Benoît-Joseph.

Mba ho tena ho tanteraka tokoa ny didim-pitiavana dia eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay mitoetra amin'ny olona rehetra izay nandray ny Batemy. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana izany ireo izay tsy vita Batemy na koa mbola tsy mahalala an'Andriamanitra mihitsy? valiny hoe : fa izay tsy mahalala kosa na nanao zavatra mendri-pamaizana aza dia hokapohina kelikely ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

16 avrily 2025 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)

15 aprily — Teraka tao Armorique tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahadimy i Paterne. Nankany Angleterre izy mba hitoka-monina, ary nandray anjara tamin'ny fanorenana ny fiangonana sy ny trano fitokana-monina tao amin'izany firenena izany. Izy no eveka voalohany tao Vannes, ary maty teo anelanelan'ny taona 490 ka hatramin'ny taona 511.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...