Ao amin'ny Soratra Masina, miteny amin'ny olombelona araka ny fomban'olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin'ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak'Andriamanitra haseho antsika amin'ny alalan'ny tenin'izy ireo. Tsy maintsy vakina sy voasana eo ambany fahazavan'ny Fanahy nampanoratra azy ny Soratra Masina... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Mba hahatakarana ny zavatra nokendren'ny mpanoratra masina : tsy maintsy fantarina, anivon'ny zavatra hafa, ny karazan-dahatsoratra ; tsy maintsy arahi-maso tsara, ireo fomba fisainana, fomba fiteny, fomba fitantara nahazatra teo an-toerana sy nanan-kery tamin'ny andron'ny mpanoratra masina. Ny amin'ny fivoasana ny Soratra Masina àry dia manatanteraka ny didy sy ny anjara raharaha masina ho famoasana ny tenin'Andriamanitra ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Nitsilo ny sain'olombelona mpanoratra ny Boky Masina Andriamanitra. "Mba hamoronana ireny boky masina ireny, ka nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan'izy ireo sy ny fahafahan'izy ireo Andriamanitra, niasa tao amin'izy ireo sy tamin'ny alalan'izy ireo Andriamanitra tenany, hampetrahan'izy ireo an-tsoratra, hifanaraka tamin'ny fanirian'Izy Mpitsilo... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Tanan'ny Eglizy Reny Masina ho zava-masina, ho fitsipika noraisina avy amin'ny finoan'ny Apôstôly ireo boky tsy misy nahabangàna ao amin'ny Testamenta na ny Tranainy na ny Vaovao miaraka amin'ireo fitsinjarazarana ao aminy. Andriamanitra no mpamorona azy noho ireo boky ireo voasoratra avy amin'ny fanilovan'ny Fanahy Masina, ary nolovain'ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco