23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)

Ireo mpandraharaha voahosotra dia tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana ny rahalahin'izy ireo sy ny anabaviny ao amin'i Kristy, amin'ny fivavahana. Amin'ny maha mpanompon'ilay Mpiandry ondry tsara azy ireo, dia nohamasinina izy ireo mba hitarika ny vahoakan'Andriamanitra ho any amin'ny loharano velon'ny fivavahana : Tenin'Andriamanitra, ny litorzia... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

22 desambra 2024 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)

Alahady faha-4 — taona "D", fiavian’ny tompo : Indro tonga ny mpamonjy, eo afovoantsika ; Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. Vehivavy roa samy mitondra vohoka ary samy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra azy : I Maria sy Elisabeth. Andriamanitra dia tia antsika ary manao izay hampirindra ny fiainantsika Izy. Misy fomba maro hahatanteraka io asan'Andriamanitra io amintsika dia : fandinihana ny sitrapony, fanatanterahana ny sitrapo amim-pitiavana, fanetren-tena. Ohatra tsara ho antsika i Maria sy Elisabeth, tsara fifandraisana ary mifampizara, mifanatsara, mifankatia... 

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...